bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Proverbs 23
Proverbs 23
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 24 →
1
Raha miara-misakafo amin’ny manampahefana ianao, dia diniho tsara izay olona eo anoloanao.
2
Raha toa ka tendan-kanina ianao, dia mba tsindrio ny fahazotoan-komanao.
3
Aza mitsiriritra ny hanim-piny fa mety hanina mahavoafitaka izany.
4
Aza misahirana hangoron-karena ary aza miana-kendry amin’izany.
5
Tsy ho hitanao akory ny fahalaniany, satria toy ny manana elatra izy ka manidina toa voromahery eny an-danitra.
6
Aza miara-komana amin’ny kahihitra ary aza mitsiriritra ny hanim-piny;
7
fa samy hafa ny am-pony sy ny voalazany. Hoy izy aminao: «Mihinàna, misotroa»; nefa ny fony tsy miandany aminao akory.
8
Haloanao aza izay mba nohaninao ary ho very maina ny teny mamy nataonao.
9
Aza miteny eo an-tsofin’ny olona adala fa tsy horaharahainy akory ny tenim-pahendrenao.
10
Aza mba mamindra ny baorina tranainy ary aza maka amin’ny tanin’ny kamboty,
11
fa mahery tokoa ilay mpiaro azy ka hisahana ny adiny aminao.
12
Afantohy amin’ny fanabeazana ny sainao ary amin’ny tenim-pahalalana ny sofinao.
13
Aza misalasala manafay ny zanakao, fa tsy ho faty izy akory raha kapohinao.
14
Fa raha mikapoka azy ianao, dia ny fanahiny no ho voavonjinao tsy ho any amin’ny toeran’ny maty.
15
Anaka, raha hendry ny fonao, dia ho faly koa ny foko.
16
Ho tretrika tokoa aho, raha amim-pahitsiana no hitenenanao.
17
Aza mialona ny mpanota, fa manajà ny TOMPO hatrany
18
satria azo antoka fa misy ny hoavy ary tsy ho foana ny fanantenànao.
19
Mihainoa ahy, anaka, ary hendre; ka mizora amin’ny lala-mahitsy.
20
Aza mikambana amin’ny mpimamo divay na ny mpiletra hena.
21
Fa hihamahantra ny mpiboboka sy ny tendan-kanina, satria be torimaso ka hisaringo-boridamba.
22
Mihainoa ny rainao izay niteraka anao; ary aza manamavo ny reninao efa antitra.
23
Manàna toetra mahatoky, ka aza amidy izany; aza amidy koa ny fahendrena sy ny fanabeazana ary ny fahaiza-manavaka.
24
Ny ray niteraka olo-marina sy hendry; dia hibita-karavoana sy hifaly aminy;
25
omeo ny rainao sy ny reninao izany fifaliana izany; eny, aoka hibita-karavoana ilay reny niteraka anao.
26
Anaka, aoka hatoky ahy ny fonao ary aoka ny masonao hifaly amin’ny sori-dalako.
27
Fa mampidi-doza toy ny hady lalina ny mpivarotena ary toy ny lava-pantsakana ety ny vehivavy vadin’olona;
28
manotrika toy ny mpangalatra ireo, ary manamaro ny lehilahy mpanitsakitsa-bady.
29
Ho an’iza ny alahelo? Ho an’iza ny nenina? Ho an’iza ny fifandirana? Ho an’iza ny toloko? Ho an’iza ny ratra tsy amin’antony? Ho an’iza ny maso mandroroa?
30
Ho an’izay mitaraikiraiky amin’ny divay sy ho an’izay tsy mitsaha-manandrana fisotro mifangaro misy alikaola.
31
Aza mijery ny divay mena izay manganohano ao anaty kaopy. Hikoriana moramora ao an-tendanao izy,
32
nefa amin’ny farany hanaikitra toy ny bibilava ary hanindrona toy ny menarana misy poizina.
33
Hahita zavatra hafahafa ny masonao; ary resaka mifanjevo no avoakan’ny eritreritrao.
34
Hihevi-tena ho any afovoan’ny ranomasina ianao ka ho toy izay mandry eny an-tampon’ny lain-tsambo.
35
Dia hoy ianao anakampo hoe: «Nisy nikapoka aho nefa tsy naharary! Nisy nively aho nefa tsy tsaroako akory! Raha vantany vao taitra ange aho, dia hangataka hisotro indray!»
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31