bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Proverbs 11
Proverbs 11
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 12 →
1
Halan’ny TOMPO ireo mizana mandainga; fa ny lanja marina no tiany.
2
Setrin’ny fiavonavonana ny fahafaham-baràka; fa ao amin’ny manetry tena no misy fahendrena.
3
Ny toetra vanona no mitarika ny olo-mahitsy; fa ny haratsiana kosa mandringana ny mpamitaka.
4
Tsy misy ilana ny harena amin’ny andro fitsarana; fa ny fahamarinana no manafaka amin’ny fahafatesana.
5
Ny fahamarinan’ny olom-banona manamora ny fiainany; fa ny olon-dratsy kosa verin’ny faharatsiany.
6
Ny fahamarinan’ny olo-mahitsy manafaka azy; fa voafandriky ny filàn-dratsy kosa ny mpamitaka.
7
Rehefa maty ny olon-dratsy, dia miara-maty aminy koa ny fanantenany, indrindra fa izay nankininy tamin’ny harena.
8
Ny olo-marina dia afahana amin’ny tebiteby; fa ny olon-dratsy kosa no hiditra hisolo azy ao.
9
Ny mpandà an’Andriamanitra dia manimba namana amin’ny teniny; fa ny fahalalana kosa no hanafahana ny olo-marina.
10
Mifaly amin’ny fahombiazan’ny olo-marina ny tanàna, ary velom-pihobiana amin’ny fahafatesan’ny olon-dratsy.
11
Ny tsodranon’ireo olo-mahitsy no isandratan’ny tanàna; fa ny tenin’ireo olon-dratsy kosa no aharavany.
12
Izay manambany ny namany no bado; fa aleon’ny manan-tsaina mangina.
13
Ny mpanely fanaratsiana no manambara tsiambaratelo; fa ny olo-mahatoky kosa mahay manafin-javatra.
14
Ho very ny vahoaka tsy misy mpitondra; fa raha maro mpanolo-tsaina izy no handry feizay.
15
Izay miantoka ny trosan’ny hafa dia hanenina mafy; milamin-tsaina kosa izay tsy manaiky hanao izany.
16
Ny vehivavy tsara tarehy mahazo haja; ary ny lehilahy mavitrika mahazo harena.
17
Ny olona tsara fanahy dia manasoa tena; fa ny olona masiaka kosa mampahory tena.
18
Karama manodoka no raisin’ny olon-dratsy; fa valisoa azo antoka no an’izay mamafy fahamarinana.
19
Izay mitandro fahamarinana dia ho velona; fa izay mpanaraka ny ratsy kosa ho faty.
20
Halan’ny TOMPO ny olona fetsifetsy; fa izay manan-toetra vanona kosa no tiany.
21
Azo antoka tokoa fa hofaizina ny ratsy fanahy; fa ny taranaky ny marina kosa ho voavonjy.
22
Ny hatsaran-tarehin’ny vehivavy tsy misaina dia toy ny kavim-bolamena eo amin’ny oron-kisoa.
23
Ny soa ihany no kendren’ny olo-marina; fa ny fahatezeran’Andriamanitra kosa no arehitry ny fanirian’ireo olon-dratsy.
24
Misy izay malala-tanana nefa mitombo harena hatrany; ary misy kahihitra loatra nefa mihamahantra ihany.
25
Hiavosam-panambinana ny olona mpanao soa, ary izay manome rano hosotroina dia ho afa-ketaheta.
26
Ozonim-bahoaka izay mitahiry ny variny fa tsofiny rano kosa izay mivarotra ny azy.
27
Izay fatra-pikatsaka ny soa dia misarika ny fanambinan’Andriamanitra; fa izay mitady ny ratsy kosa dia hahita loza.
28
Hihareraka izay mitoky amin’ny hareny, fa ho tahaka ny ravin-kazo maitso kosa no handrobonan’ny olo-marina.
29
Izay mitondra korontana ao an-tranony dia adala, ka handova rivotra sy ho tonga mpanompon’ny hendry.
30
Ny vokatry ny fahamarinana dia toy ny hazon’aina; ary ny hendry no mahataona olona.
31
Omem-balisoa etỳ an-tany ny olo-marina; koa ny ratsy fanahy sy ny mpanota dia vao mainka hahazo ny setry sahaza!
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31