bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 31
Ezekiel 31
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 32 →
1
Tamin’ny taona faha-11, volana fahatelo, andro voalohan’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
2
Ry zanak’olona, lazao amin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta sy amin’ny vahoakany maro hoe: Tahaka an’iza moa ianao, amin’ny fahalehibeazanao?
3
Indro fa i Asora dia hazo sedera any Libàna, tsara rantsana, be alokaloka, avo vatana, ary mitehika amin’ny rahona ny tendrony.
4
Ny rano be nampitombo azy, ny rano lalina, nahalehibe azy, tamin’ny nampandehanany ny oniny, tamin’ny manodidina ny fitoerana nambolena azy, sy tamin’ny nandefasany ny sakeli-dranony, ho ao amin’ny hazo rehetra any an-tsaha.
5
Noho izany ny vatany nijoroaka, lasa avo noho ny hazo rehetra any an-tsaha; ny sampany nihalehibe; ny rantsany, nihalava, noho ny habetsahan’ny rano, tamin’ny fotoana nitomboany.
6
Ny voromanidina rehetra, nanao akany teo amin’ny sampany; ny biby rehetra any an-tsaha, niteraka teo ambanin’ny rantsany; ny firenena maro no nipetraka teo ambany alokalony.
7
Nahatsara tarehy azy ny fahalehibeazany, sy ny halavan’ny sampany, fa latsaka lalina tao amin’ny rano betsaka ny fakany.
8
Ny sedera ao amin’ny sahan’Andriamanitra, tsy nahamatroka azy; ny sipresa, tsy nahatoraka ny sampany; ary ny platàna tsy tahaka ny rantsany; ary ny hazo tao amin’ny sahan’Andriamanitra, tsy nisy tsara tarehy toa azy.
9
Nataoko tsara tarehy izy amin’ny hamaroan’ny rantsany, ka hialona azy avokoa ny hazo rehetra ao Edena, dia izay rehetra ao amin’ny sahan’Andriamanitra.
10
Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: satria izy nisandratra ho avo, sy nanandratra ny tendrony hatrany amin’ny rahona, ary niavonavona noho ny fisandratany ny fony,
11
dia natolotro izy ho eo an-tanan’ny andriamanitry ny firenena hataony amin’izay sitrapony; noroahiko izy, noho ny haratsiany.
12
Notapahin’ny hafa firenena - firenena masiaka indrindra amin’ny firenena, - navelany teo izy; teny an-tendrombohitra aman-dohasaha rehetra teny no niampatramparan’ny sampany; ny rantsany tapaka nitsingidina teny amin’ny mason-driaka rehetra amin’ny tany; nihataka niala tamin’ny alokalony ny firenen’ny tany rehetra, ka dia nandao azy avokoa.
13
Ny tapatapany ahatongavan’ny voromanidina rehetra hipetraka, ary ny rantsany itsofohan’ny biby rehetra any an-tsaha:
14
mba tsy hisy hazo voavoly amin’ny rano, hisondrotra ho avo, sy hanandratra ny tendrony hatrany amin’ny rahona, ary mba tsy hisy amin’izay mifo-drano, hatoky tena noho ny fiavonavonany; fa izy rehetra, samy voatendry ho faty, ho any ambanin’ny tany, hiharo amin’ny zanak’olombelona, dia amin’izay midina any an-davaka.
15
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tamin’ny andro nidinany ho any amin’ny Seoly, nampanao fisaonana Aho; ny rano lalina nosaronako, noho ny aminy; ny ony mandeha najanoko; ny rano be, niato; i Libàna nampanjomboniko, noho ny aminy; ary ny hazo any an-tsaha, nilofika avokoa noho ny aminy.
16
Nataoko nihorohoro ny firenena, tamin’ny fiezinezin’ny fianjerany, tamin’ny namarinako azy ho any amin’ny Seoly, miaraka amin’ireo midina any an-davaka. Nianina tany ambanin’ny tany ny hazon’i Edena rehetra, ny tsara tarehy sy kanto indrindra tany Libàna, dia izay rehetra bobo-drano.
17
Niara-nidina taminy koa ireo, ho any amin’ny Seoly, nankany amin’ireo matin’ny sabatra, izay sandriny, sy nipetraka teo amin’ny alokalony, teo afovoan’ny firenena.
18
Koa iza no itovizanao voninahitra amam-pahalehibeazana, ireo hazon’i Edena? Havarina ianao miaraka amin’ny hazon’i Edena any ambanin’ny tany; hamparina eo amin’ireo tsy voafora, miaraka amin’ireo voatrobaky ny sabatra. Izany no hanjò an’i Faraôna, mbamin’ny vahoakany maro, - teny marin’ny Tompo Iaveh.-
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 32 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48