bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 30
Ezekiel 30
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 31 →
1
Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
2
Ry zanak’olona, maminania ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Midradradradrà ianareo! Endrey! izao andro izao!
3
Fa efa antomotra ny andro; antomotra ny andro ho an’i Iaveh! Andron-drahona! Io no fotoan’ny firenena!
4
Hisy sabatra ho tonga hamely an’i Ejipta; ary hisy fitebitebena mafy any Etiôpia, rehefa hiampatrampatra any Ejipta ny maratra ho faty, rehefa halaina ny hareny, sy horavana ny fanorenany.
5
Ny Etiôpianina, ny Libianina, ny Lidianina, ny hafa firenena isan-karazany, i Koba, sy ny zanaky ny tany vita fanekena, ho lavon-tsabatra miaraka aminy koa.
6
Izao no lazain’i Iaveh: Ho lavo ry zareo niankinan’i Ejipta, ary haetry ny fiavonavonan’ny heriny: Hatrany Migdôla ka hatrany Siena, dia ho lavon-tsabatra ny olona, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
7
Ho lao eo amin’ny tany lao izy; ary ho rava eo amin’ny tanàna rava ny tanànany.
8
Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho, raha avy izay handoroako an’i Ejipta sy hahatorotoro an’izay rehetra manampy azy.
9
Amin’izany andro izany, hisy iraka avy amin’ny Anarako handeha an-dakana hampitebiteby an’i Etiôpia izay mitoetra tsy amin’ahiahy, ka hisy fanahiana lehibe any aminy, toy ny tamin’ny andron’i Ejipta, fa indro tonga izy io.
10
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hampitsahatra ny tabataba ben’i Ejipta Aho, amin’ny tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna.
11
Izy mbamin’ny vahoakany miaraka aminy, firenena masiaka noho ny hafa rehetra, no hoenti-mandrava an’i Ejipta; hanatsoaka sabatra hamelezana an’i Ejipta izy, ka hameno faty ny tany.
12
Ny ony hovako ho tany maina; ny tany hatolotro eo an-tanan’ny olona masiaka; ary ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy, horavako, amin’ny tanan’ny hafa firenena. Izaho Iaveh no niteny.
13
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hofoanako ny sampim-betaveta, holevoniko ny andriamanitra tsy izy ao Nôfa, tsy hisy mpanapaka intsony, avy amin’ny tany Ejipta, ary hanidinako tahotra ny tany Ejipta.
14
I Patrôsa horavako; i Tsôana hodorako; i Nô, hanatanterahako fitsarana;
15
hampidina ny hatezerako amin’i Sina, trano mimandan’i Ejipta; ary hofongorako ny vahoaka be any Nô.
16
I Ejipta hodorako; i Sina, hiolanolana mijaly; i Nô halana an-keriny; ary i Nôfa, hanihim-pahavalo antoandrobe.
17
Ny zatovon’i Avena sy i Bobasta, ho lavon-tsabatra; ary ny tenan’izy ireo ho lasan-ko babo.
18
Ao Tafnesa ho maizina ny andro, raha avy izay hanapahako ao ny jiogan’i Ejipta, sy hitsaharan’ny fiavonavonan’ny heriny; ho voasaron-drahona izy, ary ho lasan-ko babo ny zanany vavy.
19
Hanao fitsarana an’i Ejipta Aho, ka ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho.
20
Tamin’ny taona faha-11, volana voalohany, andro fahafiton’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
21
Ry zanak’olona, ny sandrin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta, dia notapahiko, ka indro tsy notsaboina, tsy nasiam-panafody na nopetahana bandy, hitsaboana azy mba hahatanjaka azy, hahatan-tsabatra.
22
Ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho ho avy, amin’ny Faraôna mpanjakan’i Ejipta; hotapahiko ny sandriny roa, na ny mbola matanjaka na ilay efa tapaka, ary hataoko latsaka ny sabatra eny an-tanany.
23
Haeliko any amin’ny firenena ny Ejiptianina, ary hahahako any amin’ny tany.
24
Fa ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilôna, hohatanjahiko, ary ny sabatro, hataoko eo an-tanany; hotapahiko kosa ny sandrin’i Faraôna ka hitoloko eo anoloany izy, toy ny fitolokon’ny maratra ho faty.
25
Ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilôna, hohatanjahiko; ny sandrin’i Faraôna kosa hianjera; ary ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho, rehefa ataoko eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ny sabatro; ka hoentiny mamely ny tany Ejipta.
26
Haeliko any amin’ny firenena ny Ejiptianina, ary hahahako any amin’ny tany izy; dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho.
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 31 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48