bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Proverbs 18
Proverbs 18
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 19 →
1
Ny tia tena dia tsy mitady afa-tsy ny tombontsoany; fa mampisafoaka azy rehefa mety fanampiana.
2
Tsy mahaliana ny adala izay fahaiza-manavaka, fa ny haneho ny heviny hatrany no sitrany.
3
Ny haratsiam-panahy dia mahatonga fanesoana; ary ny toetra manala baràka dia arahin-kenatra.
4
Ny teny aloaky ny vavan’ny olona dia mety ho lalina toy ny ranomasina sy hamelombelona toy ny ranondriaka, ary mety ho loharanom-pahendrena.
5
Tsy tsara ny miandany amin’ny olon-dratsy mba hahatonga ny marina ho resy amin’ny fitsarana.
6
Mahatonga fifandirana ny tenin’ny adala, ary miantso kapoka ny zavatra lazainy.
7
Fandringanan-tena ny lazain’ny adala ary fandrika ho azy ny teny ataony.
8
Toa hani-matsiro ny tenin’ny mpanendrikendrika, ka any anaty kibo no mikorotsaka.
9
Izay malaina amin’ny asany dia efa naman’ny mpanimba zavatra.
10
Tilikambo mafy ny anaran’ny TOMPO, ka ny olo-marina miezaka ho ao dia voaaro tokoa;
11
ho an’ny mpanankarena kosa dia ny fananany no toa tanàna mafy, ary heveriny ho manda avo miaro azy tokoa izany.
12
Ny fireharehan’ny olona no mialoha ny faharavàny; fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.
13
Izay mamaly teny tsy henony akory dia hadalana sy henatra ho azy izany.
14
Ny toe-panahy mavitrika dia mandresy ny aretina; fa zovy kosa no hanarina ny toe-panahy kivy?
15
Ny fon’ny manan-tsaina maniry hahazo fahalalana, ary ny olon-kendry liana hihaino izany.
16
Ny fanomezana dia mamoha varavarana ny mpanolotra ary mampiditra azy eo anatrehan’ny lehibe.
17
Amin’ny fitsarana dia izay miteny aloha no toa marina, mandra-piavin’ny ankilany hanohitra ny voalazany.
18
Ny fanontsanan-kodiakely mety mampitsahatra fifandirana ary mamaha olana eo amin’ny samy mahery.
19
Sarotra kokoa noho ny mananika manda ny manatona rahalahy tafintohina; ary ny fifandirana dia mafy toy ny hidin-dapa.
20
Ny vokatry ny tenin’ny olona no hamelomany tena, eny, ny vokatr’izay lazainy no hivelomany;
21
ny mahafaty sy mahavelona dia miankina amin’ny teny, ka izay mankamamy miteny no hihinana ny vokany.
22
Izay mahita vady mahita fahasambarana; sady mahazo fanambinana avy amin’ny TOMPO izy.
23
Mitalaholaho ny mahantra, rehefa miteny; fa mihenjana kosa ny mpanankarena, rehefa mamaly.
24
Izay maro namana tsy maintsy ho sahirana, nefa misy sakaiza izay mifikitra noho ny mpiray tampo aza.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31