bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 32
Ezekiel 32
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 33 →
1
Tamin’ny taona faha-12, volana faha-12, tamin’ny andro voalohan’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
2
Ry zanak’olona, manaova hira fitomaniana an’i Faraôna, mpanjanak’i Ejipta, ka lazao aminy hoe: Ry lion’ny firenena ô, levona ianao! Tahaka ny mamba teo anatin’ny ranomasina ianao, niezaka tany amin’ny oninao ianao, ary nanakobana ny ranony tamin’ny tongotrao, ary nandoto ny lakan-dranony.
3
Ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hamelatra ny fandriko hamely anao Aho; ka fitambaran’ny firenena maro no hoentiko manao izany, ka hotarihiny hivoaka, amin’ny haratoko ianao,
4
dia havelako eo amin’ny tany ianao, hatsipiko eny an-tampon-tanety ianao, ka ny voromanidina rehetra hoentiko hipetraka aminao; ary ny biby amin’ny tany rehetra, hataoko voky amin’ny tenanao.
5
Hataoko eny an-tendrombohitra ny nofonao, ary hofenoiko ny tapatapakao sisa ny lohasaha.
6
Hotondrahako ny ranao mandriaka ny tany, hatramin’ny tendrombohitra, ary ho feno anao ny mason-driaka.
7
Amin’ny hamonoako anao, hotakonako ny lanitra, ary hohamaiziniko ny kintana, ny masoandro hosaronako rahona; ny volana, tsy handefa intsony ny fahazavany.
8
Hotafiako fisaonana noho ny aminao ny kintana mamirapiratra rehetra eny an-danitra; ary ny taninao hosaronako haizim-be - teny marin’ny Tompo Iaveh.-
9
Hataoko mitebiteby ny fon’ny firenena maro, rehefa ampandrenesiko ny faharavanao ireo firenena, any amin’ny tany tsy fantatrao.
10
Hataoko talanjona noho ny aminao ny firenena maro; hihena velona, noho ny aminao, ny mpanjakany, rehefa ampandihiziko eo imasony ny sabatro; ary hanjònitra lava izao izy amin’ny andro haharavanao, samy manahy ny ainy avy.
11
Fa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Ny sabatry ny mpanjakan’i Babilôna, ho tonga aminao!
12
Ny ankabeazam-bahoaka, hataoko lavo, amin’ny sabatry ny mahery, izay masiaka eo amin’ny firenena rehetra; haongany ny reharehan’i Ejipta, ary ny vahoaka rehetra ao aminy ho voafongotra.
13
Tsy hasiako miangana ny biby fiompiny rehetra, eny amoron’ny rano betsaka; tsy hokobanin-tongotr’olona intsony ireny na hokobanin-kitrom-biby intsony.
14
Amin’izany ny ranony hampandriako, ary ny oniny hampandehaniko hoatra ny diloilo; - teny marin’ny Tompo Iaveh.-
15
Rehefa avy izay hampanjariako ho tany lao ny tany Ejipta, sy izay hahafoana ny tany amin’ny zavatra ao aminy, ary hamelezako ny mponina rehetra ao aminy, dia ho fantatr’izy ireo fa Iaveh Aho.
16
Izany no hira fitomaniana, ka hotononin’ny olona io, hotononin’ny zanaka vavin’ny firenena; hotononiny momba an’i Ejipta sy ny vahoakany be rehetra; - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
17
Tamin’ny taona faha-12, andro faha-15n’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
18
Ry zanak’olona, midridridridria momba ny vahoaka ben’i Ejipta; ampidino izy, mbamin’ny zanaka vavin’ireo firenena malaza, ho any ambanin’ny tany, miaraka amin’izay midina any an-davaka.
19
«Iza no nihoaranao hatsaran-tarehy?... Midìna, ka miampara ao akaikin’ireo tsy voafora!»
