bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Proverbs 21
Proverbs 21
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 22 →
1
Ny fon’ny mpanjaka dia toy ny rano mikoriana izay tarihin’ny tanan’ny TOMPO amin’izay tiany.
2
Ny olona mihevitra ny ataony ho mahitsy avokoa; fa ny TOMPO no mitsara ny eritreritra manesika azy.
3
Ny fanaovana ny marina sy mahitsy dia sitraky ny TOMPO kokoa noho ny sorona.
4
Fijery miandranandrana sy fo miavonavona: fahotana avokoa ny fiedinedin’ireo olon-dratsy.
5
Ny tetikasan’ny olona mazoto no mampanan-karena azy; izay rehetra mikoropaka mihary kosa mihamahantra.
6
Izay harena azo tamin’ny lainga dia etona mihelina ihany sy fandrika mahafaty.
7
Ny halozàn’ny olon-dratsy no mamery azy, satria tsy mety manao ny marina ireo.
8
Miolikolika ny lalan’ny olo-meloka; fa mahitsy kosa ny asan’ny madio fo.
9
Aleo mitoetra amin’ny efitra kely ao an-tampon-trano toy izay miray trano amin’ny vehivavy liana ady.
10
Ny olon-dratsy maniry hatrany ny hanao ratsy, ka na dia ny sakaizany aza tsy ananany antra,
11
Ho hendry ny kely saina raha sazîna ny mpaniratsira; ary hahazo fahalalana ny hendry raha misy mampianatra.
12
Ny olo-marina manara-maso ny andian’ireo olon-dratsy ka mamarina azy any amin’ny loza.
13
Izay manampin-tsofina amin’ny fitarainan’ny mahantra dia tsy hisy hihaino rehefa mba mitaraina koa.
14
Ny fanomezana atao mangingina dia mampitony ny fahatezerana, ary ny tolotra omena an-kinafinafina mampitsahatra ny fahavinirana.
15
Fifalian’ny olo-marina ny manao izay rariny; fa zava-mampijaly ny mpanao ratsy kosa izany.
16
Izay mivily miala amin’ny lalam-pahendrena dia ho naman’ny maty tsy ho ela.
17
Izay tia filibàna ho tonga mahantra, ary izay tia divay sy hanim-py tsy mba hanan-karena.
18
Ny olon-dratsy ho avotry ny olo-marina, ary ny mpivadika ho solon’ny olo-mahitsy.
19
Aleo mitoetra any an-taniefitra toy izay manana vehivavy liana ady sy saro-po.
20
Misy raki-tsarobidy sy harena sesehena ao amin’ny fonenan’ny hendry; fa ny adala kosa mandanilany foana ny azy.
21
Izay fatra-pandala fahamarinana sy hatsaram-po no hahita fiainana sy famonjena ary haja.
22
Ny hendry mahanika izay tanana mafy ambina indrindra ka mandrodana ny manda izay ianteheran’ny mponina.
23
Izay mahatandrina ny teny rehetra ataony dia miaro ny tenany tsy hanana ahiahy.
24
Izay mirehareha sy miavonavona no atao hoe mpaniratsira; fatra-pianjonanjona izy raha manao zavatra.
25
Ny fitsiriritan’ny kamo no hahafaty azy, satria tsy mety miasa ny tanany;
26
tontolo andro izy mitsiriritra hatrany, nefa ny olo-marina sady manome no malala-tanana.
27
Zava-maharikoriko ny sorona ataon’ireo olon-dratsy, indrindra fa amin-kafetsena no anolorany azy.
28
Ho levona ny vavolombelona mandainga; fa ho afa-miteny hatrany kosa izay mitatitra ny henony.
29
Miseho ho sahisahy ny olon-dratsy, fa ny olo-mahitsy kosa mampitombina tsara ny toetrany.
30
Ny fahendren’olombelona sy ny fahaizana amam-pisainany dia maivana eo anatrehan’ny TOMPO.
31
Voaomana hiatrika ady ny soavaly, fa ny TOMPO kosa no manome ny fandresena.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31