bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Proverbs 20
Proverbs 20
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 21 →
1
Ny divay mahatonga ho mpaniratsira, ny toaka mahatonga ho mpitabataba, koa izay mimamo amin’izany tsy ho hendry.
2
Ny fandrahonan’ny mpanjaka dia mampatahotra toy ny fieron’ny liona; ka izay mampahatezitra azy tandindomin-doza.
3
Voninahitry ny olona ny mandositra fifandirana; fa ny adala rehetra kosa no mikiribiby amin’izany.
4
Tsy mety miasa ny kamo fa ririnina ny andro; nefa hitady izy amin’ny fotoam-pijinjana fa tsy hahita na inona na inona.
5
Ny hevitra ao ampon’ny olona dia miafina toy ny rano ao an-kibon’ny tany, ka ny manan-tsaina no afaka hanovo aminy.
6
Maro ny olona samy midera tena ny amin’ny soa vitany; fa sarotra kosa ny mahita izay olona mahatoky marina.
7
Toetra vanona no izoran’ny olo-marina; ka sambatra izay zanaka handimby azy.
8
Ny mpanjaka, rehefa mipetraka hanao fitsarana, dia mahita ratsy isan-karazany raha vao mijery.
9
Iza no afaka hiteny hoe: «Nandio ny foko aho, ka dia voadio ho afaka amin’ny fahotako»?
10
Ny vatomizana sy famarana roa karazana dia zavatra samy halan’ny TOMPO.
11
Na ny zaza aza dia fantatra amin’ny ataony raha tsara sy mahitsy ny fitondrantenany.
12
Ny sofina andrenesana sy ny maso ijerena dia zavatra roa samy nataon’ny TOMPO.
13
Aza fatra-pitia torimaso fandrao mihamahantra ianao; mifohaza vao maraina kosa dia ho voky hanina ianao.
14
Hoy ny mpividy: «Ratsy! Ratsy!» Kanjo rehefa lasa izy, dia faly nahazo.
15
Ao ny volamena ary betsaka ny perla; fa ny tenim-pahalalana no vatosoa tsy fahita firy.
16
Raha misy olona sahy miantoka trosan’olona vahiny, dia tano ny akanjony ho antoka ny amin’io olon-tsy fantatra io.
17
Mety mamin’ny olona ny hanina nangalarina, nefa fasika no hameno ny vavany amin’ny farany.
18
Ny hevitra tsara no mahatanteraka ny fikasana; ary tetika voarindra no tokony hoenti-miady.
19
Izay mifosa namana dia manambara tsiambaratelo; koa aza mifanerasera amin’ny olona basivava.
20
Raha misy manozona ny rainy na ny reniny, dia ho toy ny jiro maty ao anaty haizim-pito ny fiainany.
21
Izay maika hangoron-karena am-boalohany, dia tsy hotahina any am-parany.
22
Aza manao hoe: «Hamaly ny ratsy natao tamiko aho!» Fa matokia ny TOMPO, dia hamonjy anao Izy.
23
Halan’ny TOMPO ny vatomizana tsy marina; ary tsy tsara ny mizana mandainga.
24
Ny TOMPO no mampahery ny olona eo amin’ny lalan-kalehany; fa ahoana moa no hahalalan’olombelona ny hombany?
25
Zava-doza ho an’ny olona ny mora miteny hoe: «Zavatra voatokako ho an’Andriamanitra ity», na ny mivoady ka avy eo vao mieritreritra.
26
Ny mpanjaka hendry misivana ny olon-dratsy ka mamela azy hohosen’ny kodiaram-by.
27
Ny fanahin’ny olona no jiro omen’ny TOMPO mba hitsilovana ny ao am-po tsy miloaka.
28
Fitiavana sy toetra mahatoky no miaro ny mpanjaka; ary fampiharana ny marina no mahamafy orina ny fahefàny.
29
Ny fahatanjahana no haingon’ny tanora, ary ny volofotsy no voninahitry ny antitra.
30
Ny fery mangirifiry dia mety mahafaka ny haratsiam-panahy, ary ny kapoka mahadio ny ao am-po tsy miloaka.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31