bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Proverbs 10
Proverbs 10
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 11 →
1
Ohabolan’i Salômôna. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.
2
Ny fananana azo tamim-pomba ratsy, dia tsy mitondra soa; fa ny fahamarinana no manafaka amin’ny fahafatesana.
3
Tsy avelan’ny TOMPO ho noana ny marina, fa laviny kosa ny fanirian’ny olon-dratsy.
4
Ny tanana tsy miasa no mampahantra; fa ny tanana mazoto kosa mampanan-karena.
5
Izay manangom-batsy amin’ny fararano dia olo-misaina; fa izay matory amin’ny fotoam-pijinjana kosa tebahina.
6
Fitahiana no ho amin’ny tenan’ny olo-marina; fa ny tenin’ny olon-dratsy kosa mifono herisetra.
7
Hotahîna ny fahatsiarovana ny olo-marina; fa ho hadino hatramin’ny anarany kosa ny olon-dratsy.
8
Ny hendry am-po dia mandray torolalana; fa ny adala miteniteny foana kosa ho very.
9
Izay mizotra ho olom-banona no mizotra amim-pitokiana; fa izay manan-toetra miolikolika kosa hiharan-doza.
10
Izay manafina ny zava-nitranga dia mahatonga alahelo; fa izay mananatra tsy misorona kosa mitondra fiadanana.
11
Ny tenin’ny olo-marina dia loharanon’aina fa ny tenin’ny olon-dratsy kosa mifono herisetra.
12
Ny fankahalana dia manetsika ady; fa ny fitiavana manarona ny hadisoana rehetra.
13
Ahitana fahendrena ny tenin’ny manan-tsaina; fa tsorakazo kosa no ho an’ny lamosin’ny bado.
14
Harem-pahalalana no voaangon’ny hendry; fandringanana antomotra kosa no hateraky ny tenin’ny adala.
15
Ny fananan’ny mpanankarena no toy ny manda miaro azy; fa ny fahantran’ny ory kosa no hiteraka fandringanana azy.
16
Ny karaman’ny olo-marina dia hivelomany; fa ny vola azon’ny olon-dratsy kosa hahotany.
17
Izay mitandro fifehezan-tena dia mizotra ho amin’ny fiainana; fa izay mandà anatra kosa no haniasia.
18
Mpihatsaravelatsihy izay manafina ny fankahalany; fa adala izay mampiely endrikendrika.
19
Ny teny maro tsy ilaozam-pahadisoana; fa olo-misaina kosa ny mahatam-bava.
20
Volafotsy voafantina ny tenin’ny olo-marina; fa ny fon’ny olon-dratsy kosa tsisy vidiny.
21
Mampianatra ny maro ny tenin’ny olo-marina; fa matin’ny habadoana kosa ny adala.
22
Ny fitahian ’ny TOMPO no mampanankarena; ary tsy manampy inona amin’izany ny ezaky ny olona.
23
Ny fanaovan-dratsy no lalaon’ny adala; fanehoam-pahendrena kosa no an’ny mahay manavaka.
24
Izay ahîn’ny olon-dratsy no ho tonga aminy; fa izay irîn’ny olo-marina kosa no homena azy.
25
Rehefa mipaoka ny rivo-maherin’ny fitsapana, dia indaosiny tsy ho eo intsony ny olon-dratsy; fa mahatanty lalandava izany kosa ny olo-marina.
26
Mampangirifiry nify ny vinaingitra, mampangirifiry maso ny setroka; toy izany koa ny olona kamo dia mampangirifiry ny mpampiasa azy.
27
Izay manaja ny TOMPO ho ela velona; fa ny olon-dratsy kosa malaky maty.
28
Miteraka fifaliana ny fanantenàn’ny olo-marina; fa ny fanampoizan’ny olon-dratsy kosa ho levona.
29
Fialofana ho an’ny olom-banona ny lalan’ny TOMPO, fa fandringanana kosa ho an’ny mpanao ratsy.
30
Tsy hihontsona na oviana na oviana ny olo-marina, fa ny olon-dratsy kosa tsy hahajanona amin’ny tany.
31
Fahendrena no mikoriana avy eo am-bavan’ny marina; fa ny lela fandainga kosa tokony hotapahina.
32
Ny molotry ny olo-marina dia miboiboika halemem-panahy, fa fitaka no mameno ny vavan’ny olon-dratsy.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31