bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Proverbs 13
Proverbs 13
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 14 →
1
Ny zanaka hendry mihaino ny anatry ny rainy, fa ny zanaka mpaniratsira kosa mandà fitsikerana.
2
Ny olona tsara dia mijinja ny vokatry ny teniny, fa ny mpanao ratsy kosa mivelona amin’ny herisetra.
3
Izay mahafehy ny vavany maharo ny ainy; fa izay basivava mandringan-tena.
4
Ny kamo no mitsiriritra tsy mety afa-po; fa ny mazoto kosa mahazo izay irîny.
5
Ny olo-marina dia mankahala ny lainga; fa ny olon-dratsy kosa manevateva sy manala baràka.
6
Ny fahamarinana miaro izay mizotra tsy misy tsiny; fa ny faharatsiana kosa mamery ny mpanota.
7
Misy miseho ho manankarena nefa tsy manam-bariraiventy; fa misy kosa mody mahantra nefa manana harem-be.
8
Ny haren’ny olona no antoky ny ainy; fa ny mahantra tsy matahotra fandrahonana.
9
Ny olo-marina dia toy ny hazavana tsara famiratra; fa ny olon-dratsy kosa dia toy ny jiro efa ho faty.
10
Fifandirana no hany ateraky ny avonavona; fa izay mandray torohevitra kosa no misy fahendrena.
11
Ny harena azo amim-pahamaikana dia mihena an-toerana; fa izay manangona izany tsikelikely no mampitombo azy.
12
Ny fanantenana mihemo-dava dia mankarary fo; fa ny firarian-tsoa tanteraka kosa mampahazo aina.
13
Mamery tena izay manamavo ny teny; fa hahazo valisoa kosa izay manaja ny didy.
14
Ny fampianaran’ny hendry dia loharanon’aina, mba hialana amin’ny fandriky ny fahafatesana.
15
Ahazoan-tsitraka ny fahalalana enti-manasoa, fa ny toetran’ny ratsy fanahy kosa mitratrevatreva.
16
Ny malina rehetra dia miasa amim-pandinihana; fa ny adala kosa mampiseho hafokana.
17
Ny iraka ratsy fanahy dia mampidi-doza; fa ny masoivoho mahatoky kosa manarin-javatra.
18
Hahantra sy ho menatra izay mandà fananarana; fa homem-boninahitra kosa izay mandray tsikera.
19
Fifaliam-panahy ny firarian-tsoa izay tanteraka; maharikoriko ireo adala kosa ny hiala amin’ny ratsy.
20
Izay miaraka amin’ny hendry dia hihahendry; fa izay misakaiza amin’ny adala kosa hiharatsy.
21
Loza no manjohy ny mpanota; fa hasambarana kosa no valisoan’ny olo-marina.
22
Ny olona tsara fanahy mamela lova ho an’ny taranany; fa ny haren’ny mpanota kosa voatahiry ho an’ny olo-marina.
23
Ny sahan’ny mahantra izay voaasa dia mahavokatra hanina be; fa ny olona sasany kosa ringana noho ny tsy rariny ataony.
24
Izay tsy mba mikapoka an-janany tsy tia azy; fa izay tia azy kosa tsy misalasala manafay azy.
25
Ny olo-marina dia mihinana mahalala onona; fa ny kibon’ny olon-dratsy kosa tsy mety afa-po.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31