bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 29
Ezekiel 29
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 30 →
1
Tamin’ny taona faha-10, volana faha-10, andro faha-12n’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
2
Ry zanak’olona, atodiho mankany amin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta ny tavanao, ka maminania ny aminy sy ny amin’i Ejipta manontolo.
3
Mitenena ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro ho avy ao aminao Aho, ry Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, ianao ilay mamba makadiry, mandry eo afovoan’ireo oninao, sy nanao hoe: «Ahy ny oniko, fa izaho no nanao azy ho an’ny tenako.»
4
Hanisy farango ny valanoranonao Aho, hampiraikitra ny hazandrano ao amin’ny oninao, amin’ny kiranao, ary hampiakatra anao avy ao amin’ny oninao, dia ianao mbamin’ny hazandranon’ny oninao rehetra tafaraikitra amin’ny kiranao.
5
Hatsipiko any an’efitra ianao, mbamin’ny hazandrano rehetra ao amin’ny oninao; dia hiankarapoka eny an-tampon-tanety, ary tsy hisy hanarina na hanangona, fa efa nomeko hohanin’ny biby eny an-tsaha sy ny voromanidina.
6
Dia ho fantatry ny mponina rehetra any Ejipta fa Iaveh Aho: - satria efa tehina volotara ho an’ny taranak’i Israely izy ireo.-
7
Raisiny amin’ny tanana ianao, dia tapaka, sady mandrotidrotika ny sorony rehetra; mitehina aminao indray izy, dia folaka ianao, ataonao tafatehina amin’ny valahany avokoa.
8
Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro hahatonga sabatra hamely anao Aho, ary handringana ny olona sy ny biby eo aminao;
9
ka ho zary tany lao sy efitra ny tany Ejipta. Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho. Noho i Faraôna nanao hoe: «Ahy ny ony, ary izaho no nanao azy»,
10
noho izany dia indro Aho ho avy ao aminao sy ny oninao; ka ataoko zary zavatra rava sady foana no nidiran-doza ny tany Ejipta, hatrany Migdôla ka hatrany Siena, ary hatrany amin’ny sisin’ny tanin’i Etiôpia.
11
Tsy hodiavin-tongotr’olona intsony eo; ary ny tongo-biby tsy handia azy, ary tsy hisy mponina eo, mandritra ny efapolo taona.
12
I Ejipta, hataoko tany foana eo amin’ny tany lao rehetra; ary ny tanànany, eo afovoan’ny tanàna rava, dia ho tany lao foana mandritra ny efapolo taona; haeliko any amin’ny firenena ny Ejiptianina, ary hahahako any amin’ny tany samihafa izy.
13
Fa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Rehefa tapitra ny efapolo taona, hangoniko ny Ejiptianina avy any amin’ny firenena nielezany,
14
haveriko indray ireo voababo avy any Ejipta, ka hampodiko amin’ny tany Patrôsa, any amin’ny tany niaviany, ary ao izy dia ho fanjakana ambanimbany.
15
Ho fanjakana ambany i Ejipta, raha samy fanjakana, ary tsy hisandratra ho ambonin’ny firenena, hohavitsiko ny isany, mba tsy hanapahany ny firenena.
16
Tsy ho fitokian’ny taranak’i Israely intsony izy; hampahatsiarovina azy ny heloka nataony, tamin’ny nitodihany nankany aminy; dia ho fantatry ny olona fa Tompo Iaveh Aho.
17
Tamin’ny taona faha-27, volana voalohany, andro voalohan’ny volana, dia tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
18
Ry zanak’olona, i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, nampanao fanompoana mafy ny miaramilany, namely an’i Tira; tonga sola avokoa ny lohany, mangana avokoa ny sorony; nefa tsy nahazo karama kely akory tamin’i Tira, na ho an’ny tenany na ho an’ny miaramilany tamin’ny fanompoana nataony, namelezany azy.
19
Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro omeko an’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, ny tany Ejipta, ka halainy ny hareny ao; hobaboiny izay azo baboina ao; horobainy izay babo ao, ary hoentiny izay remby azo aminy, dia ho karama izany ho an’ny tafiny.
20
Ho valin’ny asa nataony namelezany an’i Tira, omeko azy ny tany Ejipta; satria niasa ho Ahy izy ireo - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
21
Amin’izany andro izany, hampaniriako tandroka ny taranak’i Israely, ary hampiloa-bava anao Aho eo amin’izy ireo; ka ho fantany fa Iaveh Aho.
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 30 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48