bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 5
Ezekiel 5
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 6 →
1
Ary ianao, ry zanak’olona, makà lelan-java-maranitra, raiso izy ho harezan’ny mpanala volombava, dia ento mitety ny lohanao sy saokanao izy; raha efa izany, makà mizana fandanjàna, ka zarao izay voatapakao.
2
Ny ampahatelony dory amin’ny afo, eo afovoan’ny tanàna, rehefa tapitra ny andron’ny fahirano; ny ampahatelony, alao ka asio ny sabatra manodidina ny tanàna; ny ampahatelony aelezo ho amin’ny rivotra, fa hanatsoaka sabatra avy ao aoriana Aho.
3
Ary akao vitsivitsy izy, fonosy amin’ny sisin-dambanao;
4
ka io sisa io indray, analao, ka hatsipinao ao anaty afo, ka hodoranao amin’ny afo. Avy eo no ivoahan’ny afo ho amin’ny taranak’i Israely rehetra.
5
Izao no lazain’i Iaveh, Tompo: Iny ilay Jerosalema nataoko eo afovoan’ny firenena, ary faritany malalaka no manodidina azy.
6
Noho ny haratsiany anefa, nanohitra ny didiko mihoatra noho ny firenena izy, sy ny lalàko mihoatra noho ny tany manodidina azy, satria nanary ny didiko izy, ary tsy nandeha araka ny l?lako.
7
Koa izao no lazain’i Iaveh Tompo: Satria ianareo niodina mihoatra noho ny firenena manodidina anareo, tsy nandeha araka ny lalàko, tsy nanaraka ny didiko, ary tsy nanao araka ny fomba fanaon’ireo firenena manodidina anareo;
8
noho izany, izao no lazain’i Iaveh Tompo: Indro kosa Aho izao tamy hamely anao, Izaho no hanatanteraka eo afovoanao ny teny voatapaka eo imason’ireo firenena;
9
ary noho ny fahavetavetanao rehetra, dia zavatra tsy mbola nataoko, sady tsy hataoko intsony koa, no hataoko aminao;
10
noho izany, dia hisy ray hihinana ny zanany eo aminao; ary hisy zanaka hihinana ny rainy. Hampihatra fitsarana aminao Aho, ary haeliko any amin’ny vazantany rehetra, izay sisa eo aminao.
11
Koa amin’izany, velona Aho - teny marin’i Iaveh Tompo; - noho ianao nandoto ny fitoerako masina tamin’ny zava-mahamenatra amam-pahavetavetana rehetra nataonao; Izaho koa hanorotoro, ka tsy hanana antra ny masoko, ary tsy hamindra fo Aho.
12
Ny ampahatelon’ny zanakao, ho fatin’ny pesta na ho levon’ny mosary eo aminao; ny ampahatelony, ho lavon’ny sabatra eny manodidina anao rehetra eny; ary ny ampahatelony haeliko any amin’ny vazantany rehetra; sady hanatsoahako sabatra avy ato aoriana.
13
Dia hiala fo ny fahatezerako, ary haraniko mamely azy ireo ny fahavinirako, dia ho afa-po Aho, ary izy kosa hahalala, rehefa nampanaraniko namely azy ny fahatezerako, fa tamin’ny fahasaro-piaroko no efa nitenenako Izaho Iaveh.
14
Hatolotro halàm-baraka sy hampahorina any amin’ny firenena manodidina anao ianao, eo imason’ny mpandalo rehetra.
15
Rehefa avy izay hanatanterahako fitsarana aminao amim-pahatezerana amam-pahavinirana, sy amim-pamaizan’ny fahavinirako, ianao dia ho latsa sy henatra ary ho fananarana amam-pampitahorana ho an’ny firenena manodidina anao;
16
- Izaho Iaveh no milaza - rehefa alefako amin’izy ireo ny zana-tsipìka mandozan’ny mosary, izay enti-mandringana, ka halefako aminareo handringana anareo; fa hampitomboiko koa ny mosary eo aminareo, ary hotapahiko ny tehina mofo ho anareo.
17
Ary handefa mosary sy biby mandoza eo aminareo Aho, izay hanesotra aminao ny zanakao; hihatra aminao ny pesta amam-pandatsahan-dra, ary hataoko mifantaka aminao ny sabatra; Izaho no miteny.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48