bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Proverbs 8
Proverbs 8
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 9 →
1
Injany fa miantso ny Fahendrena ary manandra-peo ny fahaiza-manavaka.
2
Eo an-tampon-kavoana amoron-dalana sady eo am-pihaonan-tsakelidalana no ijoroany.
3
Eo anilan’ny vavahady fidirana ny tanàna sy toeram-pandalovan’olona no iantsoantsoany hoe:
4
«Ianareo anie, rey olona, no antsoiko; ianareo rehetra no iantefan’ny teniko.
5
Ry kely saina, fantaro ny fahendrena, ry adala, hamafiso ny fahalalana.
6
Henoy fa zava-dehibe no holazaiko ka hiteny tsy misorona aminareo aho.
7
Eny, ny marina ihany no lazain’ny vavako fa halan’ny molotro ny faharatsiana.
8
Rariny avokoa izay tenin’ny vavako, fa tsy misy lainga na fitaka.
9
Mazava avokoa izy ho an’ny mahira-tsaina ary mahitsy ho an’ny manam-pahalalana.
10
Ny fampianarako no raiso fa tsy ny volafotsy ary aleo fahalalana toy izay ny volamena voafantina.
11
Satria Izaho Fahendrena dia tsara noho ny perla; tsy misy zava-tsarobidy azo ampitahaina amiko.»
12
«Izaho Fahendrena no manana ny fahamalinana ka nahazo ny fahaiza-manao drafitrasa.
13
Ny fankahalana ny ratsy no fanajana ny TOMPO. Samy halako na ny fiavonavonana na ny fireharehana na ny fitondrantena ratsy na ny vava fandainga.
14
Ahy ny fahaiza-mamolavola sy mampihatra; Ahy koa ny fahaiza-manavaka sy ny hery manatanteraka.
15
amin’ny alalako no anjakan’ny mpanjaka, sy ahazoan’ny mpitondra manao didy ara-drariny;
16
amin’ny alalako no ifehezan’ireo mpifehy sy anaovan’ireo loholona fitsarana ara-drariny.
17
Izaho dia tia izay tia ahy; ary izay mikatsaka ahy no hahita ahy.
18
Miaraka amiko ny harena sy ny voninahitra, dia fananana mateza sy fanambinana sahaza.
19
Izay omeko dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny volamena madio indrindra; ary izay azo avy amiko dia tsara noho ny volafotsy voafantina.
20
Ny soritry ny fahamarinana no izorako dia ny lalana anjakan’ny rariny,
21
mba hampahazoako zava-tsoa ireo tia ahy ka hamenoako ny tranon-drakiny.
22
«Nateraky ny TOMPO ho voalohan’asany aho, dia talohan’ny asa nataony hatry ny elabe.
23
Natokany hatramin’ny fahagola aho, eny, natokany hatrany am-piandohana, dia fony tsy mbola nisy akory ny tany.
24
Fony tsy mbola ary ny rano lalimbe no efa teraka aho dia fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika.
25
Talohan’ny niorenan’ny tendrombohitra sy talohan’ny havoana no efa teraka aho,
26
dia fony tsy mbola nataon’Andriamanitra na ny tany na ny saha midadasika eo aminy na ny vovotany singany voalohany teo amin’izao tontolo izao.
27
Efa teo aho, fony Andriamanitra namorona ny lanitra, sy namaritra ny faravodilanitra teo ambonin’ny rano lalimbe.
28
Nampivangongo ny rahona eny ambony Izy ary nampiboiboika ny loharano lalina;
29
nanisy faritra ho an’ny ranomasina Izy, dia faritra tsy azony hihoarana, ary nametraka ny fanorenan’ny tany.
30
Tamin’izany asa rehetra nataony izany dia nanampy azy toy ny mpanao mari-trano aho ka sady antom-piravoravoany isan’andro isan’andro no nibita-kafaliana tsy tapaka teo anatrehany;
31
nibita-kafaliana aho teo amin’ny tany noarîny ary naharavoravo ahy teo amin’ny olombelona.»
32
«Ary ankehitriny henoinareo aho, rey anaka; fa sambatra ianareo manaraka ny sori-dalako.
33
Henoy ny anatro ary aza lavina fa hampahendry anareo izany.
34
Sambatra izay olona mihaino ahy ka miandry isan’andro eo am-baravarako sy miambina eo an-tokonako!
35
Izay mahita ahy dia mahita ny fiainana sady mahazo sitraka amin’ny TOMPO.
36
Fa izay diso amiko dia handratra ny tenany, ary izay mankahala ahy dia tia fahafatesana.»
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31