bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Proverbs 14
Proverbs 14
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 15 →
1
Ny fahendren’ny vehivavy no mahamafy tokantrano; fa ny fahadalàny kosa maharava izany.
2
Izay mizotra amim-pahitsiana no manaja ny TOMPO; fa izay maniasia kosa manamavo Azy.
3
Ny tenin’ny adala no itsimohan’ny fiavonavonana; fa ny resaky ny hendry kosa fiarovana ho azy.
4
Raha tsy misy omby, dia foana ny efitrano fitahirizam-bary. Fa ny omby matanjaka no mampahazo vokatra betsaka.
5
Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mandainga; fa ny vavolombelona sandoka kosa milaza lainga.
6
Mba mitady fahendrena ny mpaniratsira, fa tsy mahita; Fa izay manan-tsaina kosa mora mahazo fahalalana.
7
Halaviro ny olona adala, fa tsy hahitanao teny fahalalana.
8
Mitandrim-pitondrantena ny malina satria hendry; Verin’ny hadalany kosa ny olona adala.
9
Tsy miraharaha izay hanonitra fahadisoana ny adala; fa ny olo-mahitsy ihany no mahatsapa fahafaham-po.
10
Irery ao amin’ny alahelony sy ny fifaliany ny tsirairay; fa tsy misy olon-kafa afaka hiombona izany aminy.
11
Ny tranon’ny olon-dratsy horavana fa ny fonenan’ny olo-mahitsy kosa hambinina.
12
Misy toetra heverin’ny olona ho mahitsy, kanjo mankany amin’ny fahafatesana no iafarany.
13
Na mihomehy aza ny olona, dia mety ory fo; ary ny iafaran’ny fifaliana dia alahelo.
14
Ny mpaniasia ho tsiravin’ny vokatry ny toetrany; fa ny tsara fanahy kosa ho ambony noho izy.
15
Ny kely saina dia mino ny teny rehetra ambara aminy; fa ny malina kosa mandinika, vao mandroso.
16
Matahotra ny ratsy ny hendry ka mivily miala aminy, fa misafoaka kosa ny adala satria matoky tena loatra.
17
Izay mora tezitra manao hadalana, ary ny olona miteti-dratsy dia ankahalaina.
18
Ny anjaran’ny kely saina dia fahadalana, fa ny voninahitry ny misaina kosa dia fahalalana.
19
Miondrika eo anatrehan’ny tsara fanahy ny ratsy fanahy; ary mitsatoka eo am-bavahadin’ny olo-marina ny olon-dratsy.
20
Mankahala ny mahantra na dia ny havany aza; fa ny manankarena kosa no maro sakaiza.
21
Izay manamavo ny namany dia manota; fa sambatra kosa izay miantra ny ory.
22
Maniasia ny olona mikasa hanao ratsy; fa fitiavana sy fihavanana kosa no ho hitan’izay mikasa hanao soa.
23
Ny ezaka tsara rehetra dia misy tombontsoa avokoa, fa ny fitsaontsaom-bava kosa miteraka fahantrana.
24
Ny hareny no satroboninahitry ny hendry; fa hadalana kosa no ironan’ny adala.
25
Ny vavolombelona marina mahavonjy ain’olona, fa ny vavolombelona sandoka kosa dia fiasan’ny lainga.
26
Izay manaja ny TOMPO dia manam-pialofana mahatoky; ary misy fiarovana koa ho an’ny zanany.
27
Ny fanajana ny TOMPO dia loharanom-piainana, hahazoana miala amin’ny fandrika mahafaty.
28
Ny hamaroam-bahoaka no voninahitry ny mpanjaka; fa ny havitsiany kosa no fietreny.
29
Izay mahatsindry fo no tena manan-tsaina; fa izay mora misendaotra mampiseho ny hadalany.
30
Ny fiadanam-po dia mamelombelona ny vatana; fa ny fialonana kosa dia tahaka ny homamiadana.
31
Izay mampahory ny mahantra dia manala baràka an’ilay Andriamanitra Mpanao azy; fa izay miantra ny ory kosa no manome voninahitra Azy.
32
Ny ratsy ataon’ny olon-dratsy no mahavery azy; fa ny olo-marina kosa matoky satria tsy manan-tsiny.
33
Mitoetra ao am-pon’ny manan-tsaina ny fahendrena, fa moa mba fantatra ao amin’ny olona adala ve izany?
34
Ny fahamarinana manandratra avo ny firenena; fa ny fahotana kosa dia henatra ho an’ny vahoaka.
35
Ankasitrahin’ny mpanjaka ny mpandraharaha kinga; fa tezerany kosa izay manala baràka.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31