bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 7
Ezekiel 7
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 8 →
1
Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
2
Ary ianao, ry zanak’olona, izao no lazain’i Iaveh Tompo, amin’ny tanin’i Israely: Ny fiafarana! Tamy ny farany amin’ny vazantany efatra!
3
Ankehitriny tamy aminao ny farany; efa hampanarana ny hatezerako hamely anao Aho; hitsara anao araka ny asanao; hampitambesatra ny fahavetavetanao rehetra aminao.
4
Ny masoko tsy hiantra anao, ary tsy hamindra fo Aho, fa hatambesatro aminao ny asanao; ary ho eo afovoanao ny fahavetavetanao; dia ho fantatrao fa Iaveh, Aho.
5
Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Loza safatsiroa! Loza! Injay izy tamy!
6
Injay tamy ny farany! Tonga ny farany! Mifoha hamely anao izy; injay izy tamy!
7
Tamy ny anjaranao, ry mponina amin’ny tany; tonga ny fotoana, akaiky ny andro! Fitabatabana!... fa tsy hobim-pifaliana eny an-tendrombohitra.
8
Ankehitriny Aho tsy ho ela intsony, dia hanampatra ny hatezerako aminareo; hanala fo ny fahavinirako aminao; hitsara anao araka ny asanao aho, ary hampitambesatra aminao, ny fahavetavetanao rehetra.
9
Ny masoko tsy hiantra anao, ary tsy hamindra fo Aho, hitambesatra aminao ny asanao; ho eo afovoanao ny fahavetavetanao. Dia ho fantatrareo fa Izaho Iaveh no mamely!
10
Indro ny andro, tamy izy; tonga ny anjaranao; mamòny ny tsora-kazo; mivelatra ny avonavona;
11
mitsangana ny fanaovana an-keriny, mba ho tsora-kazo hamelezana ny fanoherana ny fivavahana. Tsy hisy aminy ho voavela, na amin’ny hamaroany, na amin’ny fihahohahoany, tsy ho maresaka intsony.
12
Tonga ny fotoana, antomotra ny andro! Ny mpividy, aoka tsy hifaly; ary ny mpivarotra, aoka tsy halahelo, fa efa hipoahan’ny fahatezerana avokoa ny ankamaroany.
13
Ny mpivarotra tsy ho tonga tompon’ izay efa lafony indray, na mbola ho isan’ny velona aza izy; fa ny fahitana an’izay hanjò ny ankamaroany rehetra, tsy mba ho foanana, ary tsy misy maharo ny ainy, na iray aza, amin’ny helony.
14
Velona ny trômpetra, ary vonona ny zavatra rehetra; nefa tsy misy mandroso hiady ny olona, satria iharan’ny hatezerako avokoa ny ankamaroany.
15
Ny sabatra, eny ivelany; ny pesta sy mosary, ao anatiny; ary ny eo an-tanàna, ho levon’ny mosary sy ny pesta.
16
Na misy ho afa-mandositra aza amin’izy ireo, dia hirenireny eny an-tendrombohitra, toa voromahailala an-dohasaha, samy hitoloko noho ny helony avokoa.
17
Samy miraviravy tanana daholo, ary samy mitsonika ny lohalika rehetra ho rano.
18
Lasàka no hitafiany; horohoro no manarona azy; henatra no ho amin’ny tava rehetra, ary mibory ny loha rehetra.
19
Hariana eny an-dalambe ny volafotsiny, hataony hoatra ny zezika ny volamenany; tsy misy hahavonjy azy ny volafotsiny amam-bolamenany, amin’ny andron’ny fahatezeran’i Iaveh; tsy hamoky ny fanahiny amin’izany, izy, na hameno ny kibony amin’izany akory, fa izany indrindra no nahalavo azy tamin’ny faharatsiana.
20
Ireo firavany izay nihaingoany, dia nataony reharehany; namoronany ny fahavetavetany, dia ny sampiny. Koa dia hovako ho zezika daholo izany rehetra izany;
21
ary hatolotro ho babo eny an-tanan’ny hafa firenena, ho rembin’ny tsy tia fivavahana amin’ny tany; - ka holotoiny.
22
Haviliko tsy hijery azy ny tavako ka holotoin’olona ny rakitro, fa hidiran’ny olona mpanao an-keriny, ka holotoiny.
23
Omany ny gadra; fa feno heloka ny tany; ary feno fanaovana an-keriny, ny tanàna.
24
Hasaiko avy ny ratsy fanahy indrindra amin’ny firenena, haka ny tranon’izy ireo, hampitsahatra ny avonavon’ny mahery; ary ny fitoerany masina dia ho voaloto.
25
Mby akaiky ny fandravana; hitady fiadanana izy ireo, fa tsy hisy izany.
26
Ho avy ny loza tsindrian-doza, sy filazana vaovao tsindriam-pilazana; ka hitady fahitana amin’ny mpaminany izy ireo; ary tsy ho eo amin’ny mpisorona ny lalàna, na ny torohevitra eo amin’ny loholona.
27
Ny mpanjaka, ho rafitra misaona; ny mpifehy, hitafy falahelovana; ary ny tanànan’ny vahoakan’ny tany hangovitra; fa hasiako araka ny asany izy; ary hotsaraiko araka ny tandrify azy, dia ho fantany fa Iaveh Aho.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48