bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 23
Numbers 23
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 24 →
1
Ary hoy i Balama tamin’i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy ka manomàna vantotra ombilahy fito sy ondrilahy fito eto.
2
Dia narahin’i Balaka izay efa nolazain’i Balama; ary nanolotra vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay i Balaka sy i Balama ho fanatitra dorana manontolo.
3
Dia hoy i Balama tamin’i Balaka: Mijoroa eo anilan’ny fanatitra doranao, fa izaho kosa dia handeha; angamba ho avy hitsena ahy NY TOMPO; ary izay hasehony amiko dia hambarako aminao. Dia lasa nankany amin’ny tendrombohitra iray mangadihady izy.
4
Ary Andriamanitra nitsena an’i Balama; dia hoy i Balama Taminy: Efa namboariko ny alitara fito ary efa nanolotra vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay aho.
5
Ary NY TOMPO nanisy teny teo am-bavan’i Balama ka niteny hoe: Miverena any amin’i Balaka ka toy izany no holazainao.
6
Dia niverina tany amin’i Balaka izy ary indro, nijoro teo anilan’ny fanatitra dorany izy, dia izy sy ireo andriandahin’i Moaba rehetra.
7
Dia nilaza ny oha-teniny i Balama ka niteny hoe: I Balaka dia nampaka ahy avy tany Arama, ny mpanjakan’i Moaba dia nampaka ahy avy tany amin’ny tendrombohitra atsinanana: Avia ka ozòny i Jakoba! Mankanesa atỳ ka anamparo ny fahatezeranao Israely!
8
Hataoko ahoana no ho fanozona izay tsy nozonin’Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no ho tezitra amin’izay tsy nitezeran’NY TOMPO?
9
Fa avy eto an-tampon’ny vatolampy no ahitako azy ary avy eto amin’ny havoana no itazanako azy. Indro, firenena mitoka-monina izy ary tsy hatao ho isan’ny Jentilisa.
10
Iza no mahaisa ny vovok’i Jakoba na ny isan’ny ampahefatry ny Israely akory? Aoka ho tahaka ny fahafatesan’ny olo-marina ny fahafatesako ary aoka ny hiafarako ho tahaka ny azy!
11
Dia hoy i Balaka tamin’i Balama: Inona izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nakako anao, kanjo ny nanome azy tsodrano feno indray no nataonao!
12
Dia namaly izy hoe: Tsy izay napetraky NY TOMPO tao am-bavako va no hotandremako ka tsy maintsy holazaiko?
13
Dia hoy i Balaka taminy: Andeha mba hiaraka amiko ho any amin’ny toerana hafa izay hahatazananao azy; kanefa ny tapany ihany no ho hitanao eo fa tsy ho hitanao avokoa izy rehetra, koa ozòny avy eo izy!
14
Dia nitondra azy tao an-tsaha Zofima, tao an-tampon’i Pisga izy; ary nanorina alitara fito izy ka nanatitra vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay.
15
Dia hoy i Balama tamin’i Balaka: Mijoroa eto anilan’ny fanatitra dorana manontolo atolotrao, fa izaho dia hankerỳ hihaona amin’NY TOMPO.
16
Ary NY TOMPO nitsena an’i Balama dia nanisy teny teo am-bavany hoe: Miverena mankeo amin’i Balaka ary izany no holazainao.
17
Nony tonga tany aminy izy dia indreo, teo anilan’ny fanatitra dorana manontolo izay nateriny izy sy ireo andriandahin’i Moaba izay teo aminy. Dia hoy i Balaka taminy: Ahoana no nolazain’NY TOMPO?
18
Dia nilaza ny oha-teniny i Balama hoe: Mitsangàna, ry Balaka, ka mandrenesa! Atongilano amiko ny sofinao, ry zanak’i Zipora!
19
Andriamanitra tsy mba olona ka handainga na zanak’olombelona ka hanenina. Moa efa nilaza va Izy nefa tsy nanatanteraka? Na efa niteny va Izy ka tsy notoviny?
20
Indro, ny hitahy no nomena hataoko; ary efa nitahy Izy ka tsy mahaova izany aho.
21
Tsy mahita faharatsiana eo amin’i Jakoba Izy ary tsy mahatsikaritra fahoriana eo amin’Israely; NY TOMPO Andriamaniny no momba azy; hoby fanao amin’andriana no re eo aminy.
22
Noentin’Andriamanitra nivoaka avy tany Ejipta izy ary manan-kery toy ny ombimanga.
23
Tsy misy fisikidiana eo amin’i Jakoba ary tsy misy fanandroana eo amin’Israely. Fa amin’ny fotoanany no hilazana amin’i Jakoba sy Israely ny asa izay ataon’NY TOMPO.
24
Indro, firenena mitsangana toy ny liom-bavy sy miarina toy ny liona; tsy handry izy mandra-pihinany haza sy mandra-pisotrony ny ran’ny voavono.
25
Dia hoy i Balaka tamin’i Balama: Rehefa tsy hanozona azy ihany ianao dia aza mitsodrano azy!
26
Fa namaly an’i Balaka kosa i Balama hoe: Tsy efa nilaza taminao va aho hoe: Izay rehetra holazain’NY TOMPO ihany no hataoko?
27
Dia hoy i Balaka tamin’i Balama: Andeha hoentiko amin’ny toerana hafa indray ianao; angamba ho sitrak’Andriamanitra ny hanozonanao azy avy any!
28
Ary noentin’i Balaka ho ao an-tampon’i Peora, izay manatrika ny tany efitra, i Balama.
29
Dia hoy i Balama tamin’i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy ka manamboara vantotra ombilahy fito sy ondrilahy fito.
30
Ary nanatanteraka izay efa nolazain’i Balama i Balaka ka nanatitra vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay.
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36