bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 10
Numbers 10
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 11 →
1
Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy:
2
Manaova trompetra volafotsy roa; voatefy no hanaovanao azy. Ho fiantsoanao ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo.
3
Rehefa tsofina ireo dia hivory eo aminao, eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana, ny fiangonana manontolo.
4
Fa raha ny iray ihany no tsofina dia ireo lohan’ny foko izay mpifehy arivo amin’ny Israely ihany no hivory eo aminao.
5
Fa rehefa mitsoka ho fanairana ianareo dia hiainga ny toby izay milasy eo atsinanana.
6
Rehefa mitsoka ny fanairana fanindroany ianareo dia hiainga ny toby izay milasy eo atsimo; fanairana no hatao fiaingany.
7
Fa raha hamory ny fiangonana kosa ianareo dia hitsoka fotsiny fa tsy hanao fanairana.
8
Ny mpisorona, zanak’i Arona, no hitsoka ny trompetra. Ho lalàna maharitra ho anareo hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby izany.
9
Ary raha misy ady eo amin’ny taninareo ka mandeha hiady amin’ny fahavalo izay mampahory anareo ianareo dia hitsoka ireo trompetra ireo ho fanairana ianareo dia hotsarovana eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hovonjena amin’ny fahavalonareo.
10
Amin’ny andro fifalianareo sy amin’ny fotoam-pivavahanareo ary amin’ny voaloham-bolanareo no hitsofanareo ny trompetra, raha manao ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanati-pihavanana ho fampahatsiarovana ho anareo ianareo eo anatrehan’Andriamanitrareo, satria Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
11
Tamin’ny andro faharoapolo tamin’ny volana faharoa, tamin’ny taona faharoa, no niakaran’ny rahona niala teo ambonin’ny tabernakelin’ny Vavolombelona.
12
Dia niainga tany an-tany efitr’i Sinay ny Zanak’Israely ka nandroso, ary ny rahona dia nijanona tany amin’ny tany efitra Parana.
13
Dia izany no niaingany voalohany araka ny didin’NY TOMPO izay nampitondrainy an’i Mosesy.
14
Ny fanevan’ny tobin’ny taranak’i Joda no niainga voalohany, araka ny antokony. Ny mpifehy ny antokony dia i Nasona, zanak’i Aminadaba.
15
Ny mpifehy ny antokon’ny taranak’Isakara dia i Netanela, zanak’i Zoara.
16
Ny mpifehy ny antokon’ny taranak’i Zebolona dia i Eliaba, zanak’i Helona.
17
Dia nahorona ny tabernakely ka niainga ny taranak’i Gersona sy ny taranak’i Merary, nitondra ny tabernakely.
18
Niainga indray ny fanevan’ny tobin’i Robena araka ny antokony; ny mpifehy ny antokony dia i Elizora, zanak’i Sedeora.
19
Ny mpifehy ny antokon’ny zanak’i Simeona dia i Selomiela, zanak’i Zorisaday.
20
Ny mpifehy ny antokon’ny taranak’i Gada dia i Eliasafa, zanak’i Deoela.
21
Dia niainga ny Kehatita, nitondra ny fitoerana masina; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-piavin’ireo.
22
Niainga koa ny fanevan’ny tobin’ny taranak’i Efraima, araka ny antokony; ary ny mpifehy ny antokony dia i Elisama, zanak’i Amihoda.
23
Ny mpifehy ny antokon’ny taranak’i Manase dia i Gamaliela, zanak’i Pedazora.
24
Ny mpifehy ny antokon’ny taranak’i Benjamina dia i Abidana, zanak’i Gideony.
25
Dia niainga ny fanevan’ny tobin’ny taranak’i Dana, izay vodilalan’ny toby rehetra, araka ny antokony; ary ny mpifehy ny antokony dia i Ahiezera, zanak’i Amisaday.
26
Ny mpifehy ny antokon’ny taranak’i Asera dia i Pagiela, zanak’i Okrana.
27
Ary ny mpifehy ny antokon’ny taranak’i Naftaly dia i Ahira, zanak’i Enana.
28
Izany filaharana izany no niaingan’ny Zanak’Israely, araka ny antokony avy. Dia niainga izy.
29
Dia hoy i Mosesy tamin’i Hobaba, zanak’i Regoela ilay Midianita, rafozan’i Mosesy: Izahay izao dia miainga hankany amin’ny tany izay nolazain’NY TOMPO hoe: Homeko anareo izany. Andeha ianao hiaraka aminay dia hasianay soa; fa NY TOMPO efa nilaza soa ny amin’ny Israely.
30
Fa hoy kosa izy taminy: Tsy handeha aho; fa ho any amin’ny taniko sy ny havako aho.
31
Dia hoy i Mosesy: Aza ilaozanao re izahay; fa fantatrao izay toerana tokony hitobianay atỳ an-tany efitra ka ianao no ho masonay.
32
Ary raha miaraka aminay ianao dia izay soa hataon’NY TOMPO aminay no hataonay aminao.
33
Dia niainga avy tany amin’ny tendrombohitry NY TOMPO izy ireo ka nandeha lalan-kateloana; ary ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nandroso nialoha azy lalan-kateloana mba hitady toerana hialan-tsasatra ho an’ny olona.
34
Ary ny rahon’NY TOMPO dia teo amboniny nony andro, tamin’ny niaingany niala tamin’ny nitobiany.
35
Rehefa niainga ny vata misy ny Fanekena dia hoy i Mosesy: Mitsangàna, TOMPO ô! Aoka hiely ny fahavalonao! Aoka handositra ny tavanao izay mankahala Anao!
36
Rehefa nijanona kosa ny vata misy ny Vavolombelona dia hoy izy: Miverena, TOMPO ô, ho amin’ny Israely tsy omby alinalina!
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36