bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Proverbs 26
Proverbs 26
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 27 →
1
Diso toerana toy ny oram-panala fahavaratra na orana amin’ny fotoam-pijinjana ny voninahitra omena ny adala.
2
Manidina tsy tafapetraka ny fody sy ny sindintsidina; toy izany koa ny fanozonam-poana: tsy mba hihatra akory izany.
3
Ny karavasy dia ho an’ny soavaly, ny lamboridy ho an’ny boriky ary ny tsorakazo ho an’ny lamosin’ny adala.
4
Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, fandrao mba adala tahaka azy koa ianao.
5
Valio araka ny hadalany ny adala fandrao mihevi-tena ho hendry izy.
6
Izay mampitondra hafatra ny adala dia toy ny olona manapa-tongotra ny tenany ka tonga miboboka fahavoazana.
7
Ny ohabolana lazain’ny adala dia mikolepaka tahaka ny malemy tongotra.
8
Toy ny mamatotra vato amin’ny antsamotady ny manome voninahitra ny adala.
9
Ny ohabolana lazain’ny adala dia toy ny tsilo hazonin’ny mamo.
10
Ny mpampiasa manarama adala sendra mandalo dia mandratra ny olona rehetra.
11
Ny alika miverina amin’ny loany ary ny adala miverina amin’ny hadalàny.
12
Raha mahita olona mihevi-tena ho hendry ianao, dia ny adala no misy hantenaina kokoa noho izy.
13
Hoy ny kamo: «Misy liona ao an-dalana, misy biby masiaka atsy an-dalambe.»
14
Ny varavarana mihodina amin’ny saviliny ary ny kamo mivadibadika eo am-pandriany.
15
Mangarona ny sakafo ao an-doviany ny kamo nefa mandreraka azy ny hampakatra izany ao am-bavany.
16
Ny kamo dia mihevi-tena ho hendry mihoatra noho ny olona fito kinga famaly.
17
Ny mpandalo izay misalovana amin’ny adin’ny hafa dia toy ny misambotra amboa amin’ny sofiny.
18
Ny olona mamitaka ny namany ka manao aminy hoe: «Vazivaziko ihany izany,» dia tahaka ny olona adala mandefa forohana sy zana-tsipîka mahafaty.
20
Rehefa tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo; ary rehefa tsy misy mpanendrikendrika intsony, dia mitsahatra ny fifandirana.
21
Ny arina mitaiza vain’afo, ny kitay mitaiza afo ary ny olona liana ady mandrehitra fifandirana.
22
Toa hani-matsiro ny tenin’ny mpanendrikendrika ka any anaty kibo no mikorotsaka.
23
Toy ny ankoso-bolafotsy amin’ny tanimanga ny teny mandodoka manafina fo ratsy.
24
Teny mihatsaravelatsihy no ataon’ny mpankahala kanjo ny ao anatiny mikotrika fitaka;
25
koa na dia miteny amim-pitiavana aza izy, dia aza matoky azy fa feno rikoriko ny fony;
26
mahay manafim-pankahalana izy, nefa hiharihary am-pahibemaso ny haratsiany.
27
Izay mihady lavaka no ho latsaka ao ary izay manakodia vato no hikodiavany.
28
Ny mampahory olona amin’ny lainga dia fankahalana azy; ary ny teny mandokadoka no ahitan-doza.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31