bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 27
Ezekiel 27
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 28 →
1
Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
2
Manaova hira fitomaniana an’i Tira ianao, ry zanak’olona,
3
ka lazao amin’i Tira hoe: Ianao ry ilay mitoetra eo amin’ny vava-ranomasina, izay nifankahazo varotra amin’ny firenena, any amin’ny nosy maro, izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tira ô, ianao nanao hoe: Baondy tsy resy aho amin’ny hatsaran-tarehy;
4
ny fanjakanao eo amin’ny ranomasina; izay nandrafitra anao, nanao anao ho tsara tarehy mahagaga.
5
Hazo sipresa avy any Sanira no nandrafetany ny hazo fisaka rehetra aminao; sedera nalaina tany Libàna, no nataony salazana ho anao.
6
Oaka avy any Basàna no nanaovany fivoy ho anao; ny bànao nataony tamin’ny ivoara voapetaka amin’ny boisy, avy amin’ny nosy Sitima.
7
Rongony fotsy madinika avy any Ejipta, mbamin’ny amborodaony no natao lain-tsambo ho anao, sady natao faneva ho anao; ny hiasinta sy ny lamba mena mangatrakatraka avy any amin’ny nosy Elisà no lamba temitra ho anao.
8
Ny mponina ao Sidona sy Arvada no mpivoy ho anao, ary ny olon-kendry izay eo aminao, ry Tira, no mpanamory ho anao.
9
Ny tranainy avy any Giblioma sy ny olon-kendriny dia teo aminao, mpamboatra ny vakivaky aminao. Tao aminao avokoa ny sambo aman-tsambo eny amin’ny ranomasina, hanakalo ny entam-barotrao.
10
Na Persa, na Lidianina, na Libianina, dia samy isan’ny miaramilanao. Ireny no lehilahy mpiadinao; nahantony teo aminao ny satroka fiarovana aman’ampinga, nampanetriketrika ny voninahitrao izy, mahamendrimendrika anao erỳ.
11
Ny terak’i Arvada sy ny miaramilanao dia teo ambonin’ny mandanao manodidina, ary lehilahy mahery no teo amin’ny tilikambonao; nahantony teo amin’ny mandanao manodidina ny ampingany, ka nahalavorary ny hatsaran-tarehinao.
12
I Tarsisa nifampivarotra taminao, tamin’ny hareny isan-karazany: volafotsy, vy, fira-potsy amam-pira-mainty, izay nataony vidin’ny entanao.
13
I Javàna, i Tobala, Mosòka, nifampivarotra taminao, ain’olona sy fanaka varahina, no nanefany ny volanao aminy.
14
Ry zareo taranak’i Tôgôrmà, dia soavaly mpitarika kalesy, soavaly fitaingina, ary mole, no nandoavany ny vidin’ny entanao.
15
Ny terak’i Dedana nifampivarotra taminao; ny varotra tamin’ireo nosy maro, teo am-pelatananao: ny naloany ho vidiny dia tandroka ivoara sy hazo mainty.
16
I Arama nifampivarotra taminao, ny amin’ny habetsahan’ny vokatrao; vatosoa, jaky, amborodao, rongony madinika, voahangy sy robisy no nanefany ny volanao aminy.
17
I Jodà sy ny tanin’i Israely nifampivarotra taminao, ny amin’ny varin’i Minîta, ny zava-manitra, ny tantely, ny diloilo, ny ditin-kazo manitra.
18
I Damasa nifampivarotra taminao, ny amin’ny habetsahan’ny vokatrao, sy ny habetsahan’ny fanananao, izay notakalozany ny divain’i Helbôna sy ny volon’sondrin’i Tsakara.
19
I Vedàna sy i Javàna any Ozaly, dia vy voatefy no nividianany ny entam-barotrao; kasy sy veromanitra no nanefany ny volanao aminy.
20
I Dedana nifampivarotra taminao ny amin’ny lamban-tsoavaly fanao hitaingenan-tsoavaly.
21
I Arabia sy ny andriana rehetra tany Sedara nifampivarotra taminao; ondry sy ondralahy aman’osilahy no nifampivarotany taminao.
22
Ny mpandranto avy any Sabà sy Reemà nifampivarotra taminao; izao zava-manitra tsara indrindra rehetra izao sy izao vatosoa isan-karazany rehetra izao mbamin’ny volamena koa no nandoavany ny vidin’ny entanao.
23
I Haràna, i Sene sy i Edena, ny mpandranto avy any Sabà, i Asora sy i Kelmàda nifampivarotra taminao:
24
zavatra fanao ravaka no nataon’ireo varotra taminao; kapaoty jaky, volomparasy, lamba misy amborodao volamena, vata fitoeram-pitafiana, tady mirandrana sady mafy, hazo fisaka sedera fandefasanao entana.
25
Ny sambon’i Tarsisa no niara-nandeha maro, nitatitra ny entanao. Tonga mpanefoefo sy be voninahitra ianao; teo amin’ny ranomasina.
26
Kanjo teo amin’ny rano be, izay nitondran’ireo mampiasa fivoy anao no namakian’ny rivotra avy atsinanana, anao, tao afovoan’ny ranomasina.
27
Ny harenao, ny varotrao, ny entanao, ny mpiantsambonao amam-panamory eo aminao, ny mpamboatra sambo sy ny mpanelanelam-barotrao, ny lehilahy mpiady rehetra izay eo aminao, mbamin’ny vahoaka zavon-tany izay eo afovoanao, dia ho latsaka ao anatin’ny ranomasina amin’ny andro hianjeranao.
28
Amin’ny fidradradradran’ny mpitondra sambonao ny morontsiraka hihorohoro.
29
Hidina hiala amin’ny sambony avokoa izay rehetra mampandeha fivoy, ny tantsambo sy ny mpitari-dalan-tsambo rehetra amin’ny ranomasina, ka hijanona eny an-tanety.
30
Hanandra-peo noho ny manjò anao sy handefa fidradradradràna mampalahelo; hanosim-bovoka ny lohany, ary hihosinkosina amin’ny lavenona.
31
Noho ny aminao izy ireo hibory loha, hitafy lasàka, ary amin’ny alahelon’ny fanahiny dia handrotsa-dranomaso ny amin’ny momba anao, dia ranomaso mangidy.
32
Ao anatin’ny alahelony izy ireo, hanao hira falahelovana anao, ka hitomany anao hanao hoe: Iza moa no tahaka an’i Tira, tahaka an’ilay tonga mangina, ao afovoan’ny ranomasina?
33
Fony nivoaka avy amin’ny ranomasina ny entanao, nahavoky firenena maro ianao; amin’ny habetsahan’ny harenao amam-barotrao, nampanan-karena ny mpanjakan’ny tany ianao.
34
Ankehitriny kosa rehefa ravan’ny ranomasina ianao, sady nazera any amin’ny fara fanambanin’ny riaka, ny entanao mbamin’ny vahoaka rehetra tao aminao, niara-drendrika taminao koa.
35
Ny mponina rehetra amin’ny nosy, talanjona noho ny aminao; ny mpanjakany raiki-tahotra; ny tarehiny niova endrika.
36
Ny mpandranto avy amin’ny firenen-kafa misitrîsitra aminao. Zary zava-mahatsiravina ianao; ka tsy misy intsony ianao mandrakizay!
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 28 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48