bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 6
Ezekiel 6
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 7 →
1
Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
2
Ry zanak’olona, atodiho mankany amin’ny tendrombohitr’i Israely ny tavanao, ka maminania ny hamelezana azy. Lazao hoe:
3
Ry tendrombohitr’i Israely, Mihainoa ny tenin’i Iaveh Tompo. Izao no lazain’i Iaveh Tompo amin’ny tendrombohitra aman-kavoana, sy amin’ny hadin-driaka aman-dohasaha; Indro Aho hahatonga sabatra hamely anareo; ary ny fitoerana avonareo horavako,
4
ny ôtelinareo ho voarava, ny andrinareo ho an’ny masoandro, hotapahina; ny lehilahinareo hataoko mitsingidina, voan’ny fahafatesana, eo anoloan’ny sampinareo;
5
ny fatin’ny zanak’i Israely hataoko eo anoloan’ny sampiny. Ary ny taolanareo haeliko, manodidina ny ôtelinareo.
6
Na aiza na aiza onenanareo, ny tanàna ho lao, ny fitoerana avo horavàna; mba ho rava sy lao koa ny ôtelinareo, ho montsana sy levona ny sampinareo, hazera ny andrinareo ho an’ny masoandro ary ho fongotra ny asanareo.
7
Hiampatrampatra eo aminareo, ny maratra ho faty; dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.
8
Havelako hisy sisa ihany anefa aminareo; dia izay afaka amin’ny sabatra, any amin’ny firenena, rehefa haely any amin’ny tany samihafa.
9
Ka ireo afaka ireo dia hahatsiaro Ahy eny amin’ny firenena, izay hitondrako azy ho babo; nony efa notorotoroiko ny fony mpisintaka izay nivily tamiko, sy ny masony mpisintaka izay nitodika nankany amin’ny sampiny; ka haharikoriko azy ny tenany, noho ny ratsy nataony, tamin’ny fahavetavetana rehetra vitany.
10
Dia ho fantany fa Iaveh Aho, ka tsy mba foana ny nilazako fa hahatonga izany loza izany aminy Aho.
11
Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Mitehafa tanana ianao ary mitotoa tongotra, ka manaova hoe: «Indrisy!» amin’ny fahavetavetana ratsy rehetra, nataon’ny taranak’i Israely, izay efa ho levon’ny sabatra, sy ny mosary ary ny pesta.
12
Ny lavitra ho fatin’ny pesta; ny akaiky ho lavon’ny sabatra; izay sisa tavela voatahiry, ho fatin’ny hanoanana; ka hampariko amin’izy ireo ny fahatezerako.
13
Dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho; rehefa hiampatrampatra eny afovoan’ny sampiny ny maty amin’izy ireo manodidina ny ôteliny, eny amin’ny havoana avo rehetra, eny antampon-tendrombohitra rehetra; eny ambanin’ny hazo maitso rehetra, eny ambanin’ny oaka be ravina rehetra, amin’ny fitoerana nanaterany emboka manitra mahafinaritra tamin’ny sampiny rehetra.
14
Haninji-tanana hamely azy ireo Aho, ka hataoko lao sy simba ny taniny, hatramin’ny efitra ka hatrany Diblah, dia ho fantany fa Iaveh Aho.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48