bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 14
Ezekiel 14
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 15 →
1
Tonga tao amiko ny loholona sasany amin’i Israely, ka nipetraka teo anoloako.
2
Dia tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
3
Ry zanak’olona, ireo olona ireo dia efa nanangana ny sampin-dozany, ao am-pony, ary ny fanafintohinana mampanota azy, ataony eo anoloan’ny tavany: ka hety hanontanian’ireo va Aho?
4
Noho izany, mitenena aminy ianao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Na zovy na zovy, amin’ny taranak’i Israely manangana ny sampin-doza ao am-pony, sy manao eo anoloan’ny tavany ny fanafintohinana mampanota azy, raha sendra manatona ny mpaminany izy io, dia Tenako Izaho Iaveh no hamaly azy, araka ny tandrifin’ny sampiny maro,
5
mba hahavoazako ny taranak’i Israely amin’ny fony satria efa nivily niala tamiko izy mbamin’ny sampin-dozany rehetra.
6
Ka lazao amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Miverena ianareo; mialà amin’ny sampin-dozanareo; ary miambohoa tsy hanatri-tava ny fahavetavetanareo rehetra.
7
Fa na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely, na amin’ny vahiny mitoetra eo amin’i Israely misaraka amiko manangana ny sampin-dozany ao am-pony, ary manao eo anatrehan’ny tavany ny fanafintohinana mampanota azy, raha tonga manatona ny mpaminany izy io mba hanontaniany amiko ho azy, dia ny Tenako Izaho Iaveh, no hamaly azy.
8
Ka ny Tavako, hanandrina izany olona izany; izy holevoniko hataoko famantarana aman’ohabolana, hofongarako eo amin’ny vahoakako; dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.
9
Ary raha mety ho voasodoka ny mpaminany, ka manonona teny sasantsasany, dia Izaho Iaveh no ho nanodòka an’izany mpaminany izany; ary haninjitra ny tanako aminy Aho, ary hofongorako eo amin’ny vahoakako Israely izy.
10
Dia hitondra ny valin’ny haratsiany izy, - arakaraka ny haratsian’izay manontany ny haratsian’ny mpaminany koa,
11
- mba tsy hivilian’ny taranak’i Israely hanalavitra Ahy intsony, sy tsy handotoany tena amin’ny fahadiasoany rehetra. Amin’izay, izy ireo dia ho vahoakako, ary Izaho dia ho Andriamaniny, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
12
Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
13
Ry zanak’olona, Raha misy firenena manota miodina amiko ka ahinjitro aminy ny tanako, dia tapahiko ny tehina mofo ho azy, sy alefako hamely azy ny mosary, dia haringako ny olona sy ny biby,
14
ary eo amin’izany tany izany dia misy ireto olona telo ireto: i Nôe, i Daniela sy i Jôba... dia hahavonjy ny fanahiny, amin’ny fahamarinana izy ireo; - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
15
Raha mandefa biby masiaka amin’ny tany Aho, ka ilaozan’ny mponina sy zary efitra tsy halehan’ny olona na iza na iza azon’izany biby izany,
16
ary raha ao amin’izany tany izany izy telo lahy ireo, velona Aho - teny marin’ny Tompo Iaveh, - tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy; ny tenan’izy ireo ihany no ho voavonjy, fa ny tany ho lao.
17
Na raha mandefa sabatra hamely izany tany izany Aho, ary manao hoe: «Aoka hijinja ny tany ny sabatra...» sady mandringana ny olona sy ny biby;
18
ka eo afovoan’io tany io koa izy telo lahy ireo; velona Aho - teny marin’ny Tompo Iaveh; - dia tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy ireo; ny tenany ihany no ho voavonjy.
19
Na raha mandefa pesta ho amin’izany tany izany Aho, ary manidina ny hatezerako aminy, amin’ny fandatsahan-dra, sady mandringana ny olona sy ny biby,
20
ka eo afovoan’io tany io koa i Nôe sy i Daniela ary i Jôba, velona Aho - teny marin’ny Tompo Iaveh; - tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy ireo, fa ny tenany ihany no hahavonjy ny fanahiny, noho ny fahamarinany.
21
Satria izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Na dia rehefa nalefako hamely an’i Jerosalema aza ny fikapohana efatra mandoza: ny sabatra, ny mosary, ny biby masiaka, ary ny pesta, ka nandringana ny olona sy ny biby,
22
dia hisy sisa ihany, ho afa-mandositra, ka hivoaka ny tanàna, dia zanaka lahy, sy zanaka vavy. Ho avy eo aminareo izy, dia hahita ny fitondran-tenany aman’asany ianareo, ka dia hionona ianareo ny amin’ny loza nalefako hamely an’i Jerosalema, dia ny amin’izay rehetra nataoko nihatra taminy.
23
Hampionona anareo izy ireo, rehefa mahita ny fitondran-tenany aman’asany ianareo, ka ho fantatrareo fa tsy hoe tsy misy antony ny nanaovako izay rehetra nataoko taminy, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48