bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Proverbs 1
Proverbs 1
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 2 →
1
Ohabolan’i Salômôna zanakalahin’i Davida sady mpanjakan’i Israely.
2
Ireo ohabolana ireo dia hahalalan’ny olona ny fahendrena amam-panabeazana, sy hahatakarany teny hahaiza-manavaka,
3
ary hahazoany fanabeazana mahiratra momba ny fahamarinana sy rariny ary fahitsiana.
4
Anomezam-pahamalinana ho an’ny olon-tsotra ireny ary fahalalana sy fahaiza-mandinika ho an’ny tanora.
5
Na dia ny hendry aza no mihaino ireny, dia hitombo traikefa izy, ary ny lalin-tsaina hahita torolalana
6
hahatakarana ohabolana sy fanoharana ary ny tenin’olon-kendry sy ny ankamantany.
7
Ny fanajana ny TOMPO no loharanom-pahalalana. Fa ny adala kosa manamavo fahendrena amam-panabeazana.
8
Henoy, anaka, ny fananaran-drainao ary aza lavina ny fampianaran-dreninao;
9
handravaka ny fiainanao izany ka toy ny fehiloha kanto eo an-dohanao ary koa toy ny rado eo am-bozonao.
10
Anaka, aza manaiky ianao, raha taomin’ny naman-dratsy
11
ka ilazany hoe: «Andao hiaraka aminay; aoka isika hanotrika handatsa-dra, ka hotampohintsika tsy ahoan-tsy ahoana hatramin’ny olon-tsy manan-tsiny aza.
12
Tahaka ny fitelin’ny toeran’ny maty no hitelemantsika azy mbola velona ka hanaovantsika azy telimoka ho toy ny olona midina any am-pasana.
13
Halaintsika avokoa ireo haren-tsarobidiny; ka hofenointsika babo ny tranontsika.
14
Dia hiombona anjara aminay ianao fa hiraisantsika rehetra ny kitapom-bolantsika!»
15
Anaka, aza mba miara-dalana amin’ny olona tahaka izany; halaviro ny lalan-kalehany.
16
Fa mihazakazaka ho amin’ny ratsy izy sady dodona erỳ handatsa-dra.
17
Tsy misy vokany ny famelaram-pandrika, raha toa ka hitan’ny voromanidina izany.
18
Ireny olon-dratsy ireny kosa dia manotrika handatsaka ny ran’ny tenany ihany; ka mamela-pandrika hamelezan-tena.
19
Toy izany no iafaran’izay rehetra fatra-pandroba, ka ipaohana ny ain’izay fatra-panao azy.
20
Miantso mafy eny ankalamanjana ny Fahendrena ka manandra-peo eny an-kianja malalaka.
21
Mitory eny amin’ny fihaonan-dalana be olona izy ka manambara eo am-bavahadin’ny tanàna hoe:
22
«Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo hakelezan-tsaina? Ry mpaniratsira, mandra-pahoviana no handalanareo faniratsirana? Ry adala, mandra-pahoviana no hankahalanareo fahalalana?
23
Miverena hihaino ny fananarako ianareo fa indro haidiko aminareo ny fanahiko ary hampahafantariko anareo ny teniko.
24
Efa niantso aho fa nolavinareo, efa nanolo-tanana anareo fa tsy nahoanareo.
25
Nolavinareo ny torohevitro rehetra ary tsy noraharahainareo ny anatro.
26
Izaho kosa mba hihomehy ny faharavanareo ary handatsa rehefa ho tonga aminareo ny tahotra.
27
Eny, ho tonga aminareo toy ny tafiodrivotra ny tahotra hiantonta toy ny rivodoza ny faharavanareo, ho tonga aminareo ny zava-mampahory sy mampitebiteby;
28
amin’izay no hisy hiantso ahy fa tsy hovaliako ary koa hisy hitady ahy fa tsy hahita.
29
Hiharan’izany tokoa ianareo, satria nankahala ny fahalalana ary tsy nifidy hanaja ny TOMPO
30
sady tsy nanaiky ny torohevitro ary naniratsira ny anatro rehetra.
31
Ny saim-pantatrareo sy ny vokatry ny fitondrantenanareo no hampizihi-kibo ka hankandoa anareo.
32
Fa ny di-doha no mahafaty ny kely saina ary ny fahatokian-tena no mahavery ny adala.
33
Izay mihaino Ahy kosa dia hitoetra amin-toky; eny, handry feizay izy ka tsy hanahy fahoriana.»
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31