bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Proverbs 28
Proverbs 28
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 29 →
1
Mandositra ny olon-dratsy na dia tsy misy manenjika azy, fa ny olo-marina kosa matoky tena toy ny liona tanora.
2
Rehefa mikorontana ny tany, dia maro mpitondra mifanolosolo. Fa manjaka kosa ny filaminana noho ny olona iray manan-tsaina sy mahay.
3
Tahaka ny oram-batravatra izay mandrava vokatra ny olon-dozabe izay mampahory ny mahantra.
4
Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny olon-dratsy, fa izay mitandrina izany kosa miady aminy.
5
Ny olon-dratsy tsy mahafantatra ny rariny, fa izay mitady ny TOMPO mahalala ny zava-drehetra.
6
Aleo ny mahantra mizotra tsy misy tsiny, toy izay ny mpanankarena miolikolika fitondrantena.
7
Ny zanaka manana fahaiza-manavaka dia mitandrina ny lalànan’ny Tompo; fa izay misakaiza amin’ny naman-dratsy dia manome henatra ny rainy.
8
Izay mitombo harena amin’ny zana-bola mihoa-pampana dia manangona ho an’izay miantra ny mahantra.
9
Izay manampin-tsofina tsy hihaino ny lalàna, na ny vavaka ataony aza dia maharikoriko ny Tompo.
10
Izay mitarika ny olo-mahitsy amin’ny lalan-dratsy dia mamarin-tena amin’ny fandrika nataony; fa hahazo hasambarana kosa ny olona tsy misy tsiny.
11
Mihevi-tena ho hendry ny mpanankarena, fa hamaky bantsilana azy ny mahantra mahay manavaka.
12
Rehefa mandresy ny olo-marina, dia ankalazain’ny besinimaro; fa rehefa ny olon-dratsy no mahery, dia ieren’ny olona.
13
Izay manafina ny fahotany tsy mba hahita fahombiazana, fa izay miaiky izany ka miala aminy no hahazo indrafo.
14
Sambatra ny olona izay manaja ny Tompo mandrakariva, fa izay manamafy ny fony kosa hidiran-doza.
15
Tahaka ny liona mierona sy orsa noana ny olon-dratsy izay manapaka amin’ny vahoaka mahantra.
16
Mampitombo famoretana ny mpanapaka tsy ampy saina; fa ho ela velona kosa izay mankahala fierenana.
17
Handositra hatrany am-pasana ny olona izay enjehin’ny eritreriny noho izy nahafaty olona: aoka tsy hisy hisakana azy!
18
Izay mizotra tsy misy tsiny no ho voavonjy fa izay miolikolika fitondrantena no ho lavo tampoka.
19
Izay miasa ny taniny ho voky hanina, fa izay mamboly hevidravina kosa ho voky fahantrana.
20
Ho ampoky ny fitahiana ny olona mahatoky fa tsy hieren-doza kosa ny maika hanan-karena.
21
Tsy tsara ny mizaha tavan’olona; kanefa na dia sombi-mofo ihany aza dia mety hanotan’ny olona amin’izany.
22
Maika ny hanan-karena ny mpitsiriritra saingy tsy fantany fa ho avy aminy ny fahantrana.
23
Izay mananatra olona dia hahazo sitraka bebe kokoa amin’ny farany noho izay manao teny mandodoka azy.
24
Izay mandroba ny rainy sy ny reniny ka manao hoe: «Tsy fahotana izany», dia naman’ny jiolahy.
25
Ny olona tia tena loatra no manetsika ady; fa izay matoky ny TOMPO kosa ho tretrika.
26
Adala izay mitompo teny fantatra, fa izay mandeha amim-pahendrena no ho voavonjy.
27
Izay manome ny mahantra tsy hanan-java-mahory, fa izay mikimpy tsy mijery azy kosa ho rakotra ozona.
28
Rehefa mahery ny olon-dratsy, dia ieren’ny olona; fa rehefa ringana kosa ireo, dia ny olo-marina no mitondra.
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 29 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31