bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 17
Numbers 17
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 18 →
1
Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy:
2
Mitenena amin’i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona, mba hesorina teo amin’ny afo ireo fitondrana afo ary aelezo lavitra ny afo fa masina ireny.
3
Ary ny fitondrana afon’ireo mpanota nanimba tena ireo dia anefeo takelaka manify hapetaka amin’ny alitara, fa natolony teo anatrehan’NY TOMPO ireny ka tonga masina sady ho famantarana ho an’ny Zanak’Israely koa ireny.
4
Ary nalain’i Eleazara mpisorona ireo fitondrana afo varahina izay nanoloran’ireo olona may ireo ka nofisahiny ho takelaka hapetaka amin’ny alitara
5
ho fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Israely mba tsy hisy olon-kafa, afa-tsy ny taranak’i Arona ihany, no hahazo manakaiky handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’NY TOMPO, fandrao ho tonga tahaka an’i Kora sy ireo antokony izy, araka ny tenin’NY TOMPO izay nampitondrainy an’i Mosesy.
6
Nony ampitso dia nimonomonona tamin’i Mosesy sy i Arona ny fiangonana, dia ny Zanak’Israely manontolo, ka niteny hoe: Ianareo no nahafaty ny olon’NY TOMPO!
7
Ary raha niangona nanohitra an’i Mosesy sy i Arona ny fiangonana dia nitodika nijery ny tranolay fihaonana izy roa lahy ka indro, nanarona azy ny rahona ary niseho ny voninahitry NY TOMPO.
8
Dia nankeo anoloan’ny tranolay fihaonana i Mosesy sy i Arona.
9
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
10
Mialà amin’io fiangonana io handringanako azy amin’ny indray mipy maso monja! Dia niankohoka tamin’ny tany izy roa lahy.
11
Hoy i Mosesy tamin’i Arona: Alao ny fitondrana afo dia asio afo avy eo amin’ny alitara izany ary asio ditin-kazo manitra ka ento haingana eo amin’ny fiangonana ary manaova fanavotana ho azy; fa efa mivoaka avy amin’NY TOMPO ny fahatezerana ary efa miantomboka ny areti-mandringana.
12
Dia nalain’i Arona araka izay nandidian’i Mosesy izany ka nihazakazaka ho eo afovoan’ny fiangonana izy; ary indro, efa niantomboka teo amin’ny olona ny areti-mandringana. Dia nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an’ny olona.
13
Dia nijanona teo anelanelan’ny maty sy ny velona izy ka nitsahatra ny areti-mandringana.
14
Ary izay efa matin’ny areti-mandringana dia fitonjato sy efatra arivo sy iray alina, afa-tsy izay efa maty noho ny amin’i Kora.
15
Ary niverina ho eo amin’i Mosesy teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana i Arona, dia nitsahatra ny areti-mandringana.
16
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy indray hoe:
17
Mitenena amin’ny Zanak’Israely ka analao tehina iray avy araka ny fokony izy, koa ny lehiben’ny fokony rehetra araka ny fianakaviany avy no hanalana azy, dia tehina roa amby folo. Samy soraty eo amin’ny tehiny avy ny anaran’izy rehetra.
18
Fa ny anaran’i Arona no hosoratanao amin’ny tehin’i Levy; fa tehina iray avy no ho an’ny lohan’ny fianakaviany.
19
Dia hataonao ao amin’ny tranolay fihaonana ireo, eo anoloan’ny Vavolombelona, izay ihaonako aminareo.
20
Ary ny tehin’ny lehilahy izay hofidiko dia hitsimoka ka hampanginiko ny fimonomononan’ny Zanak’Israely Amiko, izay imonomononany aminareo.
21
Ary niteny tamin’ny Zanak’Israely i Mosesy ka samy nanatitra tehina iray avy teo aminy araka ny fianakaviany ary ny lohan’ny fokony, dia tehina roa amby folo; ary ny tehin’i Arona no teo afovoan’ireo tehiny ireo.
22
Dia napetrak’i Mosesy teo anatrehan’NY TOMPO, tao amin’ny tranolain’ny Vavolombelona, ireo tehina ireo.
23
Nony ampitso dia niditra tao amin’ny tranolain’ny Vavolombelona i Mosesy ary indro, nitsimoka tokoa ny tehin’i Arona, izay ho an’ny taranak’i Levy, dia nanaroka sy namony ka namoa amanda masaka.
24
Dia noentin’i Mosesy niala eo anatrehan’NY TOMPO ny tehina rehetra, ho eo amin’ny Zanak’Israely rehetra ka nijery izy ireo ary samy nandray ny tehiny avy.
25
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Avereno ho eo anoloan’ny Vavolombelona ny tehin’i Arona, hotahirizina mba ho famantarana ho an’ireo taranaka mpikomy, dia hatsahatrao hiala Amiko ny fimonomononany mba tsy hahafaty azy ireo.
26
Dia notanterahin’i Mosesy izany; araka izay nandidian’NY TOMPO azy no nataony.
27
Dia niteny tamin’i Mosesy ny Zanak’Israely hoe: Indro, maty izahay, ringana izahay; eny, ringana avokoa izahay rehetra!
28
Ho faty izay rehetra manakaiky, dia izay manakaiky ny tabernakelin’NY TOMPO! Ho tapitra maty va izahay?
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36