20
Hiampatrampatra eo afovoan’ny voatrobaky ny sabatra izy ireo! Efa voatolotra ny sabatra; tariho i Ejipta, mbamin’ny vahoakany maro be rehetra.
21
Hiteny aminy ny mahery indrindra amin’ireo lehilahy mahery fo, mbamin’ny mpanampy azy ao afovoan’ny Seoly, hanao hoe: «Tafidina sy miampatra, ireo tsy voafora voatrobaky ny sabatra!»
22
Ao i Asora, mbamin’ny vahoakany rehetra; manodidina azy ny fasany; voatrobaka avokoa, lavon’ny sabatra avokoa izy.
23
Natao any am-paravody lavaka, ny fasan’izy ireo: voalahatra manodidina ny fasany ny vahoakany; voatrobaka avokoa, lavon’ny sabatra avokoa izy ireo, izay naharaiki-tahotra teny amin’ny tanin’ny velona.
24
Ao ry i Elama, mbamin’ny vahoakany rehetra alinalina manodidina ny fasany; voatrobaka avokoa, lavon’ny sabatra avokoa; ireo tsy voafora nidina tany ambanin’ny tany, izay efa naharaiki-tahotra, teny amin’ny tanin’ny velona; nivesatra ny fahafaham-barakany izy ireo, miaraka amin’izay nidina any an-davaka.
25
Teo amin’ireo voatrobaka no anamboarana fandriana ho azy mbamin’ny vahoakany rehetra alinalina; manodidina azy ny fasany; samy tsy voafora avokoa, samy voatrobaky ny sabatra avokoa izy ireo, fa niely ny fahatahorana azy teny amin’ny tanin’ny velona, ary nitondra ny fahafaham-barakany izy, miaraka amin’izay midina any an-davaka; napetraka teo amin’ireo voavono izy.
26
Ao ry i Mosòka, i Tobala, mbamin’ny vahoakany rehetra alinalina, manodidina azy ny fasany; samy tsy voafora avokoa, samy lavon’ny sabatra avokoa izy, fa nampiely fahatahorana teny amin’ny tanin’ny velona.
27
Izy ireo tsy mba hiara-miampatra amin’ny mahery, izay lavo isan’ny tsy voafora, sy nidina any amin’ny Seoly nitondra ny fiadiany, sy nopetrahana ny sabany eo ambonin’ny lohany; fa eo ambonin’ny taolany ny helony, satria hampatahotra ny mahery izy, teny amin’ny tanin’ny velona.
28
Ianao koa ho torotoro, eo afovoan’ny tsy voafora; sy hiara-miampatra amin’izay voatrobaky ny sabatra.
29
Ao ry i Edôma, mbamin’ny mpanjakany sy ny mpanapaka rehetra teo aminy: izy ireo, na dia be aza ny heriny, dia natao teo amin’ny voatrobaky ny sabatra, miara-miampatra amin’ny tsy voafora koa izy, sy amin’izay nidina any an-davaka.
30
Ao ny andrian’ny Avaratra, dia izy rehetra mbamin’ny Sidonianina rehetra; niara-nidina tamin’ny voatrobaky izy ireo, na dia efa nampatahotra aza izy, na dia mahery fo aza, dia efa mangaihay! Miampatra ireo tsy voafora amin’izay voatrobaky ny sabatra, ary mitondra ny fahafaham-barakany miaraka amin’ny midina any an-davaka.
31
Hahita azy i Faraôna, ka hanonon-tena, ny amin’ny vahoakany maro be. Niara-boatrobaky ny sabatra, i Faraôna sy ny miaramilany rehetra, - teny marin’ny Tompo Iaveh!-
32
Fa efa nanely ny fahatahorana azy Aho teny amin’ny tanin’ny velona; ary indro izy miara-miampatra amin’ny tsy voafora, miaraka amin’izay voatrobaky ny sabatra, izy Faraôna sy ny vahoakany rehetra alinalina; - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 33 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48