bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 21
Ezekiel 21
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 22 →
1
Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
2
Ry zanak’olona, atodiho mankany Temàna ny tavanao; ataovy mijojo mankany atsimo ny teninao, ary manaova faminaniana manohitra ny alan’ny tany atsimo,
3
lazao amin’ny ala atsimo hoe: Henoy ny tenin’i Iaveh! Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho handrehitra afo eo afovoanao, ary dia handevona ny hazo maitso rehetra eo aminao, mbamin’ny hazo maina rehetra: tsy ho faty ny lelafo mahamay, ka ho levona avokoa izay rehetra eo amin’ny vohon’ny tany, hatrany atsimo ka hatrany avaratra.
4
Dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Iaveh no nandrehitra izany, ka tsy ho faty izy.
5
Ary hoy Aho: Indrisy, ry Tompo Iaveh ô, hoy ny filazan’izy ireo ahy: Tsy manao fanoharana va Izy?
6
Dia tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
7
Ry zanak’olona, atodiho mankany Jerosalema ny tananao; ary ataovy mijojo mankamin’ny fitoerana masina ny teninao; ary manaova faminaniana manohitra ny tanin’i Israely;
8
lazao amin’ny tanin’i Israely hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Indro Aho tonga ho atỳ aminao; hotsoahiko amin’ny tranony ny sabatro, ka haringako ny marina sy ny meloka eo aminao.
9
Ary satria handringana ny marina sy ny meloka eo aminao Aho, noho izany dia hitsoaka avy amin’ny tranony ny sabatro hamely ny nofo rehetra, hatrany atsimo ka hatrany avaratra.
10
Dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Iaveh no nanatsoaka ny sabatro tamin’ny tranony; ka tsy hiditra ao intsony izy.
11
Ary ianao, ry zanak’olona, midridridridria; mandra-pahatapa-balahana anao amim-pangidiana, midridridridria eo imasony.
12
Ary rehefa hilaza aminao izy ireo hanao hoe: «Nahoana no midridridridry ianao?» Valio hoe: «Noho ny zava-baovao ho avy; fa hivarahontsana ny fo rehetra; hiraviravy ny tanana rehetra; ho velona ahiahy ny saina rehetra; hilefaka toy ny rano, ny lohalika rehetra. Indro, avy izany, ka efa tanteraka, - teny marin’ny Tompo Iaveh.» -
13
Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
14
Ry zanak’olona, maminania ka ataovy hoe; Izao no lazain’i Iaveh: lazao hoe: Ny sabatra, ny sabatra efa voaranitra sady voafotsy:
15
voaranitra izy, handringanana; voafotsy izy, mba handefa tselatra manjopelaka. Sa hifaly va isika, hanao hoe: Vingavingain’ny tehim-panjakan’ny zanako, ny hazo rehetra?
16
Nomena hofotsiana izy, mba horaisin-tanana; sabatra voaranitra izany, sabatra voafotsy izany, mba hatolotra eo an-tanan’ny mpanompo.
17
Mikiakiaha sy midradradradrà, ry zanak’olona, fa ho amin’ny vahoakako izany sabatra izany, ho amin’ny lehibe rehetra, eo amin’i Israely. Voatolotra ho an’ny sabatra izy ireo, mbamin’ny vahoakako; koa dony ny fenao.
18
Fa efa vita ny fizahan-toetra: ka ahoana indray? Na mbola mamingavinga ihany aza izany tehim-panjakana izany, koa tsy hahatanterahan’ny fandrahonako va izany? - teny marin’ny Tompo Iaveh! -
19
Ary maminania ianao, ry zanak’olona, ka mitehafa tanana: Aoka ho avo roa heny, telo heny aza, ny famelezan’ny sabatra! Dia ny sabatra famonoana, ny sabatra famonoam-be no manodidina azy.
20
Mba hahareraka ny fo, sy hahamaro ny hovonoina, dia ny vavahady rehetra no nametrahako ny sabatra mamono. Indro, voavoatra izy, mba handefa tselatra, voaasa izy, mba handringanana!
21
Hodin-kavanana! Hodin-kavia! Atrika, atsỳ, arỳ!
22
Izaho koa, hiteha-tanana, sy hanarana ny hatezerako. Izaho Iaveh, no efa niteny.
23
Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
24
Manorita ianao, lalan-droa halehan’ny sabatry ny mpanjakan’i Babilôna, ry zanak’olona; ataovy avy amin’ny tany iray ihany izy roa ireo; ary manorita famantarana, ka eo an-dohan’ny lalan’ny tanàna anankiray no sorito izany.
25
Manorita lalana halehan’ny sabatra ho any Rabata, renivohitry ny taranak’i Amôna, na ho any amin’i Jodà, hamely an’i Jerosalema, tanàna mimanda.
26
Fa ny mpanjakan’i Babilôna, nijanona teo an-tsampanan-dalana, eo an-dohan’ny lalan-droa, mba hanao sikidy: ka manetsiketsika ny zana-tsipikany, manontany amin’ny terafima, mizaha amin’ny atinkena.
27
Eo an-tanany ankavanana ny sikidy Jerosalema, hanangana lohondry vy hamely ny manda, handoaka fidirana amin’ny banga, hanandra-peo amin’ny akoran’ady, hanangana lohondry vy hamelezana ny vavahady, hanandratra tovon-tany, hanorina manda.
28
Faminaniana lainga ihany izany, eo imason’izy ireo; manana ny faminaniana masina indrindra hiaro azy izy ireo; nefa hampahatsiaroviny azy ny helony taloha, rehefa voasambotra izy.
29
Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ianareo nampahatsiaro ny helokareo, tamin’ny nampihariharinareo ny hadisoanareo sy nanehoanareo ny fahotanareo tamin’izay rehetra nataonareo, ka nanao izay hahatsiarovanareo anareo, dia nosamborin-tanana ianareo.
30
Ary ianao, ry ilay afa-pahamasinana, mpanjaka ratsy fanahin’i Israely, efa tonga ny andronao, amin’izao ipahan’ny fotoanan’ny faharatsiana;
31
ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Ny hamama halàna; ny satroboninahitra hesorina; hakorontana izao rehetra izao; ny iva hasandratra, ny avo haetry.
32
Hataoko rava dia rava dia rava izany; tsy ho eo intsony izany, mandra-piavin’ilay Tompon’ny fitsarana, izay hametrahako sy homeko an’izany.
33
Ary ianao, ry zanak’olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh mamely ny taranak’i Amôna, sy ny amin’ny faniratsirany. Lazao hoe: Ny sabatra, ny sabatra efa voatsoaka handringana: voafotsy izy handevona sy handefa tselatra,
34
- dia ny mbola ahitana zava-poana ianao, sy fambara mamitaka, hampiraisana toerana anao amin’ny fatin’ny ratsy fanahy voatolotra ho an’ny sabatra, fa efa tonga ny androny amin’izao ipahan’ny fotoanan’ny faharatsiana.
35
Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; fa eo amin’ny toerana nahariana anao, eo amin’ny tany nahaterahanao, no hitsarako anao.
36
Hampidiniko aminao ny havinirako; hotsofiko aminao ny afom-pahatezerako; ary hatolotro eo an-tanan’ny olona adala ianao, sy amin’ny mpanao fandringanana.
37
Hohanin’ny afo ianao, ny ranao dia ho eo afovoan’ny tany, ary ianao tsy hotsarovan’ny olona; fa Izaho Iaveh no niteny.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48