bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Proverbs 12
Proverbs 12
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 13 →
1
Izay tia fananarana tia fahalalana; fa adaladala izay mankahala tsikera.
2
Ny tsara fanahy dia mahazo sitraka avy amin’ny TOMPO, fa izay manana sain-dratsy kosa helohiny.
3
Tsy haratsiam-panahy no maha tafaorina ny olona; fa ny marina kosa mamaka tsy misy mahozongozona.
4
Satroboninahitry ny vadiny ny vehivavy tsara fanahy, fa homamiadana mikiky azy kosa ny vehivavy tsy mendrika.
5
Ny olo-marina mihevitra ny rariny; fa ny olon-dratsy kosa misaina fitaka.
6
Ny tenin’ny olon-dratsy dia fandrika mahafaty; ny lazain’ny olo-marina kosa mamonjy ny hafa.
7
Raha miongana ny olon-dratsy, dia tsy misy tafajanona; fa ny ankohonan’ny olo-marina kosa maharitra hatrany.
8
Ny fahaizan’ny olona no hiderana azy, fa izay adaladala kosa hatao tsinontsinona.
9
Aleo olon-tsotra manana mpanompo anankiray, toy izay mpirehaka ho maro mpanompo nefa tsy manan-kohanina.
10
Ny olo-marina mahalala mitsimbina ny bibiny; fa ny olon-dratsy kosa masiaka hatramin’ny atiny.
11
Izay miasa ny taniny ho voky hanina, fa izay manao hevi-dravina kosa tsy ampy saina.
12
Ny olon-dratsy maniry tombontsoa tsy ara-drariny; fa ny olo-marina kosa mamaka sady mamokatra.
13
Ny olon-dratsy voafandriky ny laingany ihany; fa ny olo-marina kosa afa-miala amin’ny fahoriana.
14
Ny tenin’ny olona no ahazoany fahombiazana sy andraisany ny vokatr’izay asan’ny tanany.
15
Ny adala dia mihevitra ho mahitsy toetra; fa hendry kosa ny olona izay mandray torohevitra.
16
Ny adala maneho hatezerana eo no ho eo, fa ny hendry alaim-baràka kosa mahatsindry fo.
17
Izay milaza ny marina no manambara ny rariny; fa fitaka kosa no ambaran’ny vavolombelona mandainga.
18
Izay mitsaontsaona dia mety handratra toy ny sabatra; fa ny tenin’ny hendry kosa dia fanasitranana.
19
Ny teny marina dia mitombina hatrany; fa ny lainga kosa dia indray mipi-maso ihany.
20
Fitaka no ao am-pon’izay miteti-dratsy; fa fifaliana kosa ho an’izay misaina fihavanana.
21
Tsy misy ratsy manjo ny olo-marina; fa ny olon-dratsy kosa heniky ny loza.
22
Mankahala ny mpandainga ny TOMPO, fa mankasitraka kosa ny olona mahatoky.
23
Ny olona malina tsy mampideradera ny fahalalàny; fa ny fon’ireo adala kosa mamoaka hafokana.
24
Ny olona mazoto miasa no homena fitondrana; fa ny olona kamo kosa dia hampanaovina asa an-terivozona.
25
Ny ahiahy mandreraka ny fon’ny olona; fa ny teny soa kosa mahafaly azy.
26
Ny olo-marina dia mpitari-dalana ny namany fa ny toetran’ny olon-dratsy kosa mamery azy.
27
Ny mpihaza kamo tsy mba manana haza hatono; fa soa sarobidy kosa ny olona mazoto miasa.
28
Ny lalan’ny fahamarinana no misy ny fiainana; fa ny lalam-paharatsiana kosa mankany amin’ny fahafatesana.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31