bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 13
Numbers 13
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 14 →
1
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
2
Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana izay omeko ho an’ny Zanak’Israely. Lehilahy iray avy amin’ny fokony avy no hirahinareo, koa izay samy lehiben’ny fokony avy.
3
Ary nandefa azy ireo avy tao an-tany efitra Parana i Mosesy, araka ny didin’NY TOMPO; ary samy lehiben’ny Zanak’Israely ireo lehilahy rehetra ireo.
4
Ireto ny anarany: Avy tamin’ny fokon’i Robena, i Samoa, zanak’i Zakora;
5
avy tamin’ny fokon’i Simeona, i Safata, zanak’i Hory;
6
avy tamin’ny fokon’i Joda, i Kaleba, zanak’i Jefone;
7
avy tamin’ny fokon’i Isakara, i Jigala, zanak’i Josefa;
8
avy tamin’ny fokon’i Efraima, i Hosea, zanak’i Nona;
9
avy tamin’ny fokon’i Benjamina, i Palty, zanak’i Rafo;
10
avy tamin’ny fokon’i Zebolona, i Gadiela, zanak’i Sody;
11
avy tamin’ny fokon’i Josefa, tamin’ny fokon’i Manase, i Gady, zanak’i Sosy;
12
avy tamin’ny fokon’i Dana, i Amiela, zanak’i Gemaly;
13
avy tamin’ny fokon’i Asera, i Setora, zanak’i Mikaela;
14
avy tamin’ny fokon’i Naftaly, i Naby, zanak’i Vofsy;
15
avy tamin’ny fokon’i Gada, i Geoela, zanak’i Makỳ.
16
Ireo no anaran’ny lehilahy izay nirahin’i Mosesy hisafo ny tany. Ary i Hosea, zanak’i Nona, dia nataon’i Mosesy hoe Josoa.
17
Nandefa azy ireo hisafo ny tany Kanana i Mosesy ka niteny taminy hoe: Miakara mandalo eto amin’ny Negeva, ary avy eo, miakara any amin’ny tany be havoana;
18
dia zahao izay toetry ny tany sy izay olona monina any, na mahery izy na osa, na vitsy izy na maro;
19
jereo izay toetry ny tany itoerany, na tsara na ratsy; ary ny toetry ny tanàna izay itoerany, na an-day izany na an-tanàna mimanda;
20
fantaro ny toetry ny tany, na lonaka, na ngazana, na misy hazo eo na tsia; dia mahereza ianareo ka mitondrà avy amin’ny vokatry ny tany. Fa fotoana fahamasahan’ny voaloboka mialin-taona tamin’izany.
21
Dia niakatra ireo ka nisafo ny tany hatramin’ny tany efitra Zina ka hatrany Rehoba, any akaikin’i Hamata.
22
Niakatra nandalo ny Negeva izy ireo ka nankany Hebrona izay nisy an’i Ahimana sy i Sesay ary i Talmay, taranaky ny Anakita. I Hebrona dia voaorina fito taona talohan’i Zoana any Ejipta.
23
Dia tonga hatrany amin’ny lohasaha Eskola izy ireo ka tany no nanapaka sampam-boaloboka izay nisy sampahony iray ihany, ary nolanjain’ny roalahy tamin’ny bao izany; nitondrany mody koa ny ampongabendanitra sy ny aviavy.
24
Ary izany toerana izany dia nataony hoe Ny Lohasaha Eskola, noho ny sampahom-boaloboka izay notapahin’ny Zanak’Israely tao.
25
Rehefa afaka efapolo andro dia niverina avy nisafo ny tany izy ireo.
26
Dia nandeha izy ireo nankeo amin’i Mosesy sy i Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak’Israely manontolo, tany an-tany efitra Parana, tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy tamin’ny fiangonana manontolo sady naneho azy ny vokatry ny tany.
27
Nitantara taminy izy ireo hoe: Tonga tany amin’ny tany izay nanirahanao anay izahay. Tena tondra-dronono sy tantely tokoa izany, ary itony no vokatra avy tany.
28
Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin’ny tany, ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary hitanay tany koa aza ireo taranaky ny Anakita.
29
Ny Amalekita no monina any amin’ny Negeva; ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin’ny tany be havoana; ny Kananita no monina any amoron’ny ranomasina sy any amoron’i Jordana.
30
Fa nampangina ny olona teo anatrehan’i Mosesy i Kaleba ka niteny hoe: Tsy maintsy miakatra isika ka handray ny tany fa tsy maintsy ho resintsika izy!
31
Fa hoy kosa ireo lehilahy izay niara-niakatra taminy: Tsy afa-miakatra handresy ireo olona ireo isika satria mahery noho isika izy.
32
Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin’ny Zanak’Israely izy ireo ka niteny hoe: Ny tany izay nalehanay mba hosafoina dia tany mihinana izay monina ao ary ny olona rehetra izay hitanay tao dia olona vaventy be;
33
hitanay tany koa ny Nefilima izay taranaky ny Anakita avy amin’ny Nefilima; teo imasonay izahay dia nahatsiaro ho tahaka ny tsingetana; toy izany koa izahay teo imasony!
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36