bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Proverbs 29
Proverbs 29
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 30 →
1
Izay mafy hatoka tsy laitra anarina dia ho montsana tampoka tsy hisy fanafana.
2
Rehefa ny olo-marina no mitondra, dia faly ny vahoaka; fa rehefa ny olon-dratsy no mifehy, dia misento ny vahoaka.
3
Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy; izay miaraka amin’ny mpivarotena kosa mandany harena.
4
Ny mpanjaka mpandala ny rariny no mampiorina mafy ny tany; fa izay mitaky hetra mihoa-pampana kosa no mampikorosy fahana izany.
5
Izay olona mandodoka ny namany dia mamela-pandrika ho an’ny tenany.
6
Ny olon-dratsy mamandri-tena amin’ny fahotany, fa ny olo-marina kosa mientanentan-kafaliana.
7
Ny olo-marina mahafantatra ny zon’ireo mahantra, fa ny olon-dratsy kosa tsy manana fahalalana izany.
8
Mampisavorovoro ny iray tanàna ny mpaniratsira, fa mampitony fahatezerana kosa ny hendry.
9
Raha olon-kendry no manana ady amin’adala, dia ho tezitra na hihomehy ity adala, kanefa tsy hisy filaminana mihitsy.
10
Ny olona lian-drà mankahala ny olom-banona, fa ny olo-mahitsy kosa miahy ny ainy.
11
Manampatra hatezerana ny adala, fa mahatsindry fo kosa ny hendry.
12
Raha mihaino lainga ny mpitondra, ho tonga ratsy avokoa ny olom-peheziny.
13
Izao no iraisan’ny mahantra sy ny mpampahory; samy omen’ny TOMPO maso hijerena izy roa tonta.
14
Manamafy orina mandrakizay ny sezafiandrianany ny mpanjaka izay mitsara marina ny mahantra.
15
Manome fahendrena ny tsorakazo sy ny fananarana, fa henatra ho an-dreniny kosa ny zaza avela hanaram-po.
16
Raha maro ny olon-dratsy, dia mitombo ny heloka; fa olo-marina kosa ho vavolombelon’ny fianjerany.
17
Faizo ny zanakao, dia hahafinaritra anao izy ary hanome fahafaham-po anao.
18
Rehefa tsy misy fanambaràn’ny mpaminany, dia mivarilavo ny vahoaka; fa sambatra kosa izany vahoaka izany raha mitandrina ny lalànan’ny Tompo.
19
Tsy amin’ny teny no amaizana ny mpanompo; fa na azony aza izany, dia tsy hankatoaviny.
20
Raha mahita olona miteny tsy amim-piheverana ianao, dia ny adala no misy hantenaina kokoa noho izy.
21
Izay mampihanta ny mpanompony hatry ny fahakely dia hampahaditra azy amin’ny farany.
22
Ny olona mora tezitra manetsika ady; izay mora misafoaka mampiavosa hadisoana.
23
Ny avonavon’ny olona no hampietry azy; fa ny manetry tena no hahazo haja.
24
Izay miray tetika amin’ny mpangalatra, dia fahavalon’ny tenany; nandre ny ozona mety hihatra izy, kanefa tsy milaza ny mpangalatra.
25
Mampidi-doza ny fahatahorana olona; fa izay matoky ny TOMPO kosa no voaaro.
26
Maro no mila sitraka amin’ny mpitondra; fa ny TOMPO ihany no mitsara ny olona tsirairay.
27
Halan’ny olo-marina ny olona mpivadi-bolana; ary halan’ny olon-dratsy ny mahitsy fitondrantena.
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 30 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31