bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 41
Ezekiel 41
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 40
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 42 →
1
Dia nentiny ho ao amin’ny tempoly aho, ary norefesiny ny andriny, ka enina hakiho ny sakany amin’ny lafiny iray, enina hakiho koa ny sakany amin’ny lafiny iray, - hoatra ny sakan’ny trano iray.
2
Folo hakiho ny sakan’ny varavarana; dimy hakiho ny ati-rindrim-baravarana ankilany, dimy hakiho koa ny ankilany iray. Norefesiny ny halavan’ny tempoly, ka efapolo hakiho; ary ny sakany roapolo hakiho.
3
Raha efa izany, nandroso ho ao anatiny izy, dia nandrefy ny andrim-baravarana, ka roa hakiho; ary ny varavarana enina hakiho; ary ny haben’ny varavarana fito hakiho.
4
Ary amin’ny ilan’ny tempoly dia nandrefy roapolo hakiho izy amin’ny an-davany, ary roapolo hakiho amin’ny sakany, dia hoy izy tamiko: «Io ny fitoerana masina indrindra».
5
Ary norefesiny ny rindrin-trano, ka enina hakiho; sy ny sakan’ny paosin-trano manodidina ny trano ka efatra hakiho.
6
Ary ny amin’ny efitra an-daniny avy dia nisy efitra telo mifanao ambony sy ambany, samy telopolo avy ny andalany; nipaka tamin’ny rindrina naorina hanaovana an’ireo efitra manodidina ny trano, ka niankina tamin’ny rindrin-trano, fa tsy tafatsofoka ao anatiny.
7
Nihamalalaka isaky ny ifanongoavan’ireo efitra ireo, fa isan-drihana dia nisy lalan-tsara handehanana manodidina hatrany hatrany. Ka noho izany dia nihamalalaka isaky ny mifanongoa io ilan-trano io, ka ny lalan-tsara amin’ny tany dia etiety kokoa noho ny amin’ny rihana ambony; mifanao ara-keviny amin’ny roa sisa koa, ny lalan-tsara ao antenatenany.
8
Hitako fa niorina tambonin’ny avoavo teo amin’ny manodidina, ny trano; eran’ilay volotara ny fanorenan’ny efitra an-daniny avy, ary enina hakiho erỳ amin’ny zorony.
9
Enina hakiho ny hatevin’ny rindrina ivelany amin’ny paosin-trano; manaraka izany dia nisy rarivaton’ny paosin-trano amin’ny trano.
10
Ny elanelan’ny hatreo ka hatreo amin’ny efitrano, dia nisy roapolo hakiho, manodidina ny trano.
11
Teo ambonin’io rarivato io no nisy ny fidirana mankeo am-paosin-trano; ny varavarana iray teo avaratra, ny varavarana iray teo atsimo; dimy hakiho no hatevin’io rarivato manodidina io.
12
Ilay trano nifanatrika tamin’ny fitoerana foana amin’ny lafiny andrefana, dia fitopolo hakiho ny sakany; dimy hakiho manodidina no hatevin’ny rindrin-trano, ary sivy folo hakiho ny lavany.
13
Nandrefy ny trano izy, ka zato hakiho ny sakany, ny fitoerana foana, ny trano sy ny rindriny, zato hakiho ny lavany,
14
ary ny anoloan’ny trano sy ny fitoerana foana eny amin’ny atsinanana, zato hakiho ny sakany.
15
Norefesiny ny lavan’ny trano mifanatrika amin’ny fitoerana foana izay teo ivohon’ny trano mbamin’ny lalan-tsarany eo an-daniny roa, ka zato hakiho.
16
Tao amin’ny tempoly, dia ao anatiny sy ao amin’ny efitrano fidirana ho any amin’ny kianja, dia voapetaka hazo mitovy tantana amin’ny manodidina, na ny tokonana, na ny varavarankely makarakara aman-dalan-tsara manodidina, amin’izy telo manandrify ny tokonana. Hatramin’ny tany ka hatreo amin’ny varavarankely - mirindrina ny varavarankely -
17
hatreo ambonin’ny varavarana ka hatreo amin’ny faran’ny trano ary eo ivelany koa, tamin’ny rindrina rehetra manodidina, na ao anatiny na eo ivelany, dia samy voarakotra lamba temitra
18
sy kerobima ary rofia avokoa; rofia iray no teo anelanelan’ny kerobima roa, ary ny kerobima iray nanan-tava roa:
19
ny iray tavan’olona mitodika ny rofia eo an-daniny iray ary ny iray tavan-diona kosa mitodika ny rofia eo an-daniny iray hafa; nasiana an’izany avokoa ny trano manontolo.
20
Hatramin’ny tany ka hatreo ambonin’ny varavarana, nisy kerobima aman-drofia voaseho amin’ny rindrin’ny Tempoly.
21
Efa-joro ny tolàna tamin’ny tempoly, ary teo anoloan’ny fitoerana masina indrindra, nisy zavatra toy ny ôtely hazo no fijery azy:
22
telo hakiho ny haavony, roa hakiho ny halavany: nisy zorony izy, ary hazo ny rindriny manaraka ny halavany rehetra. Dia hoy izy tamiko: Io no latabatra eo anatrehan’i Iaveh.
23
Ny Tempoly sy ny fitoerana masina indrindra dia samy nisy varavarana;
24
ary ny varavarana samy kopa-droa, ary ny lela varavarana roa samy nisy takelaka roa misavily, takelaka roa amin’ny lela varavarana iray, ary takelaka roa amin’ny lela varavarana iray hafa.
25
Teo amin’ny varavaran’ny Tempoly nisy kerobima aman-drofia tahaka ny voaseho ao amin’ny rindrina, ary nisy tafo hazo teo anoloan’ny efitrano fidirana eo ivelany.
26
Nisy varavarankely makarakara sy rofia teo an-daniny roa amin’ny rindrin’ny efitrano fidirana sy tamin’ny efitrano anilan’ny trano, ary tamin’ireo tafo hazo.
← Chapter 40
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 42 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48