bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 24
Ezekiel 24
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 25 →
1
Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh tamin’ny taona fahasivy, volana fahafolo, andro fahafolon’ny volana, nanao hoe:
2
Ry zanak’olona, ataovy an-tsoratra izao andro izao: dia izao mason’andro izao, fa amin’izao andro izao indrindra no niantorahan’ny mpanjakan’i Babilôna tamin’i Jerosalema.
3
Manaova fanoharana amin’ny taranaka miodina, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Atsangano ny vilany; atsangano izy, ka asio rano.
4
Dia arotsahy ao ny didin-kena, ny didiny tsara rehetra; ny nofom-peny ama-nofon-tsorony; fenoy taolana voafantina izy,
5
Izay tsara indrindra amin’ny andian’ondry no alaovy, dia tohofy taolana betsaka eo ambanin’ny vilany; ataovy mangotraka mivadibadika fatratra izy mba ho masaka koa ny taolana ao anatiny.
6
Ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Loza ho an’ny tanàna mpandatsa-dra, vilany misy taim-barahina ao anatiny, ka tsy afaka tao aminy ny taim-barahina! Loary tsirairay ny didin-kena, aza anaovana filokana,
7
fa ny ra nalatsany dia mbola ao aminy; nataony teo amin’ny vatolampy mangadihady fa tsy nalatsany tamin’ny tany hosaronan’ny vovoka.
8
Mba hampirehitra ny hatezerana ary mba hanao famaliana azy, dia natoko latsaka tamin’ny vatolampy mangadihady ny ra nalatsany tsy ho voasarona.
9
Ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Loza ho an’ny tanana mpandatsa-dra. Izaho koa hanangona antontan-kitay betsaka.
10
Angony ny kitay hazo, ampireheto ny afo, ataovy motraka ny hena, ataovy mangotraka ny koban-kena, ary aoka ho levon’ny afo koa ny taolana.
11
Dia ataovy eo ambony vainafo ny vilany foana, hahafana azy, hahamay ny varahina, hiempoan’ny lotony ao anatiny, hahalevona ny taim-barahina.
12
Aim-bery foana! fa tsy mety afaka ny vongan-taim-barahiny, maharitra ny afo ny taim-barahiny.
13
Misy zavatra lozan-tany amin’ny lotonao: satria tsy mety madio ianao, rehefa nodioviko dia tsy ho voadio amin’ny lotonao na oviana na oviana ianao, raha tsy efa nataoko mipetraka aminao ny hatezerako.
14
Izaho Iaveh no niteny, ho tonga izany ary hotanterahiko: tsy hiahotrahotra Aho, na hitsimbina, na hanenina, Hotsaraina araka ny nataonao sy ny helokao be vava ianao, - teny marin’ny Tompo Iaveh.
15
Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
16
«Ry zanak’olona, indro hesoriko tampoka aminao, amin’ny indray mitselaka monja, ilay fifalian’ny masoandro; nefa aza midradradradra na mitomany, na mandatsa-dranomaso akory.
17
Misentoa mangingina, fa aza misaona ny maty, Ataovy amin’ny lohanao ny hamamanao, asio kiraro ny tongotrao, aza saronana ny volombavanao, ary aza mihinana ny mofom-piononana.»
18
Nony maraina dia niteny tamin’ny olona aho, ka ny harivan’izany ihany dia maty ny vadiko; ary ny ampitso maraina indray dia notanterahiko izay nandidiana ahy.
19
Ka hoy ny olona tamiko: «Tsy hovoasanao aminay va izay hevitra mahazo anay amin’izao ataonao izao?»
20
Dia izao no nolazaiko tamin’ireo: «Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
21
Lazao amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro, hovetavetaiko ny fitoerako masina, ilay reharehan’ny herinareo, fifalian’ny masonareo, fitiavan’ny fanahinareo; ary ho lavon-tsabatra ny zanaka lahinareo aman-janaka vavinareo, izay nilaozanareo.
22
Amin’izany ianareo, hanao toy izao nataoko izao: tsy hanarona ny volombavanareo; tsy hihinana ny mofom-piononana.
23
Ho eo an-dohanareo ihany ny hamamanareo, ary ho eo an-tongotrareo ny kiraronareo, tsy hidradradradra na hitomany, fa hihalevona ao anatin’ny helokareo ianareo, ka hitoloko eo am-pifanilanareo.
24
I Ezekiela no famantarana ho anareo; izay rehetra nataony no hataonareo, rehefa tonga izany; dia ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Iaveh.»
25
Ary ianao, ry zanak’olona, amin’ny andro hanesorako amin’izy ireo ny heriny, ny voninahiny, ny firavoravoany, ny fahafinaretan’ny masony, ary ny fanirian’ny fanahiny; - dia ny zanany lahy aman-janany vavy; -
26
amin’izany andro izany, hisy olona mpandositra hankatỳ aminao, hilaza izany vaovao izany aminao.
27
Amin’izany andro izany, dia amin’ny fahatongavan’ilay mpandositra vao hisokatra ny vavanao, ka hiteny ianao fa tsy ho moana intsony; ary ho famantarana ho azy ireo ianao, dia ho fantatr’izy ireo fa Tompo Iaveh Aho.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48