bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Proverbs 25
Proverbs 25
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 26 →
1
Indreto koa no ohabolan’i Salômôna voaangon’ny olon’i Hezekià mpanjakan’i Joda.
2
Andriamanitra dia omem-boninahitra noho Izy manao zava-miafina; ny mpanjaka kosa dia omem-boninahitra noho izy manazava ny zavatra ataony.
3
Ny haavon’ny lanitra sy ny halalin’ny tany ary ny ao am-pon’ny mpanjaka dia samy tsy fantatsika.
4
Esory amin’ny volafotsy ny lotony, dia fanaka sarobidy no havoakan’ny mpanefy;
5
esory tsy ho eo amin’ny mpanjaka ny olon-dratsy dia fahamarinana no hiorenan’ny fiandrianany.
6
Aza miedinedina eo anatrehan’ny mpanjaka na misolantsolana eny amin’ny toeran’ny lehibe;
7
fa aleo ianao hilazana hoe: «Miakara etỳ», toy izay mahita ny tenanao haetry eo anatrehan’ny manan-kaja.
8
Izay zavatra hitan’ny masonao, aza maika ny hitondra izany am-pitsarana, fandrao tsy hitanao izay hatao amin’ny farany rehefa voaporofon’ny namanao fa ianao no diso.
9
Alamino miaraka amin’ny namanao ny adinao aminy, nefa aza tsikafonina ny tsiambaratelon’ny hafa;
10
fandrao izay mandre hanome tsiny anao ka dia ho afa-baràka mandrakizay ianao.
11
Toy ny paoma volamena voahaingo volafotsy, no hasarobidin’ny teny lazaina amin’ny ilàna azy.
12
Toy ny kavina sy rojo volamena no hasoan’ny anatry ny hendry amin’izay mihaino.
13
Mamelombelona aina ny hatsiakan’ny rano mamanala amin’ny fotoam-pijinjana mafana; mamelombelona aina toy izany koa ny iraka mahatoky amin’ny tompony naniraka azy.
14
Tahaka ny rahona sy rivotra tsy mitondra orana ny olona mampanantena zavatra izay tsy homeny akory.
15
Izay manam-paharetana no maharesy lahatra mpitsara; ary ny teny malefaka mampilefitra ny henjana.
16
Raha mahita tantely ianao, dia hano izay sahaza anao, fandrao ho leony ianao ka handoa azy;
17
aoka ianao tsy hateti-pankany an-tranon’ny namanao, fandrao tofoka aminao izy ka hankahala anao.
18
Mandratra toy ny langilangy na sabatra na koa zana-tsipîka maranitra ny olona mijoro ho vavolombelona mandainga mba hanamelohana ny namany.
19
Toy ny mitsako amin’ny nify mihozongozona na mihazakazaka amin-tongotra kilemaina ny matoky olona mpamadika amin’ny androm-pahoriana.
20
Toy ny manary lamba amin’ny andro mangatsiaka na toy ny manisy vinaingitra amin’ny fery, toy izany koa izay mihira amin’olona malahelo.
21
Raha noana ny fahavalonao, dia omeo hanina; raha mangetaheta izy, dia omeo rano hosotroiny;
22
fa raha manao izany ianao, dia toy ny manala vainafo eo an-dohany. Ary ny TOMPO no hamaly soa anao.
23
Ny rivotra avy any avaratra mahatonga orana, ary ny fanendrikendrehana olona mahavinitra endrika azy.
24
Aleo mitoetra amin’ny efitra kely ao an-tampon-trano toy izay miray trano amin’ny vehivavy liana ady.
25
Toy ny rano mangatsiaka ho an’ny tenda main-ketaheta ny vaovao mahafaly avy any an-tany lavitra.
26
Toy ny loharano voaloto sy fantsakana voapoizina ny olo-marina milefitra eo anoloan’ny olon-dratsy.
27
Tsy tsara ny mihinana tantely be loatra na koa ny mitady hahazo voninahitra be loatra.
28
Toa tanàna rava tsy misy manda intsony ny olona izay tsy mahatsindry fo.
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 26 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31