bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Proverbs 2
Proverbs 2
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 3 →
1
Anaka, raisonao ny teniko ary ataovy raki-tsoa ho anao ny didiko.
2
Henoy ny teny ataon’ny fahendrena ka ampiezaho ny fonao hahay manavaka.
3
Mangataha fanampiana amin’ny fahalalana, miantsoa famonjena amin’ny fahaiza-manavaka.
4
Fa raha tadiavinao toy ny fitady volafotsy ireo ary katsahinao toy ny fikatsaka harena nafenina.
5
dia ho fantatrao tokoa ny fanajana ny TOMPO ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.
6
Fa ny TOMPO no manome ny fahendrena; ary avy amin’ny vavany no mipoitra ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina.
7
Mampahomby ny olo-mahitsy Izy ary toy ny ampinga fiarovana ho an’izay mandeha tsy misy tsiny.
8
Miaro ny lalan’ny fahamarinana Izy ary miambina izay mpifikitra aminy.
9
Raha mihaino Ahy ianao, dia ho fantatrao ny marina sy rariny ary hizoranao avokoa ny lalam-pahasambarana.
10
Ho tonga ao am-ponao ny fahendrena, ary hampifaly anao ny fahalalana,
11
hiaro anao ny fahamalinana ary hiambina anao ny fahaiza-manavaka;
12
ireo no hampiala anao amin’ny toe-dratsy sy amin’ny olona miteny fitaka
13
na mandao ny sori-dàlam-pahitsiana mba hizotra amin’ny lalan’ny haizina,
14
dia ny olona faly manao ratsy sady finaritra amin’ny famitaha-namana,
15
miolikolika sori-dalana ka mivaona amin’ny fitapitaka.
16
Ny fahamalinana sy fahaiza-manavaka no hampiala anao koa amin’ny teny mandrobo fanaon’ny vehivavy izay vadin’olona,
17
dia vehivavy nandao ny vadiny sy nanadino ny fifanekena izay nataony teo amin’Andriamaniny.
18
Mitondra amin’ny fahafatesana ny toetran’izany vehivavy izany, ary mankany amin’ny fahaverezana ny fitapitaka ataony.
19
Izay mankao amin’izany vehivavy izany dia tsy misy afa-miverina intsony ary tsy mihazo ny lalan’ny fiainana.
20
Noho izany, ny toetran’ny tsara fanahy no hizoranao ary ny sori-dalan’ny olo-marina no hotandremanao.
21
Fa ny olo-mahitsy sady tsy manan-tsiny no honina amin’ny tany sy hitoetra eo.
22
Ny olon-dratsy sy ny mpivadika kosa hofongorana amin’ny tany sy ho voaroaka tao.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31