bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 48
Ezekiel 48
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 47
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
1
Izao no anaran’ny foko: Hatramin’ny tendrony avaratra manaraka ny lalan’i Hetalôna ho any Hamata, Hatzera-Enôna, ny sisin-tanin’i Damasa mianavaratra, manaraka ny lavan’i Hamata, izao avy no ho an’ny isam-poko: hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an’i Dana.
2
Manolotra ny sisin-tanin’i Dana hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana; anjara iray ho an’i Asera.
3
Manolotra ny sisin-tanin’i Asera, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an’i Neftalì.
4
Manolotra ny sisin-tanin’i Neftalì, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray, ho an’i Manase.
5
Manolotra ny sisin-tanin’i Manase, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an’i Efraima.
6
Manolotra ny sisin-tanin’i Efraima, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an-dRobena.
7
Manolotra ny sisin-tanin-dRobena hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an’i Jodà.
8
Manolotra ny sisin-tanin’i Jodà, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana, no ho ilay anjara hatokanareo, 25.000 ny sakany, ary mifanerana amin’ny anjara iray ny lavany, dia hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: eo afovoany no hatao ny fitoerana masina.
9
Ny anjara hatokanareo ho an’i Iaveh dia ho 25.000 hakiho ny lavany, 10.000 hakiho ny sakany.
10
Izany anjara masina hatokanareo izany no ho an’ny mpisorona, dia ho 25.000 hakiho, ao avaratra, 10.000 hakiho ny sakany ao andrefana, 10.000 hakiho ny sakany ao atsinanana, ary 25.000 hakiho ny lavany ao atsimo: ho ao afovoany ny fitoerana masin’i Iaveh.
11
Ho an’ny mpisorona voahasina, taranak’i Sadôka, izay nanefa ny fanompoana Ahy, fa tsy mba nivily tamin’ny fotoana nivilian’ny zanak’i Israely, tahaka ny nivilian’ny Levita.
12
Ho anjara voatokana amin’ny tany izany: anjara masina indrindra eo amin’ny sisin-tanin’ny Levita.
13
Ny Levita no hanana ny manolotra ny tanin’ny mpisorona ka ho 25.000 hakiho ny lavany, 10.000 ny sakany; fa samy ho 25.000 hakiho avokoa ny lavany, ary 10.000 ny sakany.
14
Tsy misy azony amidy na atakalo izany; ny voaloham-bokatry ny tany koa tsy ho azo hamidy; fa masina ho an’i Iaveh izany.
15
Ny 5.000 sakany, navela mifanolotra amin’ny 25.000, dia ho tany tsy masina, homba ny tanàna, dia ho an’ny tanàna honenana sy ho an’ny tany malalaka manodidina akaikin’ny tanàna, ka dia ho eo afovoany, ny tanàna.
16
Izao no ho habeny: 4.500 ny lafiny avaratra; 4.500 ny lafiny atsimo; 4.500 ny lafiny atsinanana; 4.500 ny lafiny andrefana.
17
Dia hisy tany manodidina ny tanàna, dia ho 250 hakiho ny avaratra, 250 ny atsimo, 250 ny atsinanana, ary 250 ny andrefana.
18
Manaraka ny lavan’ny anjara masina, hamelàna 10.000 ny atsinanana, ary 10.000 koa ny andrefana, manaraka ny lavan’ny anjara masina; hatao sakafon’ny mpiasa ao an-tanàna ny vokany.
19
Ny mpiasa ao an-tanàna, alaina amin’ny fokon’i Israely rehetra, no hiasa izany tany izany.
20
Koa dia 25.000 hakiho amin’ny ilan’ny tany rehetra voatokana, ary 25.000 amin’ny ilany iray hafa, ny hatokanareo ho tany momba ny tanàna dia ampahefatry ny anjara masina izany.
21
Ho an’ny mpanapaka ny sisa: eo an-danin’ny anjara masina sy ny tany momba ny tanàna ary hatramin’ny 25.000 amin’ny anjara voatokana, ka hatramin’ny sisin-tany atsinanana, ary any amin’ny andrefana, hatramin’ny 25.000, ka hatramin’ny sisin-tany andrefana, mifanandrify amin’ny tany efa voazara; izany no ho anjaran’ny mpanapaka; ary ny anjara masina amam-pitoerana masin’ny trano no ho eo afovoany.
22
Izany hoe: hatramin’ny tanin’ny Levita sy ny tany momba ny tanàna, izany eo afovoan’ny anjaran’ny mpanapaka, dia an’ny mpanapaka avokoa, ny eo anelanelan’ny sisin-tanin’i Jodà sy ny sisin-tanin’i Benjamina.
23
Ny an’ny foko sisa kosa: hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an’i Benjamina.
24
Manolotra ny sisin-tanin’i Benjamina, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an’i Simeôna.
25
Manolotra ny sisin-tanin’i Simeôna, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana, anjara iray ho an’i Isakara.
26
Manolotra ny sisin-tanin’i Isakara, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana, anjara iray ho an’i Zabolôna.
27
Manolotra ny sisin-tanin’i Zabolôna, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an’i Gada.
28
Ny sisin-tany, amin’ny lafin’ny Negeba manolotra ny sisin-tanin’i Gada, dia hatrany Tamara no mankany amin’ny ranon’i Meribà any Kadesa, sy ny lohasahan-driaka mivarina amin’ny ranomasina lehibe, no ho faritry ny tany.
29
Izany no tany hozarainareo amin’ny filokàna hanananareo azy araka ny fokon’i Israely; ary izany avy no ho anjarany, - teny marin’ny Tompo Iaveh.
30
Izao avy no fivoahana avy eo an-tanàna: amin’ny lafiny avaratra, 4.500 hakiho no ho refiny, -
31
haka anarana amin’ny fokon’i Israely ny vavahady, - hisy vavahady telo: vavahadin-dRobena, iray; vavahadin’i Jodà, iray; vavahadin’i Levì, iray.
32
Amin’ny lafiny atsinanana, 4.500 hakiho, hisy vavahady telo: vavahadin’i Josefa, iray; vavahadin’i Benjamina, iray; vavahadin’i Dana, iray.
33
Amin’ny lafiny atsimo, 4.500 hakiho ny refiny, hisy vavahady telo: vavahadin’i Simeôna, iray; vavahadin’i Isakara, iray; vavahadin’i Zabolôna, iray.
34
Amin’ny lafiny andrefana 4.500 hakiho, hisy vavahady telo: vavahadin’i Gada, iray; vavahadin’i Asera, iray; vavahadin’i Neftalì, iray.
35
Ary 18.000 hakiho ny manodidina azy. Ary ny anaran’ny tanàna hatramin’izay dia hatao hoe: Iaveh no ao.
← Chapter 47
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48