bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 34
Numbers 34
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 35 →
1
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
2
Mandidia ny Zanak’Israely hoe: Raha tonga any amin’ny tany Kanana ianareo dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka ny voafaritry ny sisintaniny.
3
Ny lafiny atsimo amin’ny taninareo dia hatramin’ny tany efitra Zina, izay mifanolotra amin’i Edoma. Ny sisintaninareo atsimo dia hatramin’ny faran’ny Ranomasintsira,
4
dia miolaka eo atsimon’ny fiakarana Akrabima, dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any atsimon’i Kadesy-Barnea, dia mahazo an’i Hazara-Adara ka mandroso hatrany Azmona;
5
ary miolaka hatreo Azmona ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta, ary mipaka hatrany amin’ny ranomasina.
6
Ny amin’ny sisintany andrefana dia indro ny Ranomasina Lehibe sy ny morony, koa hatreo no ho sisintaninareo andrefana.
7
Izao no ho sisintaninareo avaratra: Hatreo amin’ny Ranomasina Lehibe dia ny tendrombohitra Hora no hotandrifìnareo;
8
avy eo amin’ny tendrombohitra Hora dia ny lalana mankany Hamata no hotandrifìnareo ary hahazo an’i Zedada ny sisintany;
9
dia hahazo an’i Zifrona ka hipaka hatrany Hazara-Enana; izany no ho sisintaninareo avaratra.
10
Ary ny ho sisintaninareo atsinanana dia farito hatreo Hazara-Enana ka hatrany Sefama,
11
ary hidina avy ao Sefama hatrany Ribla any atsinanan’i Aina, dia mbola hidina ihany koa ka hipaka amin’ny moron’ny ranomasin’i Kinereta, any atsinanana;
12
ary hidina indray hatrany Jordana ny sisintany ka hipaka amin’ny Ranomasintsira. Izany no ho taninareo araka ny sisintaniny manodidina.
13
Ary nandidy ny Zanak’Israely i Mosesy hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny antsapaka, dia izay andidian’NY TOMPO mba homena ny foko sivy sy ny antsasaky ny fokon’i Manase;
14
fa ny foko taranak’i Robena araka ny fianakaviany sy ny foko taranak’i Gada araka ny fianakaviany dia efa nandray ny zarataniny, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase koa dia efa nandray ny zarataniny.
15
Ireo ny foko roa sy sasany izay samy efa nandray ny zarataniny atỳ andafy atsinanan’i Jordana, hitsin’i Jeriko, tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro.
16
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
17
Ireto ny anaran’ny lehilahy izay hizara ny tany ho anareo: I Eleazara mpisorona sy i Josoa, zanak’i Nona.
18
Ary loholona iray avy amin’ny foko tsirairay koa no halainareo hizara ny tany.
19
Izao no anaran’ireo lehilahy ireo: Ny avy amin’ny fokon’i Joda dia i Kaleba, zanak’i Jefone;
20
ny avy amin’ny foko taranak’i Simeona dia i Semoela, zanak’i Amihoda;
21
ny avy amin’ny fokon’i Benjamina dia i Elidada, zanak’i Kislona;
22
ny lehiben’ny foko taranak’i Dana dia i Bokỳ, zanak’i Jogly;
23
ny avy amin’ny taranak’i Josefa: Ny lehiben’ny foko taranak’i Manase dia i Haniela, zanak’i Efoda;
24
ny lehiben’ny foko taranak’i Efraima dia i Kemoela, zanak’i Siftana;
25
ny lehiben’ny foko taranak’i Zebolona dia i Elizafana, zanak’i Parnaka;
26
ny lehiben’ny foko taranak’Isakara dia i Paltiela, zanak’i Azana;
27
ny lehiben’ny foko taranak’i Asera dia i Ahihoda, zanak’i Selomy;
28
ny lehiben’ny foko taranak’i Naftaly dia i Pedahela, zanak’i Amihoda.
29
Ireo no nodidian’NY TOMPO hizara ny tany Kanana ho an’ny Zanak’Israely.
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 35 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36