bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Proverbs 16
Proverbs 16
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 17 →
1
Fikasana no an’ny olombelona fa an’ny TOMPO kosa ny teny farany.
2
Ny olona mihevitra ny ataony ho mety avokoa; fa ny TOMPO no mitsara ny toe-panahy manesika azy.
3
Ankino amin’ny TOMPO ny asanao, dia ho tanteraka izay kasainao.
4
Samy misy antony avokoa ny zava-drehetra nataon’ny TOMPO; ka na dia ny ratsy fanahy aza dia nataony ho amin’ny androm-pamaizana.
5
Halan’ny TOMPO ny olona miavona; azo antoka fa hofaiziny ireny.
6
Manafa-keloka ny fitiavana sy ny toetra mahatoky; ary ny fanajana ny TOMPO no ialana amin’ny ratsy.
7
Rehefa sitraky ny TOMPO ny fitondrantenan’ny olona, na dia ny fahavalony aza ampihavaniny aminy.
8
Aleo manan-kely ombàm-pahamarinana toy izay ny karama be azo amin’ny tsy rariny.
9
Ny fon’ny olona no maminavina ny hizorany; fa ny TOMPO kosa no mandavorary ny diany.
10
Teny ombàm-pahefàn’Andriamanitra no ambaran’ny mpanjaka; ka tsy mba diso ny didim-pitsarana avoakany.
11
Araka ny TOMPO ny mizàna sy lela-mizàna marina; ary asany avokoa ireo vato tsy mandainga ao an-kitapo.
12
Halan’ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy, satria fahamarinana no iorenan’ny sezafiandrianany.
13
Filazana ny marina no sitraky ny mpanjaka, ary izay miteny mahitsy no tiany.
14
Ny fahatezeran’ny mpanjaka dia iraka mahafaty; fa ny hendry kosa no manao izay hitonian’izany.
15
Raha miran-tava ny mpanjaka, dia mamelombelona aina; ary ny hatsaram-pony dia toa rahona mitondra oram-pararano.
16
Aleo mahazo fahendrena toy izay mahazo volamena, ary aleo mahazo fahaiza-manavaka toy izay volafotsy.
17
Ny lalan’ny olo-mahitsy midify ny ratsy; izay mitandrina ny alehany no miaro ny ainy.
18
Ny fiavonavonana mialoha ny faharavana, ary ny fireharehana mialoha ny fahalavoana.
19
Aleo manetry tena miaraka amin’ny olona mahantra toy izay mizara babo miaraka amin’ny mpiavonavona.
20
Izay mahay mandini-draharaha no hahita soa; ary izay matoky ny TOMPO no ho sambatra.
21
Izay hendry fanomban-javatra no atao hoe manan-tsaina; ary ny teny mamy no maharesy lahatra kokoa.
22
Loharanom-piainana ho an’izay manana azy ny fahaizana; fa ny hadalàny ihany no manafay ny adala.
23
Ny hendry mieritreritra aloha vao miteny, ka mahatonga ny teniny haharesy lahatra kokoa.
24
Ny teny mamy dia toy ny toho-tantely, ka sady hafinaretam-panahy no fahasalamam-batana.
25
Misy toetra heverin’ny olona ho mahitsy kanjo mankany amin’ny fahafatesana no iafarany.
26
Ny hanoanana no mahatonga ny mpiasa hiasa, satria ny fanirian-kanina no manesika azy.
27
Mikotrika faharatsiana ny olon-tsy vanona, ary toa misy afo mandevona eo amin’ny molony.
28
Ny mpihatsaravelatsihy manangana ady, ary ny mpanendrikendrika mampisaraka ny mpisakaiza.
29
Ny olona lozabe manangoly ny namany, ka mitarika azy ho amin’ny lalan-tsy mahasoa.
30
Izay mikimpy maso sy manaikitraiki-molotra dia miteti-dratsy sy mikasa anao izany.
31
Satroboninahitra marevaka ny volo fotsy; fizorana amam-pahamarinana no ahazoana azy.
32
Ny tena mahery dia izay maharesy ny hatezerany, fa aleo mahafehy tena toy izay mahafehy tanàna.
33
Ahontsankontsana ny kodiakely hahalalan-javatra fa izay mipoitra eo kosa dia avy amin’ny TOMPO.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31