bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Proverbs 24
Proverbs 24
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 25 →
1
Aza mitsiriritra ny ratsy fanahy na maniry hiaraka aminy.
2
Fa tsy misaina afa-tsy fandravana ny fony, ary tsy miteny afa-tsy faharatsiana ny molony.
3
Ilàna fahendrena ny fanorenan-trano, ilàna fahaizana ny hahamafy azy;
4
ilàna fahalalana ny famenoana azy fanaka soa sy sarobidy ao anatiny.
5
Aleo hendry toy izay matanjaka; ary aleo manam-pahalalana toy izay mihetraketraka.
6
Tetika voarindra no hitondranao ny ady; ary tolotsaina maro no ahazoam-pandresena.
7
Avo tsy takatry ny adala ireo tenim-pahendrena, ka tsy mba manoka-bava izy eo am-bavahady.
8
Izay misaintsaina ny hanao ratsy no atao hoe mpanao tetika maizina;
9
ny tetika ataon’ny adala dia fahotana, ary halan’ny olona ny mpaniratsira.
10
Raha osa amin’ny androm-pahoriana ianao, dia kely dia kely herim-po tokoa!
11
Aza misalasala mamonjy ireo voaheloka ho faty kanefa tsy mitombina ny antony amonoana azy.
12
Raha hoy ianao hoe: «Tsy fantatro izany», dia mahatakatra an-tsaina izany kosa Ilay mahita ny ao am-po tsy miloaka ary mahalala izany Ilay mandinika anao; sady hovaliany araka ny asany avy ny olona.
13
Anaka, mihinàna tantely fa tsara izany; ary ho mamy am-bavanao ny tohony.
14
Aoka ho fantatrao fa toy izany koa ny hatsàran’ny fahendrena ho anao. Koa raha anananao izany, dia hisy ny hoavy handrandrainao ary tsy ho foana ny fanantenànao.
15
Ry ilay olon-dratsy, aza anaovanao otrika eo akaikin’ny tranon’ny olo-marina, ary aza ravanao ny fonenany;
16
satria mety lavo impito ny olo-marina, kanefa tafarina ihany, fa ny olon-dratsy kosa mianjera rehefa injay idiran-doza.
17
Aza mifaly, raha lavo ny fahavalonao; ary aza mibitaka, raha mianjera izy.
18
Fandrao hitan’ny TOMPO amin’ny maso ratsy izany, ka tsy ho tezitra amin’ny fahavalonao intsony Izy.
19
Aza tezitra amin’ny mpanao ratsy ary aza mialona ny olon-dratsy;
20
fa tsy mba manana hoavy handrandraina ireo ary ho faty toy ny jiro mitsilopy ny fiainany.
21
Anaka, manajà ny TOMPO ary koa ny mpanjaka; aza ikambananao ireo mitady hikomy aminy.
22
Fa hanjò azy tampoka ny antambo; ary iza no mahalala izay loza hataon’ny Tompo sy ny mpanjaka aminy?
23
Izao koa dia mbola avy amin’ny hendry: Tsy tsara ny manao fitsarà-mitanila.
24
Izay mpitsara manao amin’ny meloka hoe: «Tsy manan-tsiny ianao», dia hozonin’ny vahoaka ary hankahalain’ny firenena.
25
Fa izay mpitsara manameloka ny diso kosa dia ho finaritra sy hiantefan’ny laza tsara.
26
Porofom-pihavanana tena izy ny valinteny omena am-pahatsorana.
27
Vitao aloha ny asanao any ivelany ary ataovy vonon-kamokatra ny saha, vao izay ianao no manangana ny tranonao.
28
Aza mety ho vavolombelom-poana hanameloka tsy amin’antony ny namanao; sa ianao ve te hamitaka amin’ny teninao?
29
Aza manao hoe: «Hataoko aminy izay nataony tamiko, hovaliako araka ny asany ny olona tsirairay!»
30
Nandalovako, indray andro, ny sahan’ny kamo sy ny tanimboaloboky ny tsy ampy saina.
31
Indro tsilo sy ahidratsy sisa no hitako hatraiza hatraiza; ary ny fefy vato manodidina dia nirodana.
32
Nandinika ny zavatra hitako aho ka nahazo lesona avy aminy:
33
matory kely ianao, rendremana kely, dia mitsotsotra kely manohon-tanana;
34
amin’izay anefa dia hamely anao tampoka toy ny mpisodisody ny fahantrana ary toy ny jiolahy ny fahoriana.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31