bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Proverbs 4
Proverbs 4
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 5 →
1
Henoy, rey anaka, ny anatry ny ray ary milofosa hahalala ny fahaiza-manavaka.
2
Fa torohevitra mahasoa no omeko anareo; aza mahafoy ny fampianarako.
3
Izaho koa mba zanaka mamin-draiko ary malalan-dreniko toy ny lahitokany.
4
Nampianatra ahy i dada ka nanao tamiko hoe: «Tano mafy ao am-ponao ny teniko; tandremo ny didiko, dia ho velona ianao.
5
Mahazoa fahendrena sy fahaiza-manavaka; ka aza misy hadinoina na ialana ireo teny aloaky ny vavako.
6
Aza mahafoy ny fahendrena, dia harovany ianao; tiavo izy, dia hiambina anao.
7
Ny voalohan-tanjon’ny fahendrena dia izao: mahazoa fahendrena; koa izay rehetra anananao no ahazoy fahaiza-manavaka.
8
Fenjao ny fahendrena, dia hanandratra anao; eny, ho voninahitrao izy raha fihininao.
9
Hasiany diadema soa eo an-dohanao ary homeny satroboninahitra marevaka ianao.
10
Henoy ka raiso, anaka, ny teniko; dia ho ela velona ianao.
11
Hampianariko ny làlam-pahendrena ianao ary hotarihiko amin’ny soritra mahitsy.
12
Tsy ho voasembantsembana ianao raha mandeha, ary tsy ho tafintohina raha mihazakazaka.
13
Tano mafy izay nanabeazana anao ka aza avela. Tehirizo izany fa foto-piainanao.
14
Aza mankany amin’ny falehan’ny olon-dratsy ary aza mizotra amin’ny lalan’ny mpanao ratsy.
15
Halaviro fa aza lalovana akory izany, ary ialao ka mizora lavidavitra kokoa.
16
Tsy matory ireny raha tsy efa nanao ratsy ary tsy mahita tory raha tsy efa nanafintohina olona.
17
Fa ny faharatsiana no mofo fihinany isan’andro; ary ny herisetra no divay fisotrony.
18
Ny fitondrantenan’ny olo-marina dia toy ny fahazavan’ny maraina izay mihamazava mandra-pahantoandro ny andro.
19
Fa ny toetran’ny olon-dratsy fanahy kosa toy ny haizim-pito ka tsy fantany akory izay hanafintohina azy.
20
Anaka, tandremonao ny teniko ka henoy tsara izay lazaiko.
21
Imasoy hatrany ireo ary tehirizo ao am-ponao.
22
Fa aina ho an’izay mandray azy tokoa ireo ary fahasalamana ho an’ny tenany manontolo.
23
Tandremo izay eritreretin’ny fonao fa izany no iankinan’ny fiainanao.
24
Ambeno tsy hiteny lainga ny vavanao na hilaza fitaka ny molotrao.
25
Aoka hifantoka amin’ny olona ny masonao ka hibanjina tsara eo anoloanao.
26
Savao lalana ny tongotrao; aoka ho azo antoka avokoa ny famindranao.
27
Aza mivily miankavanana na miankavia; halaviro ny tongotrao ny ratsy.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31