bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 32
Numbers 32
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 33 →
1
Ary ny taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada dia nanana omby aman’ondry marobe. Hitany fa tany tsara ho fiandrasana omby aman’ondriny ny tany Jazera sy ny tany Gileada.
2
Dia avy ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena ka niteny tamin’i Mosesy sy i Eleazara mpisorona sy tamin’ireo lohan’ny fiangonana hoe:
3
I Atarota, i Dibona, i Jazera, i Nimra, i Hesbona, i Elale, i Sebama, i Nebo ary i Beona,
4
ireo tany noresen’NY TOMPO teo anoloan’ny fiangonan’ny Israely ireo dia tany tsara ho fiandrasana omby aman’ondry ary ny mpanomponao dia manana omby aman’ondry.
5
Hoy koa izy ireo: Raha mahita fitia eo imasonao izahay, aoka homena anay mpanomponao ho zarataninay io tany io; fa aza ampitaina an’i Jordana izahay.
6
Dia hoy i Mosesy tamin’ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena: Ny rahalahinareo va handeha hanafika nefa ianareo kosa hijanona eto?
7
Nahoana ianareo no hanakivy ny fon’ny Zanak’Israely mba tsy handehanany ho any amin’ny tany izay nomen’NY TOMPO azy?
8
Izany ihany no nataon’ireo rainareo, fony nirahiko avy tao Kadesy-Barnea hisafo ny tany izy.
9
Rehefa niakatra hatrany an-dohasaha Eskola izy ireo ka nahita ny tany dia nanakivy ny fon’ny Zanak’Israely mba tsy handehanany ho any amin’ny tany izay efa nomen’NY TOMPO azy.
10
Nirehitra ny fahatezeran’NY TOMPO tamin’izay andro izay ka nianiana Izy hoe:
11
Ny olona izay niakatra avy tany Ejipta, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia tsy hisy hahita ny tany izay efa nianianako tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba homena azy satria tsy tanteraka tamin’ny fanarahana Ahy izy ireo,
12
afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone kenizita, sy i Josoa, zanak’i Nona, izay tanteraka tamin’ny fanarahana NY TOMPO.
13
Dia nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’NY TOMPO ka navelany hirenireny tany an-tany efitra efapolo taona izy ireo, mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason’NY TOMPO.
14
Ary izao indray koa ianareo dia mitsangana hisolo ny rainareo, ho taranaka mpanota, hampitombo ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO amin’ny Israely!
15
Fa raha miala amin’ny fanarahana Azy ianareo dia hampaharitra ny fitoeran’ny Israely any an-tany efitra indray Izy; koa ianareo no handringanana izao olona rehetra izao.
16
Dia nanatona azy izy ireo ka niteny hoe: Hanao vala eto izahay ho an’ny omby aman’ondrinay ary tanàna ho an’ny zanakay madinika;
17
fa ny tenanay dia handray fiadiana haingana ka hilahatra hiady eo alohan’ny Zanak’Israely, mandra-pitondranay azy ho any amin’ny taniny; ary ny zanakay madinika kosa dia hitoetra amin’ny tanàna mimanda noho ny amin’ny mponina eo amin’ny tany.
18
Tsy hody any an-tranonay izahay mandra-pahazoan’ny Zanak’Israely ny zarataniny avy.
19
Fa tsy hiara-mandray zaratany aminy izahay raha hatrany andafin’i Jordana no ho miankandrefana satria efa azonay atỳ andafy atsinanan’i Jordana atỳ ny zarataninay.
20
Dia hoy i Mosesy taminy: Raha hanao izany zavatra izany ianareo ka hiomana hanafika eo anatrehan’NY TOMPO,
21
rehefa samy efa voaomana hiady dia hita ho any andafin’i Jordana eo anatrehan’NY TOMPO, mandra-pandroakany ny fahavalony hiala eo anoloany
22
ka ho resy eo anatrehan’NY TOMPO ny tany, dia izay vao hody ianareo ka tsy hanan-tsiny, na amin’NY TOMPO, na amin’ny Israely; ary ity tany ity no ho zarataninareo eo anatrehan’NY TOMPO.
23
Fa raha tsy hanao izany kosa ianareo dia manota amin’NY TOMPO; ary aoka ho fantatrareo fa hanody anareo ny fahotanareo.
24
Manorena tanàna ho an’ny zanakareo madinika sy vala ho an’ny ondry aman’osinareo ka ataovy izay naloaky ny vavanareo.
25
Dia niteny tamin’i Mosesy ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena hoe: Hanatanteraka izay andidianao ny mpanomponao, tompoko.
26
Ny zanakay madinika sy ny vadinay ary ny ondry aman’osinay sy ny biby fiompinay rehetra dia hitoetra ato amin’ny tanànan’i Gileada;
27
fa ny mpanomponao dia handeha hita ny ony; samy efa voaomana hiady eo anatrehan’NY TOMPO izahay ka hanafika, araka izay nolazainao, tompoko.
28
Ary i Mosesy dia nandidy an’i Eleazara mpisorona sy i Josoa, zanak’i Nona, ary ireo lohan’ny fianakaviana tamin’ny fokon’ny Zanak’Israely ny momba azy ireo
29
ka niteny taminy hoe: Raha handeha hita an’i Jordana hiaraka aminareo ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena, samy efa voaomana hiady eo anatrehan’NY TOMPO, ka ho resy eo anoloanareo ny tany, dia homenareo azy ny tany Gileada ho zarataniny;
30
fa raha tsy mandray fiadiana miaraka aminareo izy dia eo aminareo any amin’ny tany Kanana ihany no hahazoany zaratany.
31
Dia hoy ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena: Araka izay nolazain’NY TOMPO tamin’ny mpanomponao no hataonay:
32
Handeha hita eo anatrehan’NY TOMPO ho any amin’ny tany Kanana izahay, fa samy efa voaomana hiady, kanefa etỳ andafin’i Jordana etỳ ihany no hahazoanay zaratany.
33
Dia nomen’i Mosesy ho an’ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, zanak’i Josefa, ny fanjakan’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, sy ny fanjakan’i Oga, mpanjakan’i Basana, dia ny tany mbamin’ny tanànany ao amin’ny faritany, dia ny tanàna eny amin’ny tany manodidina.
34
Ny taranak’i Gada dia nanorina an’i Dibona, i Atarota, i Aroera,
35
i Atirota-Sofana, i Jazera, i Jogbeha,
36
i Bety-Nimra, i Bety-Harana, tanàna mimanda sy vala ho an’ny ondry.
37
Ny taranak’i Robena dia nanorina an’i Hesbona, i Elale, i Kiriataima,
38
i Nebo, i Baala-Meona, izay novana ny anarany, ary i Sibma; dia nomeny anarana vaovao ireo tanàna izay naoriny.
39
Ny taranak’i Makira, zanak’i Manase, dia nankany Gileada ka naharesy azy, dia nandroaka ny Amorita izay nonina teo.
40
Ary i Gileada dia nomen’i Mosesy an’i Makira, zanak’i Manase, ka nonina tao izy.
41
Ary i Jaira, zanak’i Manase, dia nandeha ka nandresy ireo tanànan’ny mpitoetra an-tranolay ary ny anarany nataony hoe Havota -Jaira.
42
Ary nandeha i Noba ka nandresy an’i Kenata sy ireo vohitra miankina aminy, dia nataony hoe Noba, araka ny anarany.
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 33 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36