bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Proverbs 22
Proverbs 22
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 23 →
1
Aleo laza tsara toy izay harem-be; ary aleo mahazo sitraka amin’olona toy izay mahazo volamena sy volafotsy.
2
Izao no iombonan’ny mpanankarena sy ny mahantra: samy nataon’ny TOMPO izy roa.
3
Mahatsinjo ny loza ny malina ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
4
Ny vokatry ny fanetren-tena sy ny fanajana ny TOMPO dia harena sy voninahitra ary fiainana.
5
Feno tsilo sy fandrika ny lalan’ny ratsy fanahy; koa izay te hiaro ny ainy dia manalavitra izany.
6
Vao manomboka fiainana, dia omeo fizàrana tsara ny zaza; fa na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.
7
Ny mpanankarena manapaka ny mahantra, ary izay misambotra dia andevon’ny mpampisambotra.
8
Izay mamafy tsy fahamarinana dia hijinja fahoriana, fa ho levona ny fitaovam-pamoretany.
9
Hotahîna izay manana fijery mangoraka, satria mizara ny haniny amin’ny mahantra izy.
10
Roahy ny mpaniratsira fa hitsahatra ny fifandirana, ary hifarana koa na ny ady na ny fanalam-baràka.
11
Izay te ho sakaizan’ny mpanjaka dia handala eritreritra madio sy fiteny mahatehotia.
12
Ny TOMPO miahy sy miaro ny tena fahalalana, fa mamaky bantsilana kosa ireo tenin’ny mpamadika.
13
Hoy ny kamo hoe: «Misy liona ao ivelany ao; ka mety ho fatiny aho, raha eny an-dalambe.»
14
Tevana lalina ny tenin’ny vehivavy vadin’olona, ka izay voaozon’ny TOMPO no hianjera ao.
15
Latsa-paka ao am-pon’ny zaza ny hadalana, ka tsorakazom-pamaizana no hanongotra izany aminy.
16
Izay mampahory ny mahantra dia mampahazo tombontsoa azy; izay manome ny mpanankarena dia mihamahantra.
17
Atongilano ny sofinao ka henoy ny tenin’ny hendry ary aoka hotandremanao ny traikefa ananany.
18
Ho hafinaretanao ny fitahirizana izany ao am-po; ary aoka izy tsy hiala eo amin’ny molotrao.
19
Ny hanananao fitokiana ny TOMPO no ampahafantarako izany aminao anio.
20
Ho anao no nanoratako anatra telopolo izay feno torohevitra sy traikefa,
21
mba hahafantaranao fa mitombina ireo fampianarana azo antoka ireo sy hanaovanao koa tatitra azo antoka amin’izay olona naniraka anao.
22
Aza manendaka ny mahantra, noho izy mahantra; ary aza mampahory tsy mana-mpiahy amin’ny fitsarana.
23
fa ny TOMPO hiaro azy amin’ny adiny, ka hipaoka ny ain’ireo nipaoka ny fananany.
24
Aza mety ho sakaizan’ny olona mora tezitra ary aza miaraka amin’ny olona saro-po,
25
fandrao hianatra ny fanaony ianao ka ho voasingotra hatramin’ny ainao.
26
Aza mety mandray tanan’olon-kafa ianao ho mariky ny fiantohanao trosan’ny namanao;
27
fa raha tsy manan-kaloa ianao, dia halaina mbamin’ny farafara fandrianao.
28
Aza mba mamindra ny baorina tranainy izay napetraky ny razanao ho faritry ny saha.
29
Jereo io olona manao tsara ny asany io: ho afa-miasa eo anatrehan’ny mpanjaka izy toy izay ho mpiasa tsy misy mpahalala.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31