bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 46
Ezekiel 46
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 45
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 47 →
1
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hikatona ny alo-baravarana amin’ny kianja anatiny mitodika miantsinanana, amin’ny andro enina azo iasana; fa hivoha kosa izy amin’ny andro sabata; hivoha koa izy amin’ny andro voalohan’ny volana.
2
Ny mpanjaka hiditra avy any ivelany, ho any amin’ny efitrano fidirana ao amin’ny alo-baravarana, ka hijanona eo anilan’ny tolàn’ny alo-baravarana; ireo mpisorona kosa, hanatitra ny sorona dorany sy ny sorona fisaorany. Hiankohoka eo amin’ny tokonan’ny alo-baravarana izy, dia hivoaka; ary ny alo-baravarana tsy hakatona mandra-paharivan’ny andro.
3
Ny vahoakan’ny tany hiankohoka eo anoloan’izany alo-baravarana izany, eo anatrehan’i Iaveh amin’ny sabata sy ny voalohan’ny volana.
4
Ny sorona dorana, haterin’ny mpanapaka ho an’i Iaveh amin’ny andro sabata, dia zanak’ondry tsy misy kilema, enina, sy ondralahy iray tsy misy kilema.
5
Ary ny hatao fanatitra, dia lafarina iray efah momba ny ondralahy: ny hatao fanolorana momba ny zanak’ondry, dia izay hafoiny, miaraka amin’ny diloilo iray hina, isaky ny iray efah.
6
Ny hateriny amin’ny andro voalohan’ny volana kosa dia vantotr’ombalahy iray tsy misy kilema, zanak’ondry enina sy ondralahy iray tsy misy kilema.
7
Hanome fanatitra iray efah isan’ny ondralahy iray; ary ny amin’ny zanak’ondry dia izay azony afoy miaraka amin’ny diloilo iray hina isaky ny iray efah.
8
Raha miditra ny mpifehy, dia hihazo eo amin’ny efitrano fidirana amin’ny alo-baravarana, ary amin’io lalana io ihany koa no hivoahany.
9
Raha miditra ho eo anatrehan’i Iaveh ny vahoakan’ny tany amin’ny fety lehibe, izay miditra amin’ny alo-baravarana avaratra, hiankohoka, dia hivoaka amin’ny varavarana atsimo; ary izay miditra amin’ny alo-baravarana atsimo, hivoaka amin’ny alo-baravarana avaratra; tsy hiverina amin’izay alo-baravarana nidirany izy, fa amin’izay tandrifiny no hivoahany.
10
Ny mpifehy koa hiditra miaraka amin’izy ireo, sy hivoaka toy ny hivoahan’izy ireo.
11
Amin’ny fety amam-pety lehibe, ny fanatitra dia iray efah isan’ombalahy iray, sy iray efah isan’ondralahy iray, ary izay afoin’ny mpifehy ihany kosa momba ny zanak’ondry, miaraka amin’ny diloilo iray hina isaky ny iray efah.
12
Raha hanatitra fanatitra an-tsitrapo ny mpifehy, na sorona dorana na sorona fisaorana izany, dia fanatitra an-tsitrapo ho an’i Iaveh, dia hamohana ny alo-baravarana mitodika miantsinanana izy. Dia hanatitra ny sorona dorany na ny sorona fisaorana izy, toy ny fanaony amin’ny andro sabata, dia hivoaka izy, dia harindrina ny vavahady, rehefa tafavoaka izy.
13
Hanatitra zanak’ondry iray, efa iray taona, tsy misy kilema ianao, ho sorona dorana isa-maraina ho an’i Iaveh; isa-maraina no hanateranao izany.
14
Hanatitra koa isa-maraina miaraka amin’izay, fanatitra, dia ampahenin’ny efah, sy diloilo ampahatelon’ny hina, handemana ny lafarina tsara indrindra ho fanolorana ho an’i Iaveh: lalàna maharitra mandrakizay izany.
15
Haterina isa-maraina ny zanak’ondry sy ny fanatitra miaraka amin’ny diloilo; izany no sorona dorana tsy tapaka.
16
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Raha ny iray amin’ny zanany no toloran’ny mpifehy fanomezana, dia ho lovan’ny zanany izany fanomezana izany; ho zara lovany no hananany an’izany.
17
Fa raha ny iray amin’ny mpanompony kosa no tolorany fanomezana avy amin’ny lovany, dia ho an’ny mpanompo ihany izany fanomezana izany, mandra-pahatongan’ny taona fahafahana; fa rehefa afaka izany, dia hiverina amin’ny mpifehy indray izany, ka ny zanany ihany no hanana ny lovany.
18
Tsy haka ny lovan’ny olona amin’ny fandroahana azy an-keriny hiala amin’ny zara taniny ny mpifehy; fa ny taniny ihany no hanomezany lova ho anjarany, mba tsy ho voaroaka ny vahoakako samy hiala amin’ny taniny avy.
19
Nentiny aho nihazo tamin’ny fidirana eo anilan’ny alo-baravarana ho ao amin’ireo efitrano masina natokana ho an’ny mpisorona, dia ireo efitrano mitodika mianavaratra; ary indro, nisy fitoerana teo amin’ny farany anatiny, amin’ny ilany andrefana.
20
Ka hoy izy tamiko: Eto no fandrahoan’ny mpisorona ny sorona natolotra noho ny fahadisoana sy noho ny ota, sy hanendasany ny fanatitra, mba tsy hitondrany azy ho any amin’ny kianja ivelany, hanamasina ny vahoaka.
21
Dia nentiny nivoaka ho ao amin’ny kianja ivelany aho, ka nentiny nankao amin’ny zorony efatra amin’ny kianja, ary indro isaky ny zoron’ny kianja, nisy tokotany.
22
Tokotany voafefy no teo amin’ny zorony efatra amin’ny kianja, 40 hakiho ny lavany, ary 30 ny sakany; ireo tokotany amin’ny zorony efatra ireo, dia mitovy refy.
23
Misy fefy manodidina azy efatra ary misy fatana fandrahoana natao teo am-pototr’ireo fefy manodidina.
24
Ary hoy izy tamiko: Ireto no trano fandrahoana handrahoan’ny mpanompon’ny trano ny hena avy amin’ny sorona nataon’ny vahoaka.
← Chapter 45
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 47 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48