bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Proverbs 17
Proverbs 17
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 18 →
1
Aleo tapa-mofo maina hanina amim-piadanana, toy izay fanasam-be ao amin’ny trano misy fifandirana.
2
Ny mpanompo hendry hisolongona ny zanaka manala baràka, ka handray anjara lova eo amin’ny mpirahalahy.
3
Misy ny memy fisedrana ny volafotsy ary ny fatana fandrendrehana ny volamena, fa ny TOMPO no mizaha toetra ny fon’ny olona.
4
Ny mpanao ratsy manongilan-tsofina amin-dresaka lainga, ary ny mpandainga mihaino ny tenim-panaratsiana.
5
Izay maneso ny mahantra miteny ratsy ny Mpanao azy; ary izay faly amin’ny fahorian’ny sasany dia hofaizina.
6
Satroboninahitry ny antitra ny zafikeliny; ary reharehan’ny zanaka ny rainy.
7
Tsy an’ny ketrina mihitsy ny hanao teny mihaja, ary vao mainka an’ny olo-manankaja ny hilaza lainga.
8
Ny kolikoly dia heverina hanambina ny mpanolotra azy, ka hampahomby ny zavatra rehetra hataony.
9
Izay mitady fihavanana manadino ny hadisoana; fa izay mamoha fota-mandry mampisaraka ny mpisakaiza.
10
Mandaitra kokoa ny anatra iray amin’ny olona misaina noho ny kapoka injato amin’ny olona adala.
11
Ny maditra dia fatra-pitady ny hanao ratsy, ka handefasan’ny Tompo iraka lozabe hamely azy.
12
Aleo tojo orsavavy very anaka, toy izay sendra adala mihetsika hadalana.
13
Izay olona mamaly ratsy ny soa dia tsy hialan’ny ratsy ao an-tranony.
14
Ny fiandoham-pifandirana dia toy ny mamaky tohandrano; koa ajanòny izany dieny tsy mbola mihombo ny ady.
15
Samy halan’ny TOMPO avokoa na ny fanamarinana ny olo-meloka na ny fanamelohana ny olo-marina.
16
Hatao inona ny vola eo an-tanan’ny adala? Hamidy fahendrena ve? Tsy manan-tsaina hanao izany izy.
17
Ny namana dia izay tia amin’ny fotoana rehetra, ka miseho toy ny mpiray tampo izy amin’ny fahoriana.
18
Olona tsy ampy saina izay mipai-tanana manaiky hiantoka ny trosan’ny hafa.
19
Izay tia fifandirana tia fahotana; ary izay manana hambom-po diso tafahoatra dia mitady fahavoazana ho an’ny tenany.
20
Izay be hafetsen-dratsy dia tsy hahita hasambarana; ary izay miolakola-piteny no hianjadian’ny loza.
21
Izay miteraka adala, hahazo alahelo; fa ny rain’ny ketrina tsy mba ho faly.
22
Ny fo falifaly mahasoa ny vatana; fa ny fahakiviana mahamaina ny taolana.
23
Mandray kolikoly mangingina ny olon-dratsy hamadihany ny fizotran’ny ara-drariny.
24
Misoritra amin’ny endriky ny manan-tsaina ny fahendrena, fa ny mason’ny adala mibirioka any am-paran’ny tany.
25
Ny zanaka adala manome alahelo ny rainy ary fahoriana mangidy ny reniny.
26
Tsy tsara ny manasazy olo-marina; tsy ara-drariny ny mamely olona manan-kaja.
27
Izay mahalanjalanja ny teniny no feno fahalalana; ary izay mahatsindry fo no olona manan-tsaina;
28
na ny adala aza, rehefa tsy miteny, dia toy ny hendry; rehefa mikombom-bava izy, dia toa manan-tsaina.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31