bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Proverbs 7
Proverbs 7
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 8 →
1
Anaka, tandremonao ny teniko ary ataovy raki-tsoa ho anao ny didiko.
2
Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao; ary tandremo toy ny anakandriamaso ny fampianarako.
3
Ataovy toy ny peratra amin’ny rantsan-tananao ireo ary soraty ao am-ponao toy ny amin’ny vatofisaka.
4
Hevero toy ny anabavinao ny fahendrena ary toy ny havanao ny fahalalana;
5
ireo no hiaro anao amin’ilay vehivavy mpanitsakitsa-bady dia vehivavy hafa mpanao teny manangoly.
6
Raha teo am-baravarankelin’ny tranoko aho no mba nitazantazana indray andro,
7
dia nahita tovolahy maromaro; ary tamin’ireo no nisy anankiray kely saina,
8
dia tanora maivan-doha izay nandeha tamin’ny lalana akaikin’ny fonenan’izany vehivavy izany ka nizotra nankany an-tranony.
9
Efa somambisamby ny takariva tamin’izay ary efa manakaiky ny alina sy ny haizina.
10
Indro tamy nitsena azy ilay vehivavy sady nanao fitafin’ny mpivarotena no feno hafetsifetsena ao am-po.
11
Sahisahy sady tsy mahatombin-tsiraka izy ka tsy mety tafapetraka ao an-tranony.
12
Fa mbetika eny an-dalambe, mbetika eny an-kianja no mamitsaka miandriandry izy eny amin’ny zoron-trano rehetra eny.
13
Dia nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy ary nisolantsolana nilaza taminy hoe:
14
«Efa nivoady tamin’Andriamanitra aho fa hanatitra sorom -pihavanana; ary androany no nanefako izany.
15
Koa nivoaka ny tranoko hitsena anao aho; te hahalala anao aho, ka dia nahita anao.
16
Ny fandriako efa novelarako firakotra, dia lambam-pandriana avy any Ejipta
17
ka nasiako miora sy alôesy ary kanelina hanamanitra azy.
18
Andeha isika hivoky fitia mandra-paharain’ny andro ka hiara-mankafy ny fahafinaretana vokatr’izany.
19
Fa tsy ao an-trano ny vadiko fa lasa nandeha lavitra.
20
Kitapo feno vola no nentiny, ka tsy hiverina izy raha tsy fenomanana indray ny volana.»
21
Teny mamy no nandreseny lahatra ilay tovolahy ary resaka manodòka nataony no nitaomany azy.
22
Koa nanaraka an-dravehivavy teo no ho eo izy tahaka ny ombilahy entina hovonoina: adala voafatotra toy izany izy no hofaizina
23
mandra-pitsatoky ny zana-tsipîka amin’ny fony; tahaka ny vorona miriotra mankamin’ny harato izy, ka tsy mahalala fa hahafaty azy izany.
24
Koa ankehitriny henoinareo aho, rey anaka, ary tandremo tsara ny teny aloaky ny vavako.
25
Aoka tsy ho babon’ny vehivavy toy izany ny fonareo, ary aza mania mankany amin’ny sakeli-dalany.
26
Fa maro no efa naratrany ka simbany ary tsy tambo isaina ireo rehetra efa matiny.
27
Ny tranony no lalana ho amin’ny toeran’ny maty, dia lala-midina any am-ponenan-dRafahafatesana.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31