bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 3
Ezekiel 3
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 4 →
1
Hoy Izy tamiko: «Ry zanak’olona, hano io hitanao eo anoloanao io; hano io taratasy io, dia mandehana miteny amin’ny taranak’i Israely.»
2
Nosokafako ny vavako dia nafahany ahy io taratasy io;
3
ka hoy izy tamiko: «Ry zanak’olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy ity taratasy atolotro anao ity ny tsinainao». Dia nohaniko izany, ka mamy hoatra ny tantely izy tao am-bavako.
4
Ary hoy Izy tamiko: «Ry zanak’olona, mandehana mankany amin’ny taranak’i Israely, ary lazao aminy ny teniko.
5
Fa tsy ho any amin’ny firenena hafa fiteny, na miboeriboeri-piteny, no anirahako anao; fa ho any amin’ny taranak’i Israely.
6
Tsy ho any amin’ny firenena maro hafa fiteny sy miboeriboeri-piteny, ka tsy ho azonao ny teniny, fa ho amin’izy ireo no anirahako anao; hahazo ny teninao izy.
7
Ary tsy hety hihaino anao ny taranak’i Israely, satria tsy mety mihaino Ahy izy, fa henjan-kandrina sy tsy vaky afero avokoa, ny taranak’i Israely.
8
Nefa, indro, efa nataoko mafy hoatra ny tarehiny ny tarehinao, ary mafy hoatra ny handriny, ny handrinao.
9
Nataoko hoatra ny diamondra ny handrinao, mafy noho ny vatolampy aza. Koa aza matahotra azy, na mangovitra eo anatrehany, fa taranaka miodina izy».
10
Hoy koa Izy tamiko: «Ry zanak’olona, alatsaho am-po avokoa ny teny holazaiko aminao, ary henoy amin’ny sofinao, izy.
11
Mandehana ianao mankany amin’ireo lasan-ko babo, dia any amin’ireo zanaky ny firenenao, ka mitenena aminy; lazao aminy hoe: ‹Izao no lazain’i Iaveh Tompo›, na hihaino izy ireo na tsy hihaino».
12
Dia nofaohin’ny Fanahy aho, ka injay nisy feo nikotrokotroka mafy reko tao ivohoko, nanao hoe: «Hankalazaina anie ny voninahitr’i Iaveh ao amin’ny fitoerana fonenany».
13
Reko ny fikapokapoky ny elatr’ireo zava-manana aina, nifandona, sy ny firohondrohon’ny kodiarana teo anilany, ary nisy feon-javatra nikotrokotroka mafy.
14
Nofaohin’ny Fanahy sy nentiny aho, ka lasa; fangidiana amam-pisafoahana no tao amin’ny fanahiko; ary ny tanan’i Iaveh nihazona ahy mafy.
15
Dia tonga tany Tel-Abiba aho, tany amin’ireo babo, nonina teo amoron’ny ony Kobara, sy tany amin’ny tany nonenany; ka nandritra ny hafitoana aho, dia ankona foana teo afovoan’izy ireo.
16
Nony afaka hafitoana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
17
«Ry zanak’olona, tendreko ho mpitily eo amin’ny taranak’i Israely ianao, hihaino ny teny haloaky ny vavako ianao; ary hananatra azy ireo amin’ny Anarako.
18
Raha Izaho milaza amin’ny ratsy fanahy hoe: ‹Ho faty tokoa ianao›; nefa ianao kosa tsy mananatra azy, tsy miteny mananatra azy, dia ho faty amin’ny helony ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin’ny tananao ny rany.
19
Fa rehefa nananatra an’ilay ratsy fanahy kosa ianao, fa izy no tsy nety niala amin’ny haratsiany aman-dalan-dratsiny; dia izy ihany no ho faty amin’ny helony; fa ianao kosa dia namonjy ny fanahinao.
20
Raha misy olo-marina miala amin’ny fahamarinana sy manao heloka, ka mametraka fandrika eo anoloany aho, dia ho faty izy; noho ianao tsy nananatra azy dia ho faty amin’ny fahotany izy; ny asa fahamarinana nataony kosa tsy hotsarovana intsony; ary ny rany kosa hadiniko amin’ny tananao.
21
Fa raha misy marina nanarinao tsy hanota, ka tsy nanota tokoa, dia ho velona tokoa izy, satria nahazo anatra; ary ianao koa, ho efa namonjy ny fanahinao».
22
Teo amiko ny tanan’i Iaveh, ary hoy Izy tamiko: «Mitsangàna ianao, mankanesa any an-tany lemaka, fa any no hitenenako aminao».
23
Nitsangana aho nankany an-tany lemaka, dia indro teo ny voninahitr’i Iaveh, tahaka ilay voninahitra efa hitako tany amin’ny ony Kobara; ka lavo niankohoka terỳ aho.
24
Niditra tato anatiko ny Fanahy, ka nataony mijoro amin’ny tongotra aho; ary niteny tamiko i Iaveh nanao hoe: «Mandehana mirindrin-trano ao aminao.
25
Fa indro ianao, ry zanak’olona, hasiana tady hafatotra, ary tsy ho afa-mivoaka ho any amin’izy ireo.
26
Haraikitro amin’ny lanilaninao ny lelanao, ka ho moana ianao, dia tsy ho mpaniny azy ireo, satria taranaka miodina izy.
27
Rehefa hiteny aminao Aho, dia hosokafako ny vavanao, ka hilaza amin’izy ireo ianao hanao hoe: ‹Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Izay mety hihaino, aoka hihaino; ary izay tsy mety aoka tsy hihaino; fa taranaka miodina izy ireo.› »
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48