bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 13
Ezekiel 13
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 14 →
1
Tonga ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
2
Ry zanak’olona, maminania mamely an’ireo mpaminanin’i Israely izay maminany; ka lazao amin’ireo izay maminany avy amin’ny safidim-pony ihany hoe: Mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo:
3
Izao no tenin’i Iaveh Tompo: Loza ho an’ny mpaminany adala, izay manaraka ny sainy fotsiny, fa tsy mahita na inona na inona!
4
Toy ny fosa an-tanàna haolo dia toy izany ny mpaminaninao, ry Israely ô!
5
Tsy niakatra ho eo amin’ny banga ianareo, na nanangana manda manodidina ny taranak’i Israely, mba hifaharany amin’ny ady, amin’ny andron’i Iaveh.
6
Fahitana tsy misy fotony ny azy, ary faminaniana mamitaka no an’ireo manao hoe: «Teny marin’i Iaveh»; nefa izy ireo tsy nirahin’i Iaveh, ary tsy mahazo manantena ny hahatanteraka ny teniny.
7
Tsy fahitana foana va no hitanareo, tsy faminaniana lainga va no lazainareo, raha hoy ianareo: «Teny marin’i Iaveh!» nefa Aho tsy nilaza tsinona?
8
Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ianareo milaza zava-poana, sady fahitana lainga, ny anareo, dia indro Aho ho tonga atỳ aminareo - Teny marin’i Iaveh. -
9
Ny tanako hamely an’ireo mpaminany mahazo fahitana tsy misy fotony, sy faminaniana lainga: tsy ho eo amin’ny mpanolo-tsaina ny vahoakako izy; na ho voasoratra amin’ny bokin’ny taranak’i Israely; ary tsy hiditra ao amin’ny tanin’i Israely; - dia ho fantatrareo fa Iaveh Tompo Aho, -
10
noho izy ireo nandrebireby ny vahoakako, nanao hoe: «Fiadanana!» nefa tsy nisy fiadanana tsinona. Manao manda ny vahoakako, dia indreny izy mandalotra sokay an’izany!
11
Dia lazao amin’izay mandalotra sokay fa hirodana ny manda. Ho avy ny ora-mahery! Milatsaha, ry havandra vato! Mifofofofoa, ry tafio-drivotra!
12
Indro, nirodana ny manda! Tsy hilazan’ny olona va ianareo, hataony hoe: «Aiza ity sokay nandaloranareo azy?»
13
Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Izaho hampifofofofo tafio-drivotra noho ny fahavinirako; hahatonga ora-mahery, noho ny hatezerako; sy havandra vato handringana, noho ny fahavinirako.
14
Harodako ny manda nolalorinareo sokay; hazerako amin’ny tany izy; ka hihanjahanja eo ny fanambaniny; hirodana izy, ary ianareo ho faty eo amin’ny antontany; dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.
15
Hanala fo ny hatezerako amin’ny manda Aho, sy amin’izay nandalotra sokay azy, ary hilaza aminareo hoe: Tsy misy intsony ny manda! Tsy misy intsony ireo olona nandalotra sokay azy,
16
dia ireo mpaminanin’i Israely, izay naminany ny amin’i Jerosalema, sy nahita fahitana hoe ho fiadanana ho azy; nefa tsy nisy fiadanana tsinona; - Teny marin’i Iaveh Tompo. -
17
Ary ianao, ry zanak’olona, atodiho ny tavanao, hanandrina ireo zanaka vavin’ny firenenao, izay maminany araka ny sitrapony; ka maminania famelezana azy hoe:
18
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Loza ho an’ireo vehivavy manjaitra ondana, ho an’ny famavanin-tanana rehetra; sy manao ondana ho an’ny loha samy hafa habe rehetra; mba hihaza fanahy amin’ny fandrika. Ny fanahin’ny oloko ve, hosamborinareo amin’ny fandrika, ary ny fanahinareo kosa ho velona!
19
Efa nanala voninahitra Ahy teo amin’ny oloko ianareo, hahazoanareo ny eran-tanan’ila, ary hahazoanareo sombi-mofo, ka dia mamono ny fanahy tsy tokony ho faty; sy mamelona ny fanahy tsy tokony ho velomina; dia mamitaka amin’izany ny oloko izay mihaino ny lainga.
20
Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro halàko ny ondanareo, izay nataonareo fandrika hihazàna fanahy, ka hataoko lasa manidina ireny; hotriariko ireo ondana ireo, hiala eo amin’ny sandrinareo, ary hanafaka ny fanahy nohazainareo tamin’ny fandrika Aho, mba ho afa-manidina ireny.
21
Hotriariko ny ondanareo; ary hotsoahiko eo amin’ny tananareo ny vahoakako; ka tsy ho haza eny an-tananareo intsony izy; dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.
22
Noho ianareo mampahory ny fon’ny marina amin’ny lainga, nefa Izaho kosa tsy nampahory azy; sy noho ianareo nankahery ny ratsy fanahy, mba tsy hiverenany avy amin’ny lalan-dratsiny hahavelona azy;
23
noho izany, tsy hahazo fahitana foana intsony ianareo, na hahazo hitsak’andro intsony; hotsoahiko eo amin’ny tananareo ny vahoakako, dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48