bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Proverbs 31
Proverbs 31
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
1
Izao no torohevitra izay noraisin’i Lemoela mpanjakan’i Masà tamin-dreniny:
2
«Inona, anaka, inona no holazaiko anao zanako naterako izay efa nangatahiko am-bavaka?
3
Aza omena ny vehivavy ny herinao. Aoka tsy ireo vehivavy manimba mpanjaka no hibaiko ny fitondrantenanao!
4
Tsy mety amin’ny mpanjaka, ry Lemoela, tsy mety amin’ny mpanjaka na mpifehy ny miboboka divay na toaka.
5
Fa raha miboboka izany izy, dia hanadino ny fampiharan-dalàna ary hamadika ny zon’ireo olona mahantra.
6
Aoka izay efa ho faty no homena toaka ary izay fadiranovana no hotoloran-divay;
7
dia hiboboka izy hanadinoany ny fahoriany ary tsy hahatsiarovany ny fahantrany intsony.
8
Sokafy ny vavanao hiaro izay tsy afa-miteny sy hiady ho an’ny olona rehetra tsy mana-mpiahy.
9
Sokafy ny vavanao mba hitsara araka ny marina ary hiady ho an’ny ory sy ny mahantra ».
10
Iza no mahita vehivavy mahavatra? Fa ny hasarobidiny dia mihoatra noho ny perla.
11
Matoky azy tanteraka ny vadiny, satria tsy mandanilany fananana izy.
12
Tsy manao ratsy aminy ravehivavy fa manao izay hahasambatra azy kosa mandritra ny andro rehetra iainany.
13
Mitady volon’ondry sy kiran-drongony izy ary miasa araka ny fahakingan’ny tanany.
14
Tahaka ny sambon’ny mpandranto izy ka mitondra ny haniny avy lavitra.
15
Mifoha mbola maizina izy, ka mikarakara ny sakafon’ny ankohonany sy mitsinjara ny asan’ny mpanompovaviny.
16
Mandinika tsara izy vao mividy saha ary mamboly voaloboka amin’ny tombontsoa azony.
17
Misikina herimpo izy fa tsy mba miraviravy tanana.
18
Tsapany ny fandrosoan’ny raharahany ka tsy maty jiro mandritra ny alina izy.
19
Miasa mamoly volon’ondry ny tanany ary manenona lamba ny rantsan-tanany.
20
Manatsotra ny tanany amin’ny ory izy ary malala-tanana amin’ny mahantra.
21
Tsy ahiany amin’izay oram-panala ny ankohonany, fa voatafy mafana avokoa ny ao an-tranony.
22
Manao firakotra ho an’ny tenany izy; ny fitafiany dia rongony fotsy sy volomparasy.
23
Hajaina ny vadiny rehefa mivory eo am-bavahady ka miara-midinika amin’ireo loholon’ny tanàna.
24
Manao akanjo izy ka mivarotra izany; mandafo fehikibo amin’ny mpandranto koa izy.
25
Hery sy haja no iravahany; ary tsy mahataitra azy ny hoavy.
26
Miteny amim-pahendrena izy ary manoro hevitra amim-pitiavana.
27
Manara-maso izay fizotry ny ankohonany izy ka tsy malaina manomana ny sakafo hohaniny.
28
Ny zanany miara-miantso azy hoe sambatra, ary ny vadiny midera azy manao hoe:
29
«Maro ny vehivavy miseho ho mahavatra, fa manoatra noho izy rehetra ianao.»
30
Mamitaka ny bika ary mandalo ny hatsaran-tarehy; fa ny vehivavy manaja ny TOMPO ihany no hoderaina.
31
Hanomezam-pankasitrahana azy anie ny tombontsoa azony ary hideran’ny besinimaro azy anie ny zava-bitany!
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31