bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Proverbs 19
Proverbs 19
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 20 →
1
Aleo mahantra mizotra ho olom-banona toy izay mpanankarena milaza lainga.
2
Tsy tsara ny finiavana tsy ombàm-pahalalana; ary izay mirotoroto fandeha no ho tafintohina.
3
Rehefa simban’ny hadalàny ny lalan’ny olona, dia ny TOMPO indray no itezeran’ny fony.
4
Ny mpanankarena dia manan-tsakaiza maro; fa ny mahantra kosa mety hilaozan’ilay hany sakaizany.
5
Tsy ho afa-maina ny vavolombelona mandainga; ary tsy ho dify famaizana ny mpamafy lainga.
6
Maro no mandokadoka ny olona ambony; ary ny besinimaro dia sakaizan’ny mpanome zavatra.
7
Ny ory tsy havan-drahalahy manana; koa mainka va tsy handao azy ny sakaizany? Fa na mbola miteny aminy aza ilay ory, dia efa tsy misy eo intsony ireo.
8
Izay mianatra misaina no tia ny tenany ary izay mitandro fahaiza-manavaka no hahita fahasambarana.
9
Tsy ho afa-maina ny vavolombelona mandainga, ary ho very ny mpamafy lainga.
10
Tsy mety ho an’ny adala ny miaina ao amin’ny renty, koa mainka ny hibaikoan’ny mpanompo ireo lehibeny.
11
Ny olona hendry mahafehy ny hatezerany, ary voninahitra ho azy ny manadino ny ratsy nozakainy.
12
Ny fahatezeran’ny mpanjaka dia mampatahotra toy ny fieron’ny liona; fa ny fitsimbinany kosa dia mahasoa toy ny ando amin’ny ahitra.
13
Ny zanaka adala dia fahoriana ho an’ny rainy; ny vehivavy tia ady kosa dia toy ny fantsona tsy mitsaha-mitete.
14
Trano aman-karena no lova avy amin-drazana; fa ny vady hendry kosa dia avy amin’ny TOMPO.
15
Ny hakamoana maharendremana, ka ny kibon’ny malaina ho noana.
16
Izay mitandro ny didy no miaro ny ainy; fa ho faty kosa izay tsy miraharaha ny toetrany.
17
Izay manome ny mahantra dia mampisambotra ny TOMPO, fa Izy ihany no hanonitra ny soa nataon’ilay mpiantra.
18
Faizo ny zanakao dieny mbola misy fanantenana; nefa aza sendaotra, fandrao mahafaty azy.
19
Mendrika handoa sazy ny olona lozabe; fa raha tsy atao izany izy, dia vao mainka hamerina indray.
20
Henoy ny torohevitra ary raiso ny anatra mba hahatonga anao ho hendry any aoriana.
21
Maro ny tetika ao am-pon’ny olona, fa ny fikasan’ny TOMPO ihany no tanteraka.
22
Ny fitiavan-karenan’ny olona dia henatra ho azy; fa aleo mahantra toy izay mpandainga.
23
Ny fanajana ny TOMPO mitondra ho amin’ny fiainana, fa izany no hananam-piadanana sy tsy hahitan-doza.
24
Ny kamo mangarom-bilia amin’ny tanany, nefa tsy mahatonga izany ao am-bavany.
25
Kapohy ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; anaro ny manan-tsaina fa ho takany ny fahalalana.
26
Ny zanaka mahamenatra sy manala baràka dia mampahory an-drainy sy mampidifidify an-dreniny.
27
Anaka, raha mitsahatra tsy mandray anatra ianao, dia hanadino faingana izay nianaranao.
28
Ny vavolombelona tsy vanona manevateva ny fitsarana, ary ny olon-dratsy dia fatra-pitelina haratsiana.
29
Ny famaizana dia natao ho an’ny mpaniratsira, ary ny kapoka ho amin’ny lamosin’ny adala.
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31