bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 11
Ezekiel 11
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 12 →
1
Naingain’ny fanahy aho dia nentiny nankeo am-bavahady atsinanana, ilay mitodika miantsinanana amin’ny tranon’i Iaveh; ka indro, teo anoloan’ny vavahady nisy olona 25 lahy; ary hitako teo amin’izy ireo, i Jezoniasa zanak’i Azora sy i Feltiasa zanak’i Banaiasa. lehiben’ny vahoaka.
2
Dia hoy i Iaveh tamiko: «Ry zanak’olona, ireo no olona mamoron-tsain-dratsy, sy manome hevi-dratsy, eto amin’ity tanàna ity, manao hoe:
3
‹Tsy antomotra loatra ny loza! Andeha isika hanao trano! Ity tanàna ity no vilany, ary isika no hena.›
4
Koa maminania hamely azy; maminania, ry zanak’olona.»
5
Dia nilatsaka tato amiko ny Fanahin’i Iaveh; ka hoy Izy tamiko: «Mitenena hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Izany no teneninareo, ry taranak’i Israely! Fantaro ny mby ao an-tsainareo.
6
Nohamaroinareo ny vonoana olona tamin’ity tanàna ity, sy nofenoinareo faty ny lalam-be.
7
Koa izao no lazain’i Iaveh Tompo: Ireo maty natsingidinareo teto afovoan’ny tanàna no hena, ary ny tanàna no vilany; fa ianareo kosa havoaka hiala eto.
8
Mataho-tsabatra ianareo, ka hataoko tratry ny sabatra, - teny marin’i Iaveh Tompo. -
9
Havoakako hiala eto an-tanàna ianareo, ka hatolotro eo an-tanan’ny hafa firenena; ary hampihatra aminareo ny fitsaràko Aho.
10
Ho lavon-tsabatra ianareo, ary hotsaraiko any amin’ny sisin-tanin’i Israely; dia ho fantatrareo fa i Iaveh Aho.
11
Ity tanàna ity, tsy ho vilany ho anareo; ianareo, tsy ho hena ao anatiny; fa any an-tsisin-tanin’i Israely no hitsarako anareo.
12
Ka ho fantatrareo fa Izaho no Iaveh izay tsy narahinareo fitsipika, na notandremanareo lalàna, fa nanaraka ny lalàm-pirenena manodidina anareo no nataonareo.»
13
Mbola naminany teo aho, dia maty i Feltiasa zanak’i Banaiasa; ka niankohoka aho, nitaraina tamin’ny feo avo nanao hoe: «Indrisy, Iaveh Tompo ô! dia haringanao ve, ny sisa amin’i Israely.»
14
Dia tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
15
«Ry zanak’olona, ireo rahalahinao, olona anisan’ny fianakavianao, sy ny taranak’i Israely rehetra, dia izy rehetra no ilazan’ny mponina ao Jerosalema hoe: ‹Mijanòna any lavitra an’i Iaveh ianareo; fa izahay no nomena ity tany ity ho fananana.›
16
Koa lazao amin’ireto hoe: Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Eny, nalefako lavitra any amin’ny firenena ireny, naeliko any amin’ny tany hafa izy; nefa Izaho no ho fitoerana masina ho azy ireo, any amin’ny tany nalehany, mandritra ny fotoana vitsivitsy.
17
Noho izany, ilazao ireny ataovy hoe: Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Hangoniko avy any amin’ny firenena ianao; hovoriko avy any amin’ny tany nampielezana anareo ianareo; ary homeko anareo ny tanin’i Israely.
18
Dia hiditra ao izy ireo, ka hesoriny hiala ao avokoa ny zava-mahamenatra amam-pahavetavetana rehetra.
19
Ary izy rehetra homeko fo iray, hasiako fanahy vaovao ao anatiny, hoesoriko amin’ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy;
20
mba hizorany amin’ny fitsipiko sy hitandremany ny didiko, ary hanarahany azy; ka izy dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
21
Fa ry zareo manana fo manaraka ny fon-tsampiny vetaveta kosa, dia hatsingeriko amin’ny lohany, izay nataony», - teny marin’i Iaveh Tompo.
22
Tamin’izay ny Kerobima nanainga ny elany; ny kodiarana koa niara-nihetsika taminy; ary ny voninahitry ny Andriamanitr’i Israely dia teo ambonin’izy ireo.
23
Ary nisondrotra avy teo ambonin’ny afovoan-tanàna, ny voninahitr’i Iaveh, ka nijanona teo an-tampon’ilay tendrombohitra eo atsinanan’ny tanàna.
24
Ary naingain’ny Fanahy aho, ka nentiny ho any amin’ireo babo any Kaldea, tamin’ny fahitana, tamin’ny Fanahin’Andriamanitra. Dia lasa niala teo anatrehako ny fahitana efa hitako;
25
ary notantaraiko tamin’ireo babo avokoa ny zavatra nampahitan’i Iaveh ahy.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48