bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Proverbs 30
Proverbs 30
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 31 →
1
Teny manan-danja nataon’i Agora zanakalahin’i Jake. Izao no teny hentitra nambaran’izany lehilahy izany tamin’i Itiela, dia tamin’i Itiela sy i Okala:
2
Eny, dondrona toa biby aho raha samy olona, fa tsy mba manana izay fahaizan’olombelona akory.
3
Tsy nianatra fahendrena na oviana na oviana aho, saingy nahazo ny fahalalan’ireo olo-masina.
4
Iza no efa niakatra tany an-danitra ka nidina avy tany indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tanany? Iza no nahafono ny rano tamin’ny lambany? Iza no nandraikitra ny faravazan-tany rehetra? Iza no anarany? Iza no anaran-janany? Ambarao raha fantatrao.
5
Voazaha toetra avokoa ny tenin’Andriamanitra. Toy ny ampinga Izy ho an’izay mialoka aminy.
6
Aza manampy na inona na inona amin’ny teniny, fandrao hofaizin’Andriamanitra ianao ka hiharihary ny maha mpandainga anao.
7
«Zavatra roa no angatahiko aminao, Andriamanitra ô, ka aza lavina alohan’ny hahafatesako.
8
Alao amiko ny fitaka sy ny lainga ary aza omena fahantrana aho na koa harena, fa izay hanina sahaza ahy ihany omena ahy.
9
Fandrao ho tototra harena aho, dia handà Anao ka hahateny hoe: ‹Fa iza moa ny TOMPO?› na fandrao hahantra aho, dia mety hangalatra ka hanala baràka ny anaran’Andriamanitro».
10
Aza manendrikendrika ny mpanompo amin’ny tompony, fandrao hozoniny ianao ka hiharam-pahavoazana.
11
Misy karazan’olona izay manozona ny rainy ary tsy mba mirary soa ho an-dreniny.
12
Misy karazan’olona izay mihevi-tena ho madio, nefa tsy voasasa ho afaka amin’ny fahalotoany.
13
Misy karazan’olona izay fatra-pianjonanjona sady manana fijery miandranandrana.
14
Misy karazan’olona izay manana toetra lozabe fa toy ny sabatra ny nifiny ary toy ny antsy ny vazany. ka vonona izy hamongotra ny ory tsy ho amin’ny tany ary koa ny mahantra tsy ho eo anivon’ny olona.
15
Manan-janakavavy roa ny dinta izay samy manao hoe: «Omeo! Omeo!» Misy zavatra telo tsy mety afa-po sady tsy mba manao hoe: «Aoka izay!» dia ny fonenan’ny maty, sy ny kibo tsy niteraka, ary ny tany tsy vonton-drano; kanefa misy koa zavatra fahefatra, dia ny afo izay tsy mba manao hoe: «Aoka izay!».
17
Ny olona izay miandranandrana amin-dray sy mamingavinga ny fahanteran-dreny dia hopotsirin’ny goaikan-driaka ny masony ary hohanin’ny voromahery ny tenany.
18
Misy zavatra telo tsy fantatro sady tsy takatro, dia ny fanidin’ny voromahery eny ana habakabaka sy ny fandadin’ny bibilava eny amin’ny vatolampy ary ny fizotran’ny sambo eny afovoan-dranomasina; kanefa misy koa zavatra fahefatra, dia ny firaikan’ny tovolahy amin’ny tovovavy.
20
Toy izao no fomban’ny vehivavy mpanitsakitsa-bady: misesika remby izy, dia mamafa vava ary miteny hoe: «Tsy nanao ratsy aho!»
21
Misy zavatra telo mampikorontana tany, sady tsy azony leferina, dia ny andevo izay tonga mpanjaka sy ny adala izay miletra hanina ary ny vehivavy fanganga izay manambady; kanefa misy koa zavatra fahefatra, dia ny mpanompovavy mandimby tompovavy.
24
Misy karazam-biby efatra tena bitika etỳ ambonin’ny tany saingy manam-pahendrena mampitolagaga:
25
dia ny vitsika, izay andiam-biby tsy matanjaka, nefa manangona ny haniny amin’ny fahavaratra;
26
ny marmôta, izay andiam-biby tsy manan-kery, nefa mahavita trano eny amin’ny harambato;
27
ny valala, izay tsy mana-mpanjaka, nefa hain’izy rehetra ny miainga manao andiany;
28
ny androngo, izay azo samborin-tanana, nefa tonga hatrany an-dapan’ny mpanjaka.
29
Misy zava-miaina telo izay tsara famindra sy miedinedim-pandeha: dia ny liona, izay mahery indrindra amin’ny biby ka tsy mihemotra na amin’inona na amin’inona; sy ny soavaly izay manana andila-mihantsika, ary ny osilahy; kanefa misy koa fahefatra, dia ny mpanjaka eo alohan-tafika.
32
Raha niadaladala ka nanandra-tena ianao ary raha mba nieritreritra kosa avy eo, dia tampeno ny vavanao mba tsy hiteny!
33
Fa fikapohan-dronono no manome dibera, famelezana ny orona no mampivoa-dra, ary fanetseham-pahatezerana no miteraka ady.
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 31 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31