bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 1
Numbers 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 2 →
1
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy tany an-tany efitr’i Sinay, tao amin’ny tranolay fihaonana, tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana faharoa, tamin’ny taona faharoa taorianan’ny nivoahan’ny Zanak’Israely avy tany amin’ny tany Ejipta. Hoy NY TOMPO taminy:
2
Alao isa ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anaran’ny lehilahy tsirairay,
3
dia ny lehilahy rehetra hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika amin’ny Israely. Handamina azy araka ny antokony avy ianao sy i Arona.
4
Aoka hisy lehilahy iray avy isam-poko ho namanareo, dia izay samy lohan’ny fianakaviany avy.
5
Toy izao avy ny anaran’ireo lehilahy ho namanareo ireo. Ny avy amin’i Robena dia i Elizora, zanak’i Sedeora;
6
ny avy amin’i Simeona dia i Selomiela, zanak’i Zorisaday;
7
ny avy amin’i Joda dia i Nasona, zanak’i Aminadaba;
8
ny avy amin’Isakara dia i Netanela, zanak’i Zoara;
9
ny avy amin’i Zebolona dia i Eliaba, zanak’i Helona;
10
ny avy amin’ny zanak’i Josefa kosa: Ny avy amin’i Efraima dia i Elisama, zanak’i Amihoda, ary ny avy amin’i Manase dia i Gamaliela, zanak’i Pedazora;
11
ny avy amin’i Benjamina dia i Abidana, zanak’i Gideony;
12
ny avy amin’i Dana dia i Ahiezera, zanak’i Amisaday;
13
ny avy amin’i Asera dia i Pagiela, zanak’i Okrana;
14
ny avy amin’i Gada dia i Eliasafa, zanak’i Deoela;
15
ny avy amin’i Naftaly dia i Ahira, zanak’i Enana.
16
Ireo no voaantso teo amin’ny fiangonana, samy lohan’ny fokony avy sady mpifehy arivo amin’ny Israely.
17
Ary naka ireo olona voatonona anarana ireo i Mosesy sy i Arona
18
dia namory ny fiangonana manontolo tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana faharoa. Samy nampanoratra ny firazanany avy izy, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.
19
Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nandaminany azy tany amin’ny tany efitr’i Sinay.
20
Dimanjato sy enina arivo sy efatra alina ny avy tamin’ny taranak’i Robena, lahimatoan’Israely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra izay azo alefa hanafika,
21
ary voaisa avy tamin’ny fokon’i Robena.
22
Tamin’ny taranak’i Simeona, araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra voaisa, araka ny anaran’ny tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, izay azo alefa hanafika,
23
izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Simeona dia telonjato sy sivy arivo sy dimy alina.
24
Tamin’ny taranak’i Gada, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika,
25
izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Gada kosa dia dimampolo sy eninjato sy dimy arivo sy efatra alina.
26
Tamin’ny taranak’i Joda, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika,
27
izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Joda dia eninjato sy efatra arivo sy fito alina.
28
Tamin’ny taranak’Isakara, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika,
29
izay voaisa avy tamin’ny fokon’Isakara dia efajato sy efatra arivo sy dimy alina.
30
Tamin’ny taranak’i Zebolona, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika,
31
ny voaisa avy tamin’ny fokon’i Zebolona dia efajato sy fito arivo sy dimy alina.
32
Tamin’ny taranak’i Josefa: Avy tamin’ny taranak’i Efraima, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika,
33
izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Efraima dia dimanjato sy efatra alina.
34
Tamin’ny taranak’i Manase, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika,
35
izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Manase dia roanjato sy telo arivo sy telo alina.
36
Tamin’ny taranak’i Benjamina, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika,
37
izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Benjamina dia efajato sy dimy arivo sy telo alina.
38
Tamin’ny taranak’i Dana, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika,
39
izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Dana dia fitonjato sy roa arivo sy enina alina.
40
Tamin’ny taranak’i Asera, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika,
41
izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Asera dia dimanjato sy arivo sy efatra alina.
42
Tamin’ny taranak’i Naftaly, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika,
43
izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Naftaly dia efajato sy telo arivo sy dimy alina.
44
Ireo no voaisan’i Mosesy sy i Arona ary ireo mpifehy roa amby folo lahy tamin’ny Israely, izay samy lohan’ny fianakaviany avy.
45
Ary izay rehetra voaisa avy tamin’ny Zanak’Israely araka ny fianakaviany, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika avy amin’ny Israely,
46
izay rehetra voaisa dia dimampolo sy dimanjato sy telo arivo sy enina hetsy.
47
Tsy mba nisaina tao anatin’ireo kosa ny levita, araka ny fokony.
48
Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy:
49
Ny fokon’ny levita ihany no aza isaina, aza mba alaina isa miaraka amin’ny Zanak’Israely izy ireo.
50
Fa tendreonao ny levita hitandrina ny tabernakelin’ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy. Izy ireo no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra, ary izy ireo no hanao fanompoana ao; manodidina ny tabernakely no hitobiany.
51
Rehefa hiainga ny tabernakely dia ny levita no handrava azy; rehefa mijanona ny tabernakely dia ny levita no hanangana azy indray; fa raha olon-kafa no manakaiky dia hovonoina izy.
52
Dia hitoby ny Zanak’Israely, samy eo amin’ny tobiny avy, samy eo amin’ny fanevany avy, araka ny antokony.
53
Fa ny levita kosa dia hitoby manodidina ny tabernakelin’ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonan’ny Zanak’Israely; ny levita dia hitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin’ny Vavolombelona
54
Dia nataon’ny Zanak’Israely izany. Araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nataony.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36