bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Proverbs 15
Proverbs 15
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 16 →
1
Famaliana am-pitiavana mampitony hatezerana; fa teny mitratreva kosa mahatonga havinirana.
2
Ny fitenin’ny hendry manosaka fahalalana mahasoa; fa ny vavan’ny adala kosa mampiely fahadalana.
3
Ny mason’ny TOMPO dia mijery eny rehetra eny ka mahita ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
4
Ny teny mamy dia mitondra aina; fa ny vava ratsy kosa mandrera-po.
5
Ny adala manamavo ny fananaran-drainy; fa izay mandray tsikera no hita ho hendry.
6
Harem-be no ao an-tranon’ny olo-marina; fa mampiahiahy kosa no harikaren’ny olon-dratsy.
7
Ny tenin’ny hendry mampiely fahalalana; fa hafa noho izany kosa ny fon’ny adala.
8
Halan’ny TOMPO ny sorona aterin’ny olon-dratsy; fa sitrany kosa ny vavaky ny olo-mahitsy.
9
Halan’ny TOMPO ny fitondrantenan’ny olon-dratsy; fa tiany kosa ny mpandala ny fahamarinana.
10
Hofaizina mafy izay mandao ny toetra tsara, fa ho faty tokoa izay mankahala anatra.
11
Fantatry ny TOMPO na dia izay miseho any amin’ny toeran’ny maty aza; koa mainka fa ny ao am-pon’ny olona.
12
Tsy tian’ny mpaniratsira ny hotsikeraina, ka izany no tsy mba anatonany ny olon-kendry.
13
Ny fo falifaly mahamiran-tava; fa ny fo malahelo maharera-panahy.
14
Ny manan-tsaina mikatsaka fahalalana; fa ny adala kosa miletra fahadalana.
15
Ratsy avokoa ny andron’ny olona ory; fa fety lava kosa ny fiainan’ny olona sambatra.
16
Aleo manan-kely ombàm-panajana ny TOMPO, toy izay manan-karembe difotra ahiahy.
17
Aleo mihinana anana ombàm-pitiavana, toy izay hena matavy laroam-pankahalana.
18
Ny olona mora tezitra no mihantsy ady; fa izay mahatsindry fo kosa mampitony fifandirana.
19
Ny lalan’ny kamo dia feno korontan-tsilo; fa ny lalan’ny olo-marina kosa milamina tsara.
20
Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; fa ny zanaka adala manamavo ny reniny.
21
Ny fahadalana no mahafaly ny olona tsy ampy saina; fa ny manan-tsaina kosa mahitsy fitondrantena.
22
Foana ny fikasana tsy ampy mpanolotsaina; fa tanteraka kosa izany, raha maro ireny.
23
Fifaliana ho an’ny olona ny fahaiza-mamaly; ary fatratra ny teny atao amin’ny ilana azy.
24
Ny lala-miakatra ho amin’ny fiainana no alehan’ny hendry ka idifiany ny toeran’ny maty any ambany.
25
Ny tranon’ny mpiavonavona dia ravàn’ny TOMPO; fa arovany kosa ny tanin’ny mpitondratena.
26
Halan’ny TOMPO ny fikasan-dratsy; fa madio aminy kosa ny teny tsara atao.
27
Ny olona adalam-bola dia mampikorontana ny ankohonana; fa izay mankahala risoriso no ho velona.
28
Ny olo-marina mieritreritra vao mamaly; fa ny olon-dratsy kosa manely fanaratsiana.
29
Ny TOMPO manalavitra ny olon-dratsy, fa mihaino kosa ny vavaky ny olo-marina.
30
Ny endrika sariaka maharavo ny fo ary ny vaovao mahafaly mamelombelona ny aina.
31
Izay manongilan-tsofina hihaino anatra mahavonjy no hiara-monina amin’ny olon-kendry.
32
Izay mandà anatra manamavo ny tenany, fa izay mihaino tsikera mahazo fahalalana.
33
Ny fanajana ny TOMPO dia fananaram-pahendrena; ary tokony hanetry tena alohan’ny hisondro-boninahitra.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